< 創世記 36 >

1 以掃就是以東,他的後代記在下面。
Ary izao no taranak’ i Esao (Edoma izany):
2 以掃娶迦南的女子為妻,就是赫人以倫的女兒亞大和希未人祭便的孫女、亞拿的女兒阿何利巴瑪,
Esao naka vady tamin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, dia Ada, zanak’ i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona Hivita,
3 又娶了以實瑪利的女兒、尼拜約的妹子巴實抹。
ary Basemata, zanakavavin’ Isimaela sady anabavin’ i Nebaiota.
4 亞大給以掃生了以利法;巴實抹生了流珥;
Ary Ada niteraka an’ i Elifaza tamin’ i Esao; ary Basemata niteraka an’ i Regoela;
5 阿何利巴瑪生了耶烏施、雅蘭、可拉。這都是以掃的兒子,是在迦南地生的。
ary Oholibama niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak’ i Esao, izay naterany tany amin’ ny tany Kanana.
6 以掃帶着他的妻子、兒女,與家中一切的人口,並他的牛羊、牲畜,和一切貨財,就是他在迦南地所得的,往別處去,離了他兄弟雅各。
Dia nentin’ i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman’ ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’ izay tany hialana eo anatrehan’ i Jakoba rahalahiny.
7 因為二人的財物群畜甚多,寄居的地方容不下他們,所以不能同居。
Fa samy be loatra ny haren’ izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
8 於是以掃住在西珥山裏;以掃就是以東。
Koa nonina tany an-tendrombohitra Seïra Esao. (Edoma izany).
9 以掃是西珥山裏以東人的始祖,他的後代記在下面。
Ary izao no taranak’ i Esao, rain’ ny Edomita any an-tendrombohitra Seïra:
10 以掃眾子的名字如下。以掃的妻子亞大生以利法;以掃的妻子巴實抹生流珥。
Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Esao dia izao: Elifaza, zanak’ i Ada, vadin’ i Esao, sy Regoela, zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.
11 以利法的兒子是提幔、阿抹、洗玻、迦坦、基納斯。
Ary ny zanakalahin’ i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
12 亭納是以掃兒子以利法的妾;她給以利法生了亞瑪力。這是以掃的妻子亞大的子孫。
Ary Timna no vaditsindranon’ i Elifaza, zanakalahin’ i Esao; ary niteraka an’ i Amaleka tamin’ i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin’ i Ada, vadin’ i Esao.
13 流珥的兒子是拿哈、謝拉、沙瑪、米撒。這是以掃妻子巴實抹的子孫。
Ary izao no zanakalahin’ i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin’ i Basemata, vadin’ i Esao.
14 以掃的妻子阿何利巴瑪是祭便的孫女,亞拿的女兒;她給以掃生了耶烏施、雅蘭、可拉。
Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona, vadin’ i Esao: niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin’ i Esao izy.
15 以掃子孫中作族長的記在下面。以掃的長子以利法的子孫中,有提幔族長、阿抹族長、洗玻族長、基納斯族長、
Izao no loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao: ny zanakalahin’ i Elifaza, lahimatoan’ i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
16 可拉族長、迦坦族長、亞瑪力族長。這是在以東地從以利法所出的族長,都是亞大的子孫。
sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin’ i Elifaza tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Ada.
17 以掃的兒子流珥的子孫中,有拿哈族長、謝拉族長、沙瑪族長、米撒族長。這是在以東地從流珥所出的族長,都是以掃妻子巴實抹的子孫。
Ary izao no zanakalahin’ i Regoela, zanak’ i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Regoela tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.
18 以掃的妻子阿何利巴瑪的子孫中,有耶烏施族長、雅蘭族長、可拉族長。這是從以掃妻子,亞拿的女兒,阿何利巴瑪子孫中所出的族長。
Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, vadin’ i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, vadin’ i Esao.
19 以上的族長都是以掃的子孫;以掃就是以東。
Ireo no zanak’ i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
20 那地原有的居民-何利人西珥的子孫記在下面:就是羅坍、朔巴、祭便、亞拿、
Ary izao no zanakalahin’ i Seïra Horita, izay nonina tany amin’ ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana
21 底順、以察、底珊。這是從以東地的何利人西珥子孫中所出的族長。
sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny taranak’ i Seïra, tany amin’ ny tany Edoma.
22 羅坍的兒子是何利、希幔;羅坍的妹子是亭納。
Ary ny zanakalahin’ i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin’ i Lotana.
23 朔巴的兒子是亞勒文、瑪拿轄、以巴錄、示玻、阿南。
Ary izao no zanakalahin’ i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
24 祭便的兒子是亞雅、亞拿(當時在曠野放他父親祭便的驢,遇着溫泉的,就是這亞拿)。
Ary izao no zanakalahin’ i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin’ i Zibona rainy izy).
25 亞拿的兒子是底順;亞拿的女兒是阿何利巴瑪。
Ary izao no zanak’ i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin’ i Ana.
26 底順的兒子是欣但、伊是班、益蘭、基蘭。
Ary izao no zanakalahin’ i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
27 以察的兒子是辟罕、撒番、亞干。
Ary izao no zanak’ i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
28 底珊的兒子是烏斯、亞蘭。
Ary izao no zanak’ i Disana: Oza sy Arana.
29 從何利人所出的族長記在下面:就是羅坍族長、朔巴族長、祭便族長、亞拿族長、
Ary izao no loham-pirenena tamin’ ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
30 底順族長、以察族長、底珊族長。這是從何利人所出的族長,都在西珥地,按着宗族作族長。
sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin’ ny tany Seïra.
31 以色列人未有君王治理以先,在以東地作王的記在下面。
Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ ny Zanak’ Isiraely:
32 比珥的兒子比拉在以東作王,他的京城名叫亭哈巴。
Nanjaka tany Edoma Bela, zanak’ i Beora; ary Dinaba no anaran’ ny tanànany.
33 比拉死了,波斯拉人謝拉的兒子約巴接續他作王。
Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak’ i Zera avy tany Bozra.
34 約巴死了,提幔地的人戶珊接續他作王。
Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin’ ny tanin’ ny Temanita.
35 戶珊死了,比達的兒子哈達接續他作王;這哈達就是在摩押地殺敗米甸人的,他的京城名叫亞未得。
Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak’ i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ ny tany Moaba; ary Avita no anaran’ ny tanànany.
36 哈達死了,瑪士利加人桑拉接續他作王。
Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
37 桑拉死了,大河邊的利河伯人掃羅接續他作王。
Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron’ ny Ony.
38 掃羅死了,亞革波的兒子巴勒‧哈南接續他作王。
Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak’ i Akbora.
39 亞革波的兒子巴勒‧哈南死了,哈達接續他作王,他的京城名叫巴烏;他的妻子名叫米希她別,是米‧薩合的孫女,瑪特列的女兒。
Ary maty Bala-hanana, zanak’ i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran’ ny tanànany; ary ny anaran’ ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin’ i Matreda, zanakavavin’ i Me-zahaba.
40 從以掃所出的族長,按着他們的宗族、住處、名字記在下面:就是亭納族長、亞勒瓦族長、耶帖族長、
Ary izao no anaran’ ny loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny
41 阿何利巴瑪族長、以拉族長、比嫩族長、
sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
42 基納斯族長、提幔族長、米比薩族長、
sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny
43 瑪基疊族長、以蘭族長。這是以東人在所得為業的地上,按着他們的住處。(所有的族長都是以東人的始祖以掃的後代。)
sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin’ ny taniny avy. Izany no Esao, rain’ ny Edomita.

< 創世記 36 >