< 以西結書 34 >

1 耶和華的話臨到我說:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 「人子啊,你要向以色列的牧人發預言,攻擊他們,說,主耶和華如此說:禍哉!以色列的牧人只知牧養自己。牧人豈不當牧養群羊嗎?
Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?
3 你們吃脂油、穿羊毛、宰肥壯的,卻不牧養群羊。
Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
4 瘦弱的,你們沒有養壯;有病的,你們沒有醫治;受傷的,你們沒有纏裹;被逐的,你們沒有領回;失喪的,你們沒有尋找;但用強暴嚴嚴地轄制。
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
5 因無牧人,羊就分散;既分散,便作了一切野獸的食物。
Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin’ ny bibidia rehetra.
6 我的羊在諸山間、在各高岡上流離,在全地上分散,無人去尋,無人去找。
Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin’ ny tany rehetra no ielezan’ ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
7 「所以,你們這些牧人要聽耶和華的話。
Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
8 主耶和華說:我指着我的永生起誓,我的羊因無牧人就成為掠物,也作了一切野獸的食物。我的牧人不尋找我的羊;這些牧人只知牧養自己,並不牧養我的羊。
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan’ ny ondriko sy ny nahatongavan’ ny ondriko ho rembin’ ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
9 所以你們這些牧人要聽耶和華的話。
dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
10 主耶和華如此說:我必與牧人為敵,必向他們的手追討我的羊,使他們不再牧放群羊;牧人也不再牧養自己。我必救我的羊脫離他們的口,不再作他們的食物。」
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin’ ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
11 「主耶和華如此說:看哪,我必親自尋找我的羊,將牠們尋見。
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
12 牧人在羊群四散的日子怎樣尋找他的羊,我必照樣尋找我的羊。這些羊在密雲黑暗的日子散到各處,我必從那裏救回牠們來。
Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin’ izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin’ izay rehetra efa nielezany tamin’ ny andro mandrahona sy maizim-pito.
13 我必從萬民中領出牠們,從各國內聚集牠們,引導牠們歸回故土,也必在以色列山上-一切溪水旁邊、境內一切可居之處-牧養牠們。
Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’ izay tsara honenana rehetra eran’ ny tany.
14 我必在美好的草場牧養牠們。牠們的圈必在以色列高處的山上,牠們必在佳美之圈中躺臥,也在以色列山肥美的草場吃草。
Eny amin’ ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin’ ny tany tsara, ary eny amin’ ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.
15 主耶和華說:我必親自作我羊的牧人,使牠們得以躺臥。
Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
16 失喪的,我必尋找;被逐的,我必領回;受傷的,我必纏裹;有病的,我必醫治;只是肥的壯的,我必除滅,也要秉公牧養牠們。
Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin’ ny fitsarana.
17 「我的羊群哪,論到你們,主耶和華如此說:我必在羊與羊中間、公綿羊與公山羊中間施行判斷。
Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin’ ny ondry aman’ osy, dia ny ady ataon’ ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
18 你們這些肥壯的羊,在美好的草場吃草還以為小事嗎?剩下的草,你們竟用蹄踐踏了;你們喝清水,剩下的水,你們竟用蹄攪渾了。
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen’ ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin’ ny tongotrareo ny sisa?
19 至於我的羊,只得吃你們所踐踏的,喝你們所攪渾的。
Ary ny amin’ ny ondriko, moa izay voahosihosin’ ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton’ ny tongotrareo va no hosotroiny?
20 「所以,主耶和華如此說:我必在肥羊和瘦羊中間施行判斷。
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin’ ny ondry matavy amin’ ny ondry mahia.
21 因為你們用脅用肩擁擠一切瘦弱的,又用角牴觸,以致使牠們四散。
Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany;
22 所以,我必拯救我的群羊不再作掠物;我也必在羊和羊中間施行判斷。
dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ ny ondry amin’ ny ondry namany.
23 我必立一牧人照管他們,牧養他們,就是我的僕人大衛。他必牧養他們,作他們的牧人。
Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
24 我-耶和華必作他們的上帝,我的僕人大衛必在他們中間作王。這是耶和華說的。
Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.
25 「我必與他們立平安的約,使惡獸從境內斷絕,他們就必安居在曠野,躺臥在林中。
Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
26 我必使他們與我山的四圍成為福源,我也必叫時雨落下,必有福如甘霖而降。
Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
27 田野的樹必結果,地也必有出產;他們必在故土安然居住。我折斷他們所負的軛,救他們脫離那以他們為奴之人的手;那時,他們就知道我是耶和華。
Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin’ ny tànan’ izay nampanompo azy izy.
28 他們必不再作外邦人的掠物,地上的野獸也不再吞吃他們;卻要安然居住,無人驚嚇。
Ary tsy ho babon’ ny jentilisa na ho rembin’ ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
29 我必給他們興起有名的植物;他們在境內不再為饑荒所滅,也不再受外邦人的羞辱,
Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin’ ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan’ ny jentilisa intsony;
30 必知道我、耶和華-他們的上帝是與他們同在的,並知道他們-以色列家是我的民。這是主耶和華說的。
ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’ Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.
31 你們作我的羊,我草場上的羊,乃是以色列人,我也是你們的上帝。這是主耶和華說的。」
Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.

< 以西結書 34 >