< 以賽亞書 55 >

1 你們一切乾渴的都當就近水來; 沒有銀錢的也可以來。 你們都來,買了吃; 不用銀錢,不用價值, 也來買酒和奶。
He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
2 你們為何花錢買那不足為食物的? 用勞碌得來的買那不使人飽足的呢? 你們要留意聽我的話就能吃那美物, 得享肥甘,心中喜樂。
Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
3 你們當就近我來; 側耳而聽,就必得活。 我必與你們立永約, 就是應許大衛那可靠的恩典。
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
4 我已立他作萬民的見證, 為萬民的君王和司令。
Indro, nataoko vavolombelona ho an’ ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ ny firenena.
5 你素不認識的國民,你也必召來; 素不認識你的國民也必向你奔跑, 都因耶和華-你的上帝以色列的聖者, 因為他已經榮耀你。
Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
6 當趁耶和華可尋找的時候尋找他, 相近的時候求告他。
Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
7 惡人當離棄自己的道路; 不義的人當除掉自己的意念。 歸向耶和華,耶和華就必憐恤他; 當歸向我們的上帝,因為上帝必廣行赦免。
Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
8 耶和華說:我的意念非同你們的意念; 我的道路非同你們的道路。
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
9 天怎樣高過地, 照樣,我的道路高過你們的道路; 我的意念高過你們的意念。
Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
10 雨雪從天而降,並不返回, 卻滋潤地土,使地上發芽結實, 使撒種的有種,使要吃的有糧。
Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ ny mpamafy sy hanina ho an’ ny mpihinana,
11 我口所出的話也必如此, 決不徒然返回, 卻要成就我所喜悅的, 在我發他去成就的事上必然亨通。
Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’ izay ampandehanako azy.
12 你們必歡歡喜喜而出來, 平平安安蒙引導。 大山小山必在你們面前發聲歌唱; 田野的樹木也都拍掌。
Fa amin’ ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.
13 松樹長出,代替荊棘; 番石榴長出,代替蒺藜。 這要為耶和華留名, 作為永遠的證據,不能剪除。
Ny hazo kypreso haniry ho solon’ ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ ny sampivato; ary ho anarana ho an’ i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.

< 以賽亞書 55 >