< 創世記 11 >

1 那時,天下人的口音、言語都是一樣。
Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
2 他們往東邊遷移的時候,在示拿地遇見一片平原,就住在那裏。
Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ ny tany Sinara izy ka nonina teo.
3 他們彼此商量說:「來吧!我們要做磚,把磚燒透了。」他們就拿磚當石頭,又拿石漆當灰泥。
Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
4 他們說:「來吧!我們要建造一座城和一座塔,塔頂通天,為要傳揚我們的名,免得我們分散在全地上。」
Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ ny tany rehetra isika.
5 耶和華降臨,要看看世人所建造的城和塔。
Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ ny zanak’ olombelona.
6 耶和華說:「看哪,他們成為一樣的人民,都是一樣的言語,如今既做起這事來,以後他們所要做的事就沒有不成就的了。
Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
7 我們下去,在那裏變亂他們的口音,使他們的言語彼此不通。」
Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
8 於是耶和華使他們從那裏分散在全地上;他們就停工,不造那城了。
Dia tao no nampielezan’ i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
9 因為耶和華在那裏變亂天下人的言語,使眾人分散在全地上,所以那城名叫巴別。
Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’ i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ ny tany rehetra.
10 閃的後代記在下面。洪水以後二年,閃一百歲生了亞法撒。
Izao no taranak’ i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an’ i Arpaksada izy roa taona taorian’ ny safo-drano.
11 閃生亞法撒之後又活了五百年,並且生兒養女。
Ary ny andro niainan’ i Sema taorian’ ny niterahany an’ i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
12 亞法撒活到三十五歲,生了沙拉。
Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Arpaksada, dia niteraka an’ i Sela izy.
13 亞法撒生沙拉之後又活了四百零三年,並且生兒養女。
Ary ny andro niainan’ i Arpaksada taorian’ ny niterahany an’ i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14 沙拉活到三十歲,生了希伯。
Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Sela, dia niteraka an’ i Ebera izy.
15 沙拉生希伯之後又活了四百零三年,並且生兒養女。
Ary ny andro niainan’ i Sela taorian’ ny niterahany an’ i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
16 希伯活到三十四歲,生了法勒。
Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Ebera, dia niteraka an’ i Palega izy.
17 希伯生法勒之後又活了四百三十年,並且生兒養女。
Ary ny andro niainan’ i Ebera taorian’ ny niterahany an’ i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
18 法勒活到三十歲,生了拉吳。
Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
19 法勒生拉吳之後又活了二百零九年,並且生兒養女。
Ary ny andro niainan’ i Palega taorian’ ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20 拉吳活到三十二歲,生了西鹿。
Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an’ i Seroga izy.
21 拉吳生西鹿之後又活了二百零七年,並且生兒養女。
Ary ny andro niainan-dReo taorian’ ny niterahany an’ i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
22 西鹿活到三十歲,生了拿鶴。
Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Seroga, dia niteraka an’ i Nahora izy,
23 西鹿生拿鶴之後又活了二百年,並且生兒養女。
Ary ny andro niainan’ i Seroga taorian’ ny niterahany an’ i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
24 拿鶴活到二十九歲,生了他拉。
Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan’ i Nahora, dia niteraka an’ i Tera izy.
25 拿鶴生他拉之後又活了一百一十九年,並且生兒養女。
Ary ny andro niainan’ i Nahora taorian’ ny niterahany an’ i Tera dia sivy ambin’ ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
26 他拉活到七十歲,生了亞伯蘭、拿鶴、哈蘭。
Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Tera, dia niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
27 他拉的後代記在下面。他拉生亞伯蘭、拿鶴、哈蘭;哈蘭生羅得。
Ary izao no taranak’ i Tera: Tera niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an’ i Lota.
28 哈蘭死在他的本地迦勒底的吾珥,在他父親他拉之先。
Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan’ i Tera rainy tany amin’ ny tany nahaterahany, dia tao Oran’ ny Kaldeana.
29 亞伯蘭、拿鶴各娶了妻:亞伯蘭的妻子名叫撒萊;拿鶴的妻子名叫密迦,是哈蘭的女兒;哈蘭是密迦和亦迦的父親。
Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ ny vadin’ i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ ny vadin’ i Nahora dia Milka, zanakavavin’ i Harana, rain’ i Milka sy rain’ Iska.
30 撒萊不生育,沒有孩子。
Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
31 他拉帶着他兒子亞伯蘭和他孫子哈蘭的兒子羅得,並他兒婦亞伯蘭的妻子撒萊,出了迦勒底的吾珥,要往迦南地去;他們走到哈蘭,就住在那裏。
Ary Tera nitondra an’ i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’ i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’ i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ ny Kaldeana hankany amin’ ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
32 他拉共活了二百零五歲,就死在哈蘭。
Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan’ i Tera; dia maty tao Harana izy.

< 創世記 11 >