< 以西結書 36 >

1 「人子啊,你要對以色列山發預言說:以色列山哪,要聽耶和華的話。
Ary ianao, ry zanak’ olona, maminania amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin’ i Jehovah:
2 主耶和華如此說:因仇敵說:『阿哈!這永久的山岡都歸我們為業了!』
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola!
3 所以要發預言說,主耶和華如此說:因為敵人使你荒涼,四圍吞吃,好叫你歸與其餘的外邦人為業,並且多嘴多舌的人提起你來,百姓也說你有臭名。
Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin’ ny tany manodidina, ka dia efa lasan’ ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon’ ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin’ ny firenena,
4 故此,以色列山要聽主耶和華的話。大山小岡、水溝山谷、荒廢之地、被棄之城,為四圍其餘的外邦人所佔據、所譏刺的,
Dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin’ ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an’ ny firenena sisa amin’ ny manodidina,
5 主耶和華對你們如此說:我真發憤恨如火,責備那其餘的外邦人和以東的眾人。他們快樂滿懷,心存恨惡,將我的地歸自己為業,又看為被棄的掠物。
Eny, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin’ ny hafalian’ ny fony tokoa sy tamin’ ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
6 所以,你要指着以色列地說預言,對大山小岡、水溝山谷說,主耶和華如此說:我發憤恨和忿怒說,因你們曾受外邦人的羞辱,
Koa maminania ny amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka lazao amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: (Indro, tamin’ ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin’ ny firenena,
7 所以我起誓說:你們四圍的外邦人總要擔當自己的羞辱。這是主耶和華說的。
Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
8 「以色列山哪,你必發枝條,為我的民以色列結果子,因為他們快要來到。
Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an’ ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian’ ireny.
9 看哪,我是幫助你的,也必向你轉意,使你得以耕種。
Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
10 我必使以色列全家的人數在你上面增多,城邑有人居住,荒場再被建造。
Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak’ Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;
11 我必使人和牲畜在你上面加增;他們必生養眾多。我要使你照舊有人居住,並要賜福與你比先前更多,你就知道我是耶和華。
Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin’ ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
12 我必使人,就是我的民以色列,行在你上面。他們必得你為業;你也不再使他們喪子。
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.
13 主耶和華如此說:因為人對你說:『你是吞吃人的,又使國民喪子』,
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,
14 所以主耶和華說:你必不再吞吃人,也不再使國民喪子。
Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
15 我使你不再聽見各國的羞辱,不再受萬民的辱罵,也不再使國民絆跌。這是主耶和華說的。」
Ary hataoko tsy mahare ny latsan’ ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian’ olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.
16 耶和華的話又臨到我說:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
17 「人子啊,以色列家住在本地的時候,在行動作為上玷污那地。他們的行為在我面前,好像正在經期的婦人那樣污穢。
Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely nonina tany amin’ ny taniny, dia nandoto izany tamin’ ny fanaony sy tamin’ ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan’ ny vehivavy mararin’ ny fadim-bolana no fahalotoan’ ny fanaony eo anatrehako.
18 所以我因他們在那地上流人的血,又因他們以偶像玷污那地,就把我的忿怒傾在他們身上。
Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin’ ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin’ ny sampiny.
19 我將他們分散在列國,四散在列邦,按他們的行動作為懲罰他們。
Ary naeliko ho any amin’ ny firenena izy ka nahahaka ho any amin’ ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.
20 他們到了所去的列國,就使我的聖名被褻瀆;因為人談論他們說,這是耶和華的民,是從耶和華的地出來的。
Ary nony tonga tany amin’ ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masìna tamin’ ny nanaovan’ ny olona azy hoe: Ireo no olon’ i Jehovah, nefa niala tamin’ ny tanin’ i Jehovah izy.
21 我卻顧惜我的聖名,就是以色列家在所到的列國中所褻瀆的。
Dia namindrako fo ny anarako masìna, izay nolotoin’ ny taranak’ Isiraely tany amin’ ny firenena izay nalehany.
22 「所以,你要對以色列家說,主耶和華如此說:以色列家啊,我行這事不是為你們,乃是為我的聖名,就是在你們到的列國中所褻瀆的。
Koa atsovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’ Isiraely, fa noho ny anarako, masìna, izay nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa izay nalehanareo.
23 我要使我的大名顯為聖;這名在列國中已被褻瀆,就是你們在他們中間所褻瀆的。我在他們眼前,在你們身上顯為聖的時候,他們就知道我是耶和華。這是主耶和華說的。
Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masìna eo imasony Aho amin’ ny ataoko aminareo.
24 我必從各國收取你們,從列邦聚集你們,引導你們歸回本地。
Fa halaiko avy any amin’ ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ ny taninareo.
25 我必用清水灑在你們身上,你們就潔淨了。我要潔淨你們,使你們脫離一切的污穢,棄掉一切的偶像。
Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
26 我也要賜給你們一個新心,將新靈放在你們裏面,又從你們的肉體中除掉石心,賜給你們肉心。
Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
27 我必將我的靈放在你們裏面,使你們順從我的律例,謹守遵行我的典章。
Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
28 你們必住在我所賜給你們列祖之地。你們要作我的子民,我要作你們的上帝。
Ary honina any amin’ ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
29 我必救你們脫離一切的污穢,也必命五穀豐登,不使你們遭遇饑荒。
Ary hovonjeko ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
30 我必使樹木多結果子,田地多出土產,好叫你們不再因饑荒受外邦人的譏誚。
ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan’ ny jentilisa amin’ ny mosary intsony ianareo.
31 那時,你們必追想你們的惡行和你們不善的作為,就因你們的罪孽和可憎的事厭惡自己。
Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
32 主耶和華說:你們要知道,我這樣行不是為你們。以色列家啊,當為自己的行為抱愧蒙羞。
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’ Isiraely.
33 「主耶和華如此說:我潔淨你們,使你們脫離一切罪孽的日子,必使城邑有人居住,荒場再被建造。
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin’ ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.
34 過路的人雖看為荒廢之地,現今這荒廢之地仍得耕種。
Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason’ ny mpandalo rehetra intsony izy.
35 他們必說:『這先前為荒廢之地,現在成如伊甸園;這荒廢淒涼、毀壞的城邑現在堅固有人居住。』
Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;
36 那時,在你們四圍其餘的外邦人必知道我-耶和華修造那毀壞之處,培植那荒廢之地。我-耶和華說過,也必成就。
ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
37 「主耶和華如此說:我要加增以色列家的人數,多如羊群。他們必為這事向我求問,我要給他們成就。
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin’ ny taranak’ Isiraely Aho amin’ ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
38 耶路撒冷在守節作祭物所獻的羊群怎樣多,照樣,荒涼的城邑必被人群充滿。他們就知道我是耶和華。」
Toy ny ondry aman’ osy masìna, izay any Jerosalema amin’ ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan’ ny tanànany efa lao amin’ ny olona maro toy ny ondry aman’ osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

< 以西結書 36 >