< 以西結書 4 >

1 「人子啊,你要拿一塊磚,擺在你面前,將一座耶路撒冷城畫在其上,
Ary ianao, ry zanak’ olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin’ i Jerosalema;
2 又圍困這城,造臺築壘,安營攻擊,在四圍安設撞錘攻城,
ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
3 又要拿個鐵鏊,放在你和城的中間,作為鐵牆。你要對面攻擊這城,使城被困;這樣,好作以色列家的預兆。
Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ ny taranak’ Isiraely izany.
4 「你要向左側臥,承當以色列家的罪孽;要按你向左側臥的日數,擔當他們的罪孽。
Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely; koa araka ny isan’ ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
5 因為我已將他們作孽的年數定為你向左側臥的日數,就是三百九十日,你要這樣擔當以色列家的罪孽。
Fa Izaho dia manao fetr’ andro ho anao mitovy amin’ ny taonan’ ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak’ Isiraely.
6 再者,你滿了這些日子,還要向右側臥,擔當猶大家的罪孽。我給你定規側臥四十日,一日頂一年。
Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’ i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon’ ny herintaona ho anao.
7 你要露出膀臂,面向被困的耶路撒冷,說預言攻擊這城。
Dia banjino tsara io fahirano an’ i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
8 我用繩索捆綁你,使你不能輾轉,直等你滿了困城的日子。
Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron’ ny fahiranonao.
9 「你要取小麥、大麥、豆子、紅豆、小米、粗麥,裝在一個器皿中,用以為自己做餅;要按你側臥的三百九十日吃這餅。
Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ ny andro izay handrianao amin’ ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy.
10 你所吃的要按分兩吃,每日二十舍客勒,按時而吃。
Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan’ andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
11 你喝水也要按制子,每日喝一欣六分之一,按時而喝。
Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin’ ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
12 你吃這餅像吃大麥餅一樣,要用人糞在眾人眼前燒烤。」
Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
13 耶和華說:「以色列人在我所趕他們到的各國中,也必這樣吃不潔淨的食物。」
Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan’ ny zanak’ Isiraely ny mofony voaloto any amin’ ny firenena izay handroahako azy.
14 我說:「哎!主耶和華啊,我素來未曾被玷污,從幼年到如今沒有吃過自死的,或被野獸撕裂的,那可憎的肉也未曾入我的口。」
Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
15 於是他對我說:「看哪,我給你牛糞代替人糞,你要將你的餅烤在其上。」
Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain’ omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16 他又對我說:「人子啊,我必在耶路撒冷折斷他們的杖,就是斷絕他們的糧。他們吃餅要按分兩,憂慮而吃;喝水也要按制子,驚惶而喝;
Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’ olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan’ aina, ka an-danjany amin’ ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin’ ny fahatahorana.
17 使他們缺糧缺水,彼此驚惶,因自己的罪孽消滅。」
Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.

< 以西結書 4 >