< 以賽亞書 50 >

1 耶和華如此說: 我休你們的母親, 休書在哪裏呢? 我將你們賣給我哪一個債主呢? 你們被賣,是因你們的罪孽; 你們的母親被休,是因你們的過犯。
Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
2 我來的時候,為何無人等候呢? 我呼喚的時候,為何無人答應呢? 我的膀臂豈是縮短、不能救贖嗎? 我豈無拯救之力嗎? 看哪,我一斥責,海就乾了; 我使江河變為曠野; 其中的魚因無水腥臭,乾渴而死。
Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ ny rano sady matin-ketaheta.
3 我使諸天以黑暗為衣服, 以麻布為遮蓋。
Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
4 主耶和華賜我受教者的舌頭, 使我知道怎樣用言語扶助疲乏的人。 主每早晨提醒, 提醒我的耳朵, 使我能聽,像受教者一樣。
Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay
5 主耶和華開通我的耳朵; 我並沒有違背,也沒有退後。
Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
6 人打我的背,我任他打; 人拔我腮頰的鬍鬚,我由他拔; 人辱我,吐我,我並不掩面。
Ny lamosiko natolotro ho amin’ ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’ izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ ny henatra sy ny rora.
7 主耶和華必幫助我, 所以我不抱愧。 我硬着臉面好像堅石; 我也知道我必不致蒙羞。
Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
8 稱我為義的與我相近; 誰與我爭論, 可以與我一同站立; 誰與我作對, 可以就近我來。
Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
9 主耶和華要幫助我; 誰能定我有罪呢? 他們都像衣服漸漸舊了, 為蛀蟲所咬。
Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ ny kalalao izy.
10 你們中間誰是敬畏耶和華、 聽從他僕人之話的? 這人行在暗中,沒有亮光。 當倚靠耶和華的名, 仗賴自己的上帝。
Iza aminareo no matahotra an’ i Jehovah ka mihaino ny feon’ ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran’ i Jehovah sy hiankina amin’ Andriamaniny.
11 凡你們點火,用火把圍繞自己的 可以行在你們的火焰裏, 並你們所點的火把中。 這是我手所定的: 你們必躺在悲慘之中。
He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’ afo manodidina anareo, mandehana amin’ ny lelafonareo sy amin’ ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ ny tanako: Handry amin’ ny fahoriana ianareo.

< 以賽亞書 50 >