< 創世記 33 >

1 雅各舉目觀看,見以掃來了,後頭跟着四百人,他就把孩子們分開交給利亞、拉結,和兩個使女,
Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin’ i Lea sy Rahely ary ho amin’ ny ankizivavy roa.
2 並且叫兩個使女和她們的孩子在前頭,利亞和她的孩子在後頭,拉結和約瑟在儘後頭。
Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
3 他自己在他們前頭過去,一連七次俯伏在地才就近他哥哥。
Ary Jakoba nandeha teo alohan’ izy rehetra ka niankohoka impito tamin’ ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ ny rahalahiny.
4 以掃跑來迎接他,將他抱住,又摟着他的頸項,與他親嘴,兩個人就哭了。
Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.
5 以掃舉目看見婦人孩子,就說:「這些和你同行的是誰呢?」雅各說:「這些孩子是上帝施恩給你的僕人的。」
Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen’ Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
6 於是兩個使女和她們的孩子前來下拜;
Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
7 利亞和她的孩子也前來下拜;隨後約瑟和拉結也前來下拜。
Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.
8 以掃說:「我所遇見的這些群畜是甚麼意思呢?」雅各說:「是要在我主面前蒙恩的。」
Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr’ ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ itompokolahy.
9 以掃說:「兄弟啊,我的已經夠了,你的仍歸你吧!」
Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
10 雅各說:「不然,我若在你眼前蒙恩,就求你從我手裏收下這禮物;因為我見了你的面,如同見了上帝的面,並且你容納了我。
Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an’ izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’ Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
11 求你收下我帶來給你的禮物;因為上帝恩待我,使我充足。」雅各再三地求他,他才收下了。
Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
12 以掃說:「我們可以起身前往,我在你前頭走。」
Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
13 雅各對他說:「我主知道孩子們年幼嬌嫩,牛羊也正在乳養的時候,若是催趕一天,群畜都必死了。
Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’ itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman’ osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman’ osy rehetra.
14 求我主在僕人前頭走,我要量着在我面前群畜和孩子的力量慢慢地前行,直走到西珥我主那裏。」
Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian’ ny omby aman’ ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian’ ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ itompokolahy any Seïra.
15 以掃說:「容我把跟隨我的人留幾個在你這裏。」雅各說:「何必呢?只要在我主眼前蒙恩就是了。」
Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’ itompokolahy aho.
16 於是,以掃當日起行,回往西珥去了。
Dia niverina androtrizay Esao tamin’ ny lalany ho any Seïra.
17 雅各就往疏割去,在那裏為自己蓋造房屋,又為牲畜搭棚;因此那地方名叫疏割。
Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an’ ny omby aman’ ondriny; izany no nanaovana ny anaran’ io tany io hoe Sokota.
18 雅各從巴旦‧亞蘭回來的時候,平平安安地到了迦南地的示劍城,在城東支搭帳棚,
Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin’ ny tanàna.
19 就用一百塊銀子向示劍的父親、哈抹的子孫買了支帳棚的那塊地,
Dia novidiny vola zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
20 在那裏築了一座壇,起名叫伊利‧伊羅伊‧以色列 。
Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.

< 創世記 33 >