< 創世記 37 >

1 雅各住在迦南地,就是他父親寄居的地。
Ary Jakoba nonina tany amin’ ny tany fivahinian’ ny rainy, dia tany amin’ ny tany Kanana.
2 雅各的記略如下。 約瑟十七歲與他哥哥們一同牧羊。他是個童子,與他父親的妾辟拉、悉帕的兒子們常在一處。約瑟將他哥哥們的惡行報給他們的父親。
Ary izao no tantaran’ i Jakoba: Rehefa fito ambin’ ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin’ ny zanak’ i Bila sy ny zanak’ i Zilpa, vadin’ i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
3 以色列原來愛約瑟過於愛他的眾子,因為約瑟是他年老生的;他給約瑟做了一件彩衣。
Ary tian’ Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
4 約瑟的哥哥們見父親愛約瑟過於愛他們,就恨約瑟,不與他說和睦的話。
Ary nony hitan’ ny rahalahiny fa Josefa no tian’ ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
5 約瑟做了一夢,告訴他哥哥們,他們就越發恨他。
Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin’ ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
6 約瑟對他們說:「請聽我所做的夢:
Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
7 我們在田裏捆禾稼,我的捆起來站着,你們的捆來圍着我的捆下拜。」
Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ ny amboarako.
8 他的哥哥們回答說:「難道你真要作我們的王嗎?難道你真要管轄我們嗎?」他們就因為他的夢和他的話越發恨他。
Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
9 後來他又做了一夢,也告訴他的哥哥們說:「看哪,我又做了一夢,夢見太陽、月亮,與十一個星向我下拜。」
Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ ny folo niankohoka teo anatrehako.
10 約瑟將這夢告訴他父親和他哥哥們,他父親就責備他說:「你做的這是甚麼夢!難道我和你母親、你弟兄果然要來俯伏在地,向你下拜嗎?」
Ary nambarany tamin’ ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao?
11 他哥哥們都嫉妒他,他父親卻把這話存在心裏。
Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
12 約瑟的哥哥們往示劍去放他們父親的羊。
Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin’ ny rainy tany Sekema.
13 以色列對約瑟說:「你哥哥們不是在示劍放羊嗎?你來,我要打發你往他們那裏去。」約瑟說:「我在這裏。」
Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho.
14 以色列說:「你去看看你哥哥們平安不平安,群羊平安不平安,就回來報信給我」;於是打發他出希伯崙谷,他就往示劍去了。
Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’ osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin’ ny lohasahan’ i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
15 有人遇見他在田野走迷了路,就問他說:「你找甚麼?」
Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
16 他說:「我找我的哥哥們,求你告訴我,他們在何處放羊。」
Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
17 那人說:「他們已經走了,我聽見他們說要往多坍去。」約瑟就去追趕他哥哥們,遇見他們在多坍。
Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
18 他們遠遠地看見他,趁他還沒有走到跟前,大家就同謀要害死他,
Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
19 彼此說:「你看!那做夢的來了。
Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
20 來吧!我們將他殺了,丟在一個坑裏,就說有惡獸把他吃了。我們且看他的夢將來怎麼樣。」
Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin’ ny anankiray amin’ ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin’ ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin’ izany na hanao ahoana ny nofiny.
21 呂便聽見了,要救他脫離他們的手,說:「我們不可害他的性命」;
Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin’ ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
22 又說:「不可流他的血,可以把他丟在這野地的坑裏,不可下手害他。」呂便的意思是要救他脫離他們的手,把他歸還他的父親。
Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin’ io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin’ ny tanan’ ny rahalahiny hitondrany azy any amin’ ny rainy indray.
23 約瑟到了他哥哥們那裏,他們就剝了他的外衣,就是他穿的那件彩衣,
Ary rehefa tonga teo amin’ ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
24 把他丟在坑裏;那坑是空的,裏頭沒有水。
dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin’ izay, fa tsy nisy rano tao.
25 他們坐下吃飯,舉目觀看,見有一夥 米甸 的以實瑪利人從基列來,用駱駝馱着香料、乳香、沒藥,要帶下埃及去。
Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
26 猶大對眾弟兄說:「我們殺我們的兄弟,藏了他的血有甚麼益處呢?
Ary hoy Joda tamin’ ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
27 我們不如將他賣給以實瑪利人,不可下手害他;因為他是我們的兄弟,我們的骨肉。」眾弟兄就聽從了他。
Andeha hamidintsika amin’ ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
28 有些米甸的商人從那裏經過,哥哥們就把約瑟從坑裏拉上來,講定二十舍客勒銀子,把約瑟賣給以實瑪利人。他們就把約瑟帶到埃及去了。
Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin’ ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin’ ny Isimaelita; ary dia nitondra an’ i Josefa ho any Egypta ireo.
29 呂便回到坑邊,見約瑟不在坑裏,就撕裂衣服,
Dia niverina nankeo amin’ ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
30 回到兄弟們那裏,說:「童子沒有了。我往哪裏去才好呢?」
Dia niverina nankeo amin’ ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
31 他們宰了一隻公山羊,把約瑟的那件彩衣染了血,
Ary nalain’ ireo rahalahiny ilay akanjon’ i Josefa, dia namono zanak’ osy izy, ka natsobony tamin’ ny rà ny akanjo.
32 打發人送到他們的父親那裏,說:「我們撿了這個;請認一認是你兒子的外衣不是?」
Dia nampanateriny ho any amin’ ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon’ ny zanakao ity, na tsia?
33 他認得,就說:「這是我兒子的外衣。有惡獸把他吃了,約瑟被撕碎了!撕碎了!」
Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon’ ny zanako io: efa lanin’ ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
34 雅各便撕裂衣服,腰間圍上麻布,為他兒子悲哀了多日。
Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
35 他的兒女都起來安慰他,他卻不肯受安慰,說:「我必悲哀着下陰間,到我兒子那裏。」約瑟的父親就為他哀哭。 (Sheol h7585)
Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ ny zanako any amin’ ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy. (Sheol h7585)
36 米甸人帶約瑟到埃及,把他賣給法老的內臣-護衛長波提乏。
Ary ny Midianita nivarotra an’ i Josefa tany Egypta tamin’ i Potifara, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina.

< 創世記 37 >