< 以賽亞書 7 >

1 烏西雅的孫子、約坦的兒子、猶大王亞哈斯在位的時候,亞蘭王利汛和利瑪利的兒子、以色列王比加上來攻打耶路撒冷,卻不能攻取。
Ary tamin’ ny andron’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’ i Syria, sy Pelza, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, hanafika an’ i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
2 有人告訴大衛家說:「亞蘭與以法蓮已經同盟。」王的心和百姓的心就都跳動,好像林中的樹被風吹動一樣。
Dia nambara tamin’ ny taranak’ i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon’ ny vahoakany toy ny firondronan’ ny hazo any an’ ala, raha asian’ ny rivotra.
3 耶和華對以賽亞說:「你和你的兒子施亞雅述出去,到上池的水溝頭,在漂布地的大路上,去迎接亞哈斯,
Ary hoy Jehovah tamin’ Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’ i Ahaza eo amin’ ny faran’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, eo amin’ ny lalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba,
4 對他說:『你要謹慎安靜,不要因亞蘭王利汛和利瑪利的兒子這兩個冒煙的火把頭所發的烈怒害怕,也不要心裏膽怯。
ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’ i Remalia.
5 因為亞蘭和以法蓮,並利瑪利的兒子,設惡謀害你,
Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak’ i Remalia ka nanao hoe:
6 說:我們可以上去攻擊猶大,擾亂它,攻破它,在其中立他比勒的兒子為王。
Andeha isika hananika an’ i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’ i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
7 所以主耶和華如此說: 這所謀的必立不住, 也不得成就。
Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
8 原來亞蘭的首城是大馬士革; 大馬士革的首領是利汛。 (六十五年之內,以法蓮必然破壞,不再成為國民。)
Fa ny lohan’ i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’ i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
9 以法蓮的首城是撒馬利亞; 撒馬利亞的首領是利瑪利的兒子。 你們若是不信, 定然不得立穩。』」
Ary ny lohan’ i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan’ i Samaria dia ny zanak’ i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
10 耶和華又曉諭亞哈斯說:
Ary Jehovah mbola niteny tamin’ i Ahaza ihany ka nanao hoe:
11 「你向耶和華-你的上帝求一個兆頭:或求顯在深處,或求顯在高處。」 (Sheol h7585)
Mangataha famantarana amin’ i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ ny lalina ambany, na ho avy amin’ ny avo ambony. (Sheol h7585)
12 亞哈斯說:「我不求;我不試探耶和華。」
Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’ i Jehovah
13 以賽亞說:「大衛家啊,你們當聽!你們使人厭煩豈算小事,還要使我的上帝厭煩嗎?
Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’ i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’ Andriamanitro koa ianareo?
14 因此,主自己要給你們一個兆頭,必有童女懷孕生子,給他起名叫以馬內利。
Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
15 到他曉得棄惡擇善的時候,他必吃奶油與蜂蜜。
Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
16 因為在這孩子還不曉得棄惡擇善之先,你所憎惡的那二王之地必致見棄。
Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin’ ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
17 耶和華必使亞述王攻擊你的日子臨到你和你的百姓,並你的父家,自從以法蓮離開猶大以來,未曾有這樣的日子。
Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ ny andro nialan’ i Efraima tamin’ ny Joda (Dia ny mpanjakan’ i Asyria);
18 「那時,耶和華要發嘶聲,使埃及江河源頭的蒼蠅和亞述地的蜂子飛來;
Ary amin’ izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ ny faran’ ny onin’ i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin’ ny tany Asyria;
19 都必飛來,落在荒涼的谷內、磐石的穴裏,和一切荊棘籬笆中,並一切的草場上。
Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ ny saha fiandrasana rehetra.
20 「那時,主必用大河外賃的剃頭刀,就是亞述王,剃去頭髮和腳上的毛,並要剃淨鬍鬚。
Amin’ izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin’ ny hareza nohofana any amoron’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin’ iny koa.
21 「那時,一個人要養活一隻母牛犢,兩隻母綿羊;
Ary amin’ izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
22 因為出的奶多,他就得吃奶油,在境內所剩的人都要吃奶油與蜂蜜。
Ary noho ny haben’ ny ronono azo avy amin’ ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ ny olona sisa rehetra ao amin’ ny tany.
23 「從前,凡種一千棵葡萄樹、值銀一千舍客勒的地方,到那時必長荊棘和蒺藜。
Ary amin’ Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
24 人上那裏去,必帶弓箭,因為遍地滿了荊棘和蒺藜。
Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin’ izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
25 所有用鋤刨挖的山地,你因怕荊棘和蒺藜,不敢上那裏去;只可成了放牛之處,為羊踐踏之地。」
Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin’ ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan’ ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’ osy izany.

< 以賽亞書 7 >