< 以賽亞書 52 >

1 錫安哪,興起!興起! 披上你的能力! 聖城耶路撒冷啊,穿上你華美的衣服! 因為從今以後, 未受割禮、不潔淨的必不再進入你中間。
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
2 耶路撒冷啊,要抖下塵土! 起來坐在位上! 錫安被擄的居民哪, 要解開你頸項的鎖鍊!
Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
3 耶和華如此說:「你們是無價被賣的,也必無銀被贖。
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
4 主耶和華如此說:起先我的百姓下到埃及,在那裏寄居,又有亞述人無故欺壓他們。
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ ny oloko tamin’ ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
5 耶和華說:我的百姓既是無價被擄去,如今我在這裏做甚麼呢?耶和華說:轄制他們的人呼叫,我的名整天受褻瀆。
Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
6 所以,我的百姓必知道我的名;到那日他們必知道說這話的就是我。看哪,是我!」
Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’ izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.
7 那報佳音,傳平安, 報好信,傳救恩的, 對錫安說:你的上帝作王了! 這人的腳登山何等佳美!
Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
8 聽啊,你守望之人的聲音, 他們揚起聲來,一同歌唱; 因為耶和華歸回錫安的時候, 他們必親眼看見。
Injany ny feon’ ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’ i Jehovah ho any Ziona.
9 耶路撒冷的荒場啊, 要發起歡聲,一同歌唱; 因為耶和華安慰了他的百姓, 救贖了耶路撒冷。
Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.
10 耶和華在萬國眼前露出聖臂; 地極的人都看見我們上帝的救恩了。
Jehovah efa nampiseho ny sandriny masìna teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika.
11 你們離開吧!離開吧! 從巴比倫出來。 不要沾不潔淨的物; 要從其中出來。 你們扛抬耶和華器皿的人哪, 務要自潔。
Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’ i Jehovah.
12 你們出來必不致急忙, 也不致奔逃。 因為,耶和華必在你們前頭行; 以色列的上帝必作你們的後盾。
Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
13 我的僕人行事必有智慧, 必被高舉上升, 且成為至高。
Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
14 許多人因他驚奇; 他的面貌比別人憔悴; 他的形容比世人枯槁。
Fa toy ny nigagan’ ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona),
15 這樣,他必洗淨許多國民; 君王要向他閉口。 因所未曾傳與他們的,他們必看見; 未曾聽見的,他們要明白。
Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.

< 以賽亞書 52 >