< 以賽亞書 45 >

1 我-耶和華所膏的塞魯士; 我攙扶他的右手, 使列國降伏在他面前。 我也要放鬆列王的腰帶, 使城門在他面前敞開, 不得關閉。 我對他如此說:
Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
2 我必在你前面行, 修平崎嶇之地。 我必打破銅門, 砍斷鐵閂。
Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
3 我要將暗中的寶物和隱密的財寶賜給你, 使你知道提名召你的, 就是我-耶和華、以色列的上帝。
Dia homeko anao ny rakitra ao amin’ ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.
4 因我僕人雅各, 我所揀選以色列的緣故, 我就提名召你; 你雖不認識我, 我也加給你名號。
Noho ny amin’ i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin’ ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
5 我是耶和華,在我以外並沒有別神; 除了我以外再沒有上帝。 你雖不認識我, 我必給你束腰。
Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
6 從日出之地到日落之處 使人都知道除了我以外,沒有別神。 我是耶和華; 在我以外並沒有別神。
Mba hahafantarana hatrany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatrany amin’ ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
7 我造光,又造暗; 我施平安,又降災禍; 造作這一切的是我-耶和華。
Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
8 諸天哪,自上而滴, 穹蒼降下公義; 地面開裂,產出救恩, 使公義一同發生; 這都是我-耶和華所造的。
Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin’ ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin’ izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
9 禍哉,那與造他的主爭論的! 他不過是地上瓦片中的一塊瓦片。 泥土豈可對摶弄它的說:你做甚麼呢? 所做的物豈可說:你沒有手呢?
Lozan’ izay miady amin’ ny namorona azy! Tavim-bilany isan’ ny tavim-bilany amin’ ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
10 禍哉,那對父親說: 你生的是甚麼呢? 或對母親說: 你產的是甚麼呢?
Lozan’ izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao?
11 耶和華-以色列的聖者, 就是造就以色列的如此說: 將來的事,你們可以問我; 至於我的眾子,並我手的工作, 你們可以求我命定。
Izao no lazan’ i Jehovah ny Iray Masin’ ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
12 我造地,又造人在地上。 我親手鋪張諸天; 天上萬象也是我所命定的。
Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.
13 我憑公義興起塞魯士, 又要修直他一切道路。 他必建造我的城, 釋放我被擄的民; 不是為工價,也不是為賞賜。 這是萬軍之耶和華說的。
Izaho no nanaitra azy io tamin’ ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
14 耶和華如此說: 埃及勞碌得來的和古實的貨物必歸你; 身量高大的西巴人必投降你,也要屬你。 他們必帶着鎖鍊過來隨從你, 又向你下拜,祈求你說: 上帝真在你們中間,此外再沒有別神; 再沒有別的上帝。
Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
15 救主-以色列的上帝啊, 你實在是自隱的上帝。
Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
16 凡製造偶像的都必抱愧蒙羞, 都要一同歸於慚愧。
Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra,
17 惟有以色列必蒙耶和華的拯救, 得永遠的救恩。 你們必不蒙羞,也不抱愧, 直到永世無盡。
Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
18 創造諸天的耶和華, 製造成全大地的上帝, 他創造堅定大地, 並非使地荒涼, 是要給人居住。 他如此說: 我是耶和華,再沒有別神。
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.
19 我沒有在隱密黑暗之地說話; 我沒有對雅各的後裔說: 你們尋求我是徒然的。 我-耶和華所講的是公義, 所說的是正直。
Tsy tao amin’ ny mangingina, dia tao amin’ ny fitoera-maizina amin’ ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak’ i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
20 你們從列國逃脫的人, 要一同聚集前來。 那些抬着雕刻木偶、 禱告不能救人之神的, 毫無知識。
Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’ izay andriamanitra tsy mahavonjy.
21 你們要述說陳明你們的理, 讓他們彼此商議。 誰從古時指明? 誰從上古述說? 不是我-耶和華嗎? 除了我以外,再沒有上帝; 我是公義的上帝,又是救主; 除了我以外,再沒有別神。
Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
22 地極的人都當仰望我, 就必得救; 因為我是上帝,再沒有別神。
Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.
23 我指着自己起誓, 我口所出的話是憑公義,並不反回: 萬膝必向我跪拜; 萬口必憑我起誓。
Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin’ ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan’ ny lohalika rehetra, sy hianianan’ ny lela rehetra hoe:
24 人論我說, 公義、能力,惟獨在乎耶和華; 人都必歸向他。 凡向他發怒的必至蒙羞。
Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
25 以色列的後裔都必因耶和華得稱為義, 並要誇耀。
Ao amin’ i Jehovah no hanamarinana ny taranak’ Isiraely rehetra sy hananany rehareha.

< 以賽亞書 45 >