< 以賽亞書 48 >

1 雅各家,稱為以色列名下, 從猶大水源出來的,當聽我言! 你們指着耶和華的名起誓, 提說以色列的上帝, 卻不憑誠實,不憑公義。
Mihainoa, ry taranak’ i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ ny anaran’ Isiraely sy avy amin’ ny loharanon’ i Joda, ianareo izay mianiana amin’ ny anaran’ i Jehovah ary mankalaza ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
2 他們自稱為聖城的人, 所倚靠的是 名為萬軍之耶和華-以色列的上帝。
Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
3 主說:早先的事,我從古時說明, 已經出了我的口, 也是我所指示的; 我忽然行做,事便成就。
Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
4 因為我素來知道你是頑梗的- 你的頸項是鐵的; 你的額是銅的。
Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
5 所以,我從古時將這事給你說明, 在未成以先指示你, 免得你說:這些事是我的偶像所行的, 是我雕刻的偶像和我鑄造的偶像所命定的。
Dia nambarako taminao hatramin’ ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina no nandidy izany.
6 你已經聽見,現在要看見這一切; 你不說明嗎? 從今以後,我將新事, 就是你所不知道的隱密事指示你。
Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’ izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
7 這事是現今造的,並非從古就有; 在今日以先,你也未曾聽見, 免得你說:這事我早已知道了。
Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin’ ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan’ ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
8 你未曾聽見,未曾知道; 你的耳朵從來未曾開通。 我原知道你行事極其詭詐, 你自從出胎以來, 便稱為悖逆的。
Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin’ ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
9 我為我的名暫且忍怒, 為我的頌讚向你容忍, 不將你剪除。
Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
10 我熬煉你,卻不像熬煉銀子; 你在苦難的爐中,我揀選你。
Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin’ ny memy fahoriana Aho.
11 我為自己的緣故必行這事, 我焉能使我的名被褻瀆? 我必不將我的榮耀歸給假神。
Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
12 雅各-我所選召的以色列啊, 當聽我言: 我是耶和華, 我是首先的,也是末後的。
Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
13 我手立了地的根基; 我右手鋪張諸天; 我一招呼便都立住。
Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin’ ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.
14 你們都當聚集而聽, 他們內中誰說過這些事? 耶和華所愛的人必向巴比倫行他所喜悅的事; 他的膀臂也要加在迦勒底人身上。
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’ i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’ i Babylona ary ny sandriny ho amin’ ny Kaldeana.
15 惟有我曾說過,我又選召他, 領他來,他的道路就必亨通。
Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
16 你們要就近我來聽這話: 我從起頭並未曾在隱密處說話; 自從有這事,我就在那裏。 現在,主耶和華差遣我和他的靈來。
Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin’ ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
17 耶和華-你的救贖主, 以色列的聖者如此說: 我是耶和華-你的上帝, 教訓你,使你得益處, 引導你所當行的路。
Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ ny lalana tokony halehanao.
18 甚願你素來聽從我的命令! 你的平安就如河水; 你的公義就如海浪。
Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao,
19 你的後裔也必多如海沙; 你腹中所生的也必多如沙粒。 他的名在我面前必不剪除, 也不滅絕。
Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
20 你們要從巴比倫出來, 從迦勒底人中逃脫, 以歡呼的聲音傳揚說: 耶和華救贖了他的僕人雅各! 你們要將這事宣揚到地極。
Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ ny Kaldeana; torio amin’ ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ ny faran’ ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba mpanompony.
21 耶和華引導他們經過沙漠。 他們並不乾渴; 他為他們使水從磐石而流, 分裂磐石,水就湧出。
Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
22 耶和華說: 惡人必不得平安!
Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.

< 以賽亞書 48 >