< 約伯記 30 >

1 但如今,比我年少的人戲笑我; 其人之父我曾藐視, 不肯安在看守我羊群的狗中。
Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
2 他們壯年的氣力既已衰敗, 其手之力與我何益呢?
Eny, mampaninona ahy ny herin’ ny tànan’ ireo. Izay efa very fahatanjahana?
3 他們因窮乏飢餓,身體枯瘦, 在荒廢淒涼的幽暗中齦乾燥之地,
Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
4 在草叢之中採鹹草, 羅騰的根為他們的食物。
Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany.
5 他們從人中被趕出; 人追喊他們如賊一般,
Roahina tsy ho eo amin’ ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
6 以致他們住在荒谷之間, 在地洞和巖穴中;
Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
7 在草叢中叫喚, 在荊棘下聚集。
Minananana eny amin’ ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ ny amiana.
8 這都是愚頑下賤人的兒女; 他們被鞭打,趕出境外。
Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany.
9 現在這些人以我為歌曲, 以我為笑談。
Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
10 他們厭惡我,躲在旁邊站着, 不住地吐唾沫在我臉上。
Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
11 鬆開他們的繩索苦待我, 在我面前脫去轡頭。
Fa noketrahin’ Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’ iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
12 這等下流人在我右邊起來, 推開我的腳,築成戰路來攻擊我。
Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
13 這些無人幫助的, 毀壞我的道,加增我的災。
Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
14 他們來如同闖進大破口, 在毀壞之間滾在我身上。
Toy ny fiditra eo amin’ ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ ny voarava no imaonany.
15 驚恐臨到我, 驅逐我的尊榮如風; 我的福祿如雲過去。
Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
16 現在我心極其悲傷; 困苦的日子將我抓住。
Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ ny andro fahoriana aho.
17 夜間,我裏面的骨頭刺我, 疼痛不止,好像齦我。
Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
18 因上帝的大力,我的外衣污穢不堪, 又如裏衣的領子將我纏住。
Noho ny haben’ ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
19 上帝把我扔在淤泥中, 我就像塵土和爐灰一般。
Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
20 主啊,我呼求你,你不應允我; 我站起來,你就定睛看我。
Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
21 你向我變心,待我殘忍, 又用大能追逼我,
Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ ny tananao no andrafianao ahy.
22 把我提在風中,使我駕風而行, 又使我消滅在烈風中。
Aingainao ho eny amin’ ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
23 我知道要使我臨到死地, 到那為眾生所定的陰宅。
Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra.
24 然而,人仆倒豈不伸手? 遇災難豈不求救呢?
Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza?
25 人遭難,我豈不為他哭泣呢? 人窮乏,我豈不為他憂愁呢?
Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
26 我仰望得好處,災禍就到了; 我等待光明,黑暗便來了。
Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
27 我心裏煩擾不安, 困苦的日子臨到我身。
Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
28 我沒有日光就哀哭行去; 我在會中站着求救。
Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona.
29 我與野狗為弟兄, 與鴕鳥為同伴。
Rahalahin’ ny amboadia aho Ary naman’ ny ostritsa.
30 我的皮膚黑而脫落; 我的骨頭因熱燒焦。
Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.
31 所以,我的琴音變為悲音; 我的簫聲變為哭聲。
Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ ny mitomany ny sodiko.

< 約伯記 30 >