< 以賽亞書 13 >

1 亞摩斯的兒子以賽亞得默示,論巴比倫。
Faminaniana hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny loza hanjo an’ i Babylona.
2 應當在淨光的山豎立大旗, 向群眾揚聲招手, 使他們進入貴冑的門。
Manangàna faneva eo an-tampon’ izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin’ ny vavahadin’ ireo mpanapaka.
3 我吩咐我所挑出來的人; 我招呼我的勇士- 就是那矜誇高傲之輩, 為要成就我怒中所定的。
Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
4 山間有多人的聲音, 好像是大國人民。 有許多國的民聚集鬨嚷的聲音; 這是萬軍之耶和華點齊軍隊,預備打仗。
Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ ny fanjakan’ ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ ny maro, no manomana miaramila hiady,
5 他們從遠方來, 從天邊來, 就是耶和華並他惱恨的兵器 要毀滅這全地。
Izay avy any amin’ ny tany lavitra, any amin’ ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan’ ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
6 你們要哀號, 因為耶和華的日子臨近了! 這日來到, 好像毀滅從全能者來到。
Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
7 所以,人手都必軟弱; 人心都必消化。
Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra;
8 他們必驚惶悲痛; 愁苦必將他們抓住。 他們疼痛,好像產難的婦人一樣, 彼此驚奇相看,臉如火焰。
Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
9 耶和華的日子臨到, 必有殘忍、忿恨、烈怒, 使這地荒涼, 從其中除滅罪人。
Indro, avy ny andron’ i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
10 天上的眾星群宿都不發光; 日頭一出就變黑暗; 月亮也不放光。
Fa ny kintan’ ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin’ ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
11 我必因邪惡刑罰世界, 因罪孽刑罰惡人, 使驕傲人的狂妄止息, 制伏強暴人的狂傲。
Ary hatsingeriko amin’ izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan’ ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan’ ny mpampahory.
12 我必使人比精金還少, 使人比俄斐純金更少。
Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
13 我-萬軍之耶和華在忿恨中發烈怒的日子, 必使天震動, 使地搖撼,離其本位。
Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin’ ny fitoerany noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy noho ny andro firehetan’ ny fahatezerany.
14 人必像被追趕的鹿, 像無人收聚的羊, 各歸回本族, 各逃到本土。
Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman’ osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin’ ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin’ ny taniny avy izy.
15 凡被仇敵追上的必被刺死; 凡被捉住的必被刀殺。
Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon’ ny sabatra.
16 他們的嬰孩必在他們眼前摔碎; 他們的房屋必被搶奪; 他們的妻子必被玷污。
Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.
17 我必激動米底亞人來攻擊他們。 米底亞人不注重銀子, 也不喜愛金子。
Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
18 他們必用弓擊碎少年人, 不憐憫婦人所生的, 眼也不顧惜孩子。
Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran’ ny masony.
19 巴比倫素來為列國的榮耀, 為迦勒底人所矜誇的華美, 必像上帝所傾覆的所多瑪、蛾摩拉一樣。
Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan’ ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora;
20 其內必永無人煙, 世世代代無人居住。 阿拉伯人也不在那裏支搭帳棚; 牧羊的人也不使羊群臥在那裏。
Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
21 只有曠野的走獸臥在那裏; 咆哮的獸滿了房屋。 鴕鳥住在那裏; 野山羊在那裏跳舞。
Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,
22 豺狼必在它宮中呼號; 野狗必在它華美殿內吼叫。 巴比倫受罰的時候臨近; 它的日子必不長久。
Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin’ ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.

< 以賽亞書 13 >