< 創世記 27 >

1 以撒年老,眼睛昏花,不能看見,就叫了他大兒子以掃來,說:「我兒。」以掃說:「我在這裏。」
Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an’ i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
2 他說:「我如今老了,不知道哪一天死。
Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
3 現在拿你的器械,就是箭囊和弓,往田野去為我打獵,
koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
4 照我所愛的做成美味,拿來給我吃,使我在未死之先給你祝福。」
ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
5 以撒對他兒子以掃說話,利百加也聽見了。以掃往田野去打獵,要得野味帶來。
Ary Rebeka nandre an’ Isaka niteny tamin’ i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
6 利百加就對她兒子雅各說:「我聽見你父親對你哥哥以掃說:
Ary Rebeka niteny tamin’ i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin’ i Esao rahalahinao nanao hoe:
7 『你去把野獸帶來,做成美味給我吃,我好在未死之先,在耶和華面前給你祝福。』
Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan’ i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
8 現在,我兒,你要照着我所吩咐你的,聽從我的話。
Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin’ izay asaiko ataonao.
9 你到羊群裏去,給我拿兩隻肥山羊羔來,我便照你父親所愛的給他做成美味。
Mankanesa kely any amin’ ny ondry aman’ osy, ka analao zanak’ osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an’ ny rainao araka ilay tiany izany;
10 你拿到你父親那裏給他吃,使他在未死之先給你祝福。」
ary dia ho entinao any amin’ ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
11 雅各對他母親利百加說:「我哥哥以掃渾身是有毛的,我身上是光滑的;
Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
12 倘若我父親摸着我,必以我為欺哄人的,我就招咒詛,不得祝福。」
ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
13 他母親對他說:「我兒,你招的咒詛歸到我身上;你只管聽我的話,去把羊羔給我拿來。」
Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
14 他便去拿來,交給他母親;他母親就照他父親所愛的做成美味。
Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin’ ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian’ ny rainy.
15 利百加又把家裏所存大兒子以掃上好的衣服給她小兒子雅各穿上,
Ary nalain-dRebeka ny fitafian’ i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an’ i Jakoba zanany faralahy.
16 又用山羊羔皮包在雅各的手上和頸項的光滑處,
Ary ny hoditry ny zanak’ osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin’ ny vozony;
17 就把所做的美味和餅交在她兒子雅各的手裏。
dia natolony teo an-tànan’ i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
18 雅各到他父親那裏說:「我父親!」他說:「我在這裏。我兒,你是誰?」
Ary Jakoba nankany amin’ ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
19 雅各對他父親說:「我是你的長子以掃;我已照你所吩咐我的行了。請起來坐着,吃我的野味,好給我祝福。」
Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
20 以撒對他兒子說:「我兒,你如何找得這麼快呢?」他說:「因為耶和華-你的上帝使我遇見好機會得着的。」
Ary hoy Isaka tamin’ ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
21 以撒對雅各說:「我兒,你近前來,我摸摸你,知道你真是我的兒子以掃不是。」
Ary hoy Isaka tamin’ i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
22 雅各就挨近他父親以撒。以撒摸着他,說:「聲音是雅各的聲音,手卻是以掃的手。」
Ary Jakoba nanatona an’ Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon’ i Jakoba, fa ny tanana dia tànan’ i Esao.
23 以撒就辨不出他來;因為他手上有毛,像他哥哥以掃的手一樣,就給他祝福;
Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan’ i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
24 又說:「你真是我兒子以掃嗎?」他說:「我是。」
Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
25 以撒說:「你遞給我,我好吃我兒子的野味,給你祝福。」雅各就遞給他,他便吃了,又拿酒給他,他也喝了。
Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ ny zanako hihinanako, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
26 他父親以撒對他說:「我兒,你上前來與我親嘴。」
Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
27 他就上前與父親親嘴。他父親一聞他衣服上的香氣,就給他祝福,說: 我兒的香氣 如同耶和華賜福之田地的香氣一樣。
Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon’ ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon’ ny zanako. Dia tahaka ny fofon’ ny saha izay notahin’ i Jehovah.
28 願上帝賜你天上的甘露, 地上的肥土, 並許多五穀新酒。
Ary hanomezan’ Andriamanitra anao anie ny andon’ ny lanitra sy ny tsiron’ ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
29 願多民事奉你, 多國跪拜你。 願你作你弟兄的主; 你母親的兒子向你跪拜。 凡咒詛你的,願他受咒詛; 為你祝福的,願他蒙福。
Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon’ ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
30 以撒為雅各祝福已畢,雅各從他父親那裏才出來,他哥哥以掃正打獵回來,
Ary rehefa vita ny nitsofan’ Isaka rano an’ i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan’ Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
31 也做了美味,拿來給他父親,說:「請父親起來,吃你兒子的野味,好給我祝福。」
Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin’ ny rainy; ary hoy izy tamin’ ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin’ ny hazan’ ny zanany, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
32 他父親以撒對他說:「你是誰?」他說:「我是你的長子以掃。」
Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
33 以撒就大大地戰兢,說:「你未來之先,是誰得了野味拿來給我呢?我已經吃了,為他祝福;他將來也必蒙福。」
Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
34 以掃聽了他父親的話,就放聲痛哭,說:「我父啊,求你也為我祝福!」
Raha vao ren’ i Esao ny tenin’ ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
35 以撒說:「你兄弟已經用詭計來將你的福分奪去了。」
Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
36 以掃說:「他名雅各,豈不是正對嗎?因為他欺騙了我兩次:他從前奪了我長子的名分,你看,他現在又奪了我的福分。」以掃又說:「你沒有留下為我可祝的福嗎?」
Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
37 以撒回答以掃說:「我已立他為你的主,使他的弟兄都給他作僕人,並賜他五穀新酒可以養生。我兒,現在我還能為你做甚麼呢?」
Dia namaly Isaka ka nanao tamin’ i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
38 以掃對他父親說:「父啊,你只有一樣可祝的福嗎?我父啊,求你也為我祝福!」以掃就放聲而哭。
Ary hoy Esao tamin’ ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
39 他父親以撒說: 地上的肥土必為你所住; 天上的甘露必為你所得。
Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin’ ny tsiron’ ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin’ ny andon’ ny lanitra avy any ambony;
40 你必倚靠刀劍度日, 又必事奉你的兄弟; 到你強盛的時候, 必從你頸項上掙開他的軛。
Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin’ izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao.
41 以掃因他父親給雅各祝的福,就怨恨雅各,心裏說:「為我父親居喪的日子近了,到那時候,我要殺我的兄弟雅各。」
Ary Esao nanao fo-lentika tamin’ i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ ikaky, dia hamono an’ i Jakoba rahalahiko aho.
42 有人把利百加大兒子以掃的話告訴利百加,她就打發人去,叫了她小兒子雅各來,對他說:「你哥哥以掃想要殺你,報仇雪恨。
Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin’ i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an’ i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
43 現在,我兒,你要聽我的話:起來,逃往哈蘭、我哥哥拉班那裏去,
Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin’ i Labana anadahiko.
44 同他住些日子,直等你哥哥的怒氣消了。
Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran’ ny rahalahinao,
45 你哥哥向你消了怒氣,忘了你向他所做的事,我便打發人去把你從那裏帶回來。為甚麼一日喪你們二人呢?」
eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran’ ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?
46 利百加對以撒說:「我因這赫人的女子連性命都厭煩了;倘若雅各也娶赫人的女子為妻,像這些一樣,我活着還有甚麼益處呢?」
Ary hoy Rebeka tamin’ Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ ny Hetita; raha maka vady amin’ ny zanakavavin’ ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin’ ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko?

< 創世記 27 >