< 以西結書 7 >

1 耶和華的話又臨到我說:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 「人子啊,主耶和華對以色列地如此說:結局到了,結局到了地的四境!
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tanin’ ny Isiraely: Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany ho amin’ ny vazan-tany efatra.
3 現在你的結局已經臨到,我必使我的怒氣歸與你,也必按你的行為審判你,照你一切可憎的事刑罰你。
Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
4 我眼必不顧惜你,也不可憐你,卻要按你所行的報應你,照你中間可憎的事刑罰你。你就知道我是耶和華。
Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
5 「主耶和華如此說:有一災,獨有一災;看哪,臨近了!
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!
6 結局來了,結局來了,向你興起。看哪,來到了!
Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
7 境內的居民哪,所定的災臨到你,時候到了,日子近了,乃是鬨嚷並非在山上歡呼的日子。
Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin’ ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran’ ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra.
8 我快要將我的忿怒傾在你身上,向你成就我怒中所定的,按你的行為審判你,照你一切可憎的事刑罰你。
Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
9 我眼必不顧惜你,也不可憐你,必按你所行的報應你,照你中間可憎的事刑罰你。你就知道擊打你的是我耶和華。
Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
10 「看哪,看哪,日子快到了;所定的災已經發出!杖已經開花,驕傲已經發芽。
Indro ny andro, indro mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny avonavona!
11 強暴興起,成了罰惡的杖。以色列人,或是他們的群眾,或是他們的財寶,無一存留;他們中間也沒有得尊榮的。
Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.
12 時候到了,日子近了,買主不可歡喜,賣主不可愁煩,因為烈怒已經臨到他們眾人身上。
Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan’ ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
13 賣主雖然存活,卻不能歸回再得所賣的,因為這異象關乎他們眾人。誰都不得歸回,也沒有人在他的罪孽中堅立自己。」
Fa ny mpivarotra tsy hifodian’ izay efa lafony, na dia mbola isan’ ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin’ ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin’ ny helony.
14 「他們已經吹角,預備齊全,卻無一人出戰,因為我的烈怒臨到他們眾人身上。
Efa nitsoka ny trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra, nefa tsy misy mankany amin’ ny ady, satria iharan’ ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.
15 在外有刀劍;在內有瘟疫、饑荒。在田野的,必遭刀劍而死;在城中的,必有饑荒、瘟疫吞滅他。
Ny sabatra no eny ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon’ ny mosary sy ny areti-mandringana.
16 其中所逃脫的就必逃脫,各人因自己的罪孽在山上發出悲聲,好像谷中的鴿子哀鳴。
Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17 手都發軟,膝弱如水。
Hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;
18 要用麻布束腰,被戰兢所蓋;各人臉上羞愧,頭上光禿。
Hisikina lamba fisaonana koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.
19 他們要將銀子拋在街上,金子看如污穢之物。當耶和華發怒的日子,他們的金銀不能救他們,不能使心裏知足,也不能使肚腹飽滿,因為這金銀作了他們罪孽的絆腳石。
Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
20 論到耶和華妝飾華美的殿,他建立得威嚴,他們卻在其中製造可憎可厭的偶像,所以這殿我使他們看如污穢之物。
Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
21 我必將這殿交付外邦人為掠物,交付地上的惡人為擄物;他們也必褻瀆這殿。
Ary hatolotro ho babo eny an-tànan’ ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an’ ny ratsy fanahy amin’ ny tany, ka holotoin’ ireny izy.
22 我必轉臉不顧以色列人,他們褻瀆我隱密之所,強盜也必進去褻瀆。
Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
23 「要製造鎖鍊;因為這地遍滿流血的罪,城邑充滿強暴的事。
Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin’ ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
24 所以,我必使列國中最惡的人來佔據他們的房屋;我必使強暴人的驕傲止息,他們的聖所都要被褻瀆。
Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan’ ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon’ ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masìna.
25 毀滅臨近了;他們要求平安,卻無平安可得。
Ho avy ny fandringanana; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.
26 災害加上災害,風聲接連風聲;他們必向先知求異象,但祭司講的律法、長老設的謀略都必斷絕。
Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin’ ny mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin’ ny mpisorona, na fahendrena amin’ ny anti-panahy.
27 君要悲哀,王要披淒涼為衣,國民的手都發顫。我必照他們的行為待他們,按他們應得的審判他們,他們就知道我是耶和華。」
Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan’ ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.

< 以西結書 7 >