< 耶利米哀歌 3 >

1 我是因耶和華忿怒的杖, 遭遇困苦的人。
Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
2 他引導我,使我行在黑暗中, 不行在光明裏。
Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava.
3 他真是終日再三反手攻擊我。
Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
4 他使我的皮肉枯乾; 他折斷我的骨頭。
Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
5 他築壘攻擊我, 用苦楚和艱難圍困我。
Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6 他使我住在幽暗之處, 像死了許久的人一樣。
Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
7 他用籬笆圍住我,使我不能出去; 他使我的銅鍊沉重。
Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
8 我哀號求救; 他使我的禱告不得上達。
Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
9 他用鑿過的石頭擋住我的道; 他使我的路彎曲。
Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
10 他向我如熊埋伏, 如獅子在隱密處。
Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;
11 他使我轉離正路, 將我撕碎,使我淒涼。
Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
12 他張弓將我當作箭靶子。
Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
13 他把箭袋中的箭射入我的肺腑。
Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ ny voako Izy.
14 我成了眾民的笑話; 他們終日以我為歌曲。
Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15 他用苦楚充滿我,使我飽用茵蔯。
Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
16 他又用沙石磣斷我的牙, 用灰塵將我蒙蔽。
Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho.
17 你使我遠離平安, 我忘記好處。
Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18 我就說:我的力量衰敗; 我在耶和華那裏毫無指望!
Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah.
19 耶和華啊,求你記念我 如茵蔯和苦膽的困苦窘迫。
Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20 我心想念這些, 就在裏面憂悶。
Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21 我想起這事, 心裏就有指望。
Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
22 我們不致消滅, 是出於耶和華諸般的慈愛; 是因他的憐憫不致斷絕。
Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23 每早晨,這都是新的; 你的誠實極其廣大!
Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24 我心裏說:耶和華是我的分, 因此,我要仰望他。
Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
25 凡等候耶和華,心裏尋求他的, 耶和華必施恩給他。
Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy.
26 人仰望耶和華, 靜默等候他的救恩, 這原是好的。
Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.
27 人在幼年負軛, 這原是好的。
Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
28 他當獨坐無言, 因為這是耶和華加在他身上的。
Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
29 他當口貼塵埃, 或者有指望。
Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
30 他當由人打他的腮頰, 要滿受凌辱。
Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
31 因為主必不永遠丟棄人。
Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32 主雖使人憂愁, 還要照他諸般的慈愛發憐憫。
Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony.
33 因他並不甘心使人受苦, 使人憂愁。
Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.
34 人將世上被囚的踹在腳下,
Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra,
35 或在至高者面前屈枉人,
Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra,
36 或在人的訟事上顛倒是非, 這都是主看不上的。
Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.
37 除非主命定, 誰能說成就成呢?
Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo?
38 禍福不都出於至高者的口嗎?
Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza?
39 活人因自己的罪受罰, 為何發怨言呢?
Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy?
40 我們當深深考察自己的行為, 再歸向耶和華。
Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.
41 我們當誠心向天上的上帝舉手禱告。
Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
42 我們犯罪背逆, 你並不赦免。
Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
43 你自被怒氣遮蔽,追趕我們; 你施行殺戮,並不顧惜。
Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
44 你以黑雲遮蔽自己, 以致禱告不得透入。
Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
45 你使我們在萬民中成為污穢和渣滓。
Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay.
46 我們的仇敵都向我們大大張口。
Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
47 恐懼和陷坑,殘害和毀滅, 都臨近我們。
Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
48 因我眾民遭的毀滅, 我就眼淚下流如河。
Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy.
49 我的眼多多流淚, 總不止息,
Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
50 直等耶和華垂顧, 從天觀看。
Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
51 因我本城的眾民, 我的眼,使我的心傷痛。
Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.
52 無故與我為仇的追逼我, 像追雀鳥一樣。
Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
53 他們使我的命在牢獄中斷絕, 並將一塊石頭拋在我身上。
Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
54 眾水流過我頭, 我說:我命斷絕了!
Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!
55 耶和華啊, 我從深牢中求告你的名。
Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
56 你曾聽見我的聲音; 我求你解救, 你不要掩耳不聽。
Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
57 我求告你的日子,你臨近我, 說:不要懼怕!
Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
58 主啊,你伸明了我的冤; 你救贖了我的命。
Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
59 耶和華啊,你見了我受的委屈; 求你為我伸冤。
Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
60 他們仇恨我,謀害我, 你都看見了。
Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
61 耶和華啊,你聽見他們辱罵我的話, 知道他們向我所設的計,
Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
62 並那些起來攻擊我的人口中所說的話, 以及終日向我所設的計謀。
Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
63 求你觀看, 他們坐下,起來,都以我為歌曲。
Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
64 耶和華啊,你要按着他們手所做的 向他們施行報應。
Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô.
65 你要使他們心裏剛硬, 使你的咒詛臨到他們。
Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
66 你要發怒追趕他們, 從耶和華的天下除滅他們。
Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah.

< 耶利米哀歌 3 >