< 以西結書 25 >

1 耶和華的話臨到我說:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 「人子啊,你要面向亞捫人說預言,攻擊他們,
Ry zanak’ olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,
3 說:你們當聽主耶和華的話。主耶和華如此說:我的聖所被褻瀆,以色列地變荒涼,猶大家被擄掠;那時,你便因這些事說:『阿哈!』
ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masìna, Ary noravana ny tanin’ ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak’ i Joda,
4 所以我必將你的地交給東方人為業;他們必在你的地上安營居住,吃你的果子,喝你的奶。
Dia indro kosa, hatolotro ho fananan’ ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.
5 我必使拉巴為駱駝場,使亞捫人的地為羊群躺臥之處,你們就知道我是耶和華。」
Ary Raba dia hataoko tany fitoeran’ ny rameva, ary ny taranak’ i Amona ho tany fandrian’ ny ondry aman’ osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
6 主耶和華如此說:「因你拍手頓足,以滿心的恨惡向以色列地歡喜,
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin’ ny tongotrao ary ny nifalian’ ny fonao tamin’ ny fanaovana tsinontsinona ny tanin’ ny Isiraely,
7 所以我伸手攻擊你,將你交給列國作為擄物。我必從萬民中剪除你,使你從萬國中敗亡。我必除滅你,你就知道我是耶和華。」
Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon’ ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
8 主耶和華如此說:「因摩押和西珥人說:『看哪,猶大家與列國無異』,
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak’ i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,
9 所以我要破開摩押邊界上的城邑,就是摩押人看為本國之榮耀的伯‧耶西末、巴力‧免、基列亭,
Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin’ ny Moaba, hatrany amin’ ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
10 好使東方人來攻擊亞捫人。我必將亞捫人之地交給他們為業,使亞捫人在列國中不再被記念。
Ho an’ ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak’ i Amona’ ihany, eny, hatolotro ho fananan’ ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin’ ny firenena intsony ny taranak’ i Amona.
11 我必向摩押施行審判,他們就知道我是耶和華。」
Ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
12 主耶和華如此說:「因為以東報仇雪恨,攻擊猶大家,向他們報仇,大大有罪,
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan’ i Edoma ny taranak’ i Joda tamin’ ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
13 所以主耶和華如此說:我必伸手攻擊以東,剪除人與牲畜,使以東從提幔起,人必倒在刀下,地要變為荒涼,直到底但。
Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin’ i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ ny sabatra hatrany Dedana.
14 我必藉我民以色列的手報復以東;以色列民必照我的怒氣,按我的忿怒在以東施報,以東人就知道是我施報。這是主耶和華說的。」
Ary ny tanan’ ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an’ i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.
15 主耶和華如此說:「因非利士人向猶大人報仇,就是以恨惡的心報仇雪恨,永懷仇恨,要毀滅他們,
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon’ ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin’ ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,
16 所以主耶和華如此說:我必伸手攻擊非利士人,剪除基利提人,滅絕沿海剩下的居民。
Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin’ ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;
17 我向他們大施報應,發怒斥責他們。我報復他們的時候,他們就知道我是耶和華。」
Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.

< 以西結書 25 >