< 以西結書 23 >

1 耶和華的話又臨到我說:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 「人子啊,有兩個女子,是一母所生,
Ry zanak’ olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
3 她們在埃及行邪淫,在幼年時行邪淫。她們在那裏作處女的時候,有人擁抱她們的懷,撫摸她們的乳。
ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon’ ny fahavirijinany.
4 她們的名字,姊姊名叫阿荷拉,妹妹名叫阿荷利巴。她們都歸於我,生了兒女。論到她們的名字,阿荷拉就是撒馬利亞,阿荷利巴就是耶路撒冷。
Ny anaran’ ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
5 「阿荷拉歸我之後行邪淫,貪戀所愛的人,就是她的鄰邦亞述人。
Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin’ ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
6 這些人都穿藍衣,作省長、副省長,都騎着馬,是可愛的少年人。
izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
7 阿荷拉就與亞述人中最美的男子放縱淫行,她因所戀愛之人的一切偶像,玷污自己。
Nijangajanga tamin’ ireny izy, dia tamin’ izay tsara indrindra tamin’ ny zanakalahin’ i Asyria sy tamin’ izay rehetra nahamaimay azy; tamin’ ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
8 自從在埃及的時候,她就沒有離開淫亂,因為她年幼作處女的時候,埃及人與她行淫,撫摸她的乳,縱慾與她行淫。
Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
9 因此,我將她交在她所愛的人手中,就是她所戀愛的亞述人手中。
Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan’ ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan’ ny Asyriana izay nahamaimay azy.
10 他們就露了她的下體,擄掠她的兒女,用刀殺了她,使她在婦女中留下臭名,因他們向她施行審判。
Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan’ ireny, ary ny tenany novonoiny tamin’ ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin’ ny vehivavy izy ary efa niharan’ ny fitsarana.
11 「她妹妹阿荷利巴雖然看見了,卻還貪戀,比她姊姊更醜;行淫亂比她姊姊更多。
Ary nony hitan’ i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an’ ny rahavaviny,
12 她貪戀鄰邦的亞述人,就是穿極華美的衣服,騎着馬的省長、副省長,都是可愛的少年人。
Maimay tamin’ ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
13 我看見她被玷污了,她姊妹二人同行一路。
Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan’ izy mirahavavy;
14 阿荷利巴又加增淫行,因她看見人像畫在牆上,就是用丹色所畫迦勒底人的像,
ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin’ ny rindrina izy sy ny sarin’ ny Kaldeana voasoratra tamin’ ny loko mena.
15 腰間繫着帶子,頭上有下垂的裹頭巾,都是軍長的形狀,仿照巴比倫人的形像;他們的故土就是迦勒底。
samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak’ andriana, dia tahaka ny zanakalahin’ i Babylona, izay teraka tany amin’ ny tany Kaldea.
16 阿荷利巴一看見就貪戀他們,打發使者往迦勒底去見他們。
Ary raha vao hitan’ ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
17 巴比倫人就來登她愛情的床,與她行淫玷污她。她被玷污,隨後心裏與他們生疏。
Ary tonga tany aminy ho ao amin’ ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin’ i Babylona ka nandoto azy tamin’ ny fijangajangany; ary nony efa voaloton’ ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
18 這樣,她顯露淫行,又顯露下體;我心就與她生疏,像先前與她姊姊生疏一樣。
Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan’ ny fanahiko niala tamin’ ny rahavaviny ihany.
19 她還加增她的淫行,追念她幼年在埃及地行邪淫的日子,
Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin’ ny tany Egypta.
20 貪戀情人身壯精足,如驢如馬。
Fa izy dia maimay tamin’ ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin’ ny soavaly.
21 這樣,你就想起你幼年的淫行。那時,埃及人擁抱你的懷,撫摸你的乳。」
Nitady ny fijangajangan’ ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan’ ny Egyptiana ny nononao, satria nonon’ ny fahavirijinanao ireo.
22 阿荷利巴啊,主耶和華如此說:「我必激動你先愛而後生疏的人來攻擊你。我必使他們來,在你四圍攻擊你。
Koa izao, ry Oholiba, no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan’ ny fanahinao, ka ho entiko avy amin’ ny tany manodidina izy mba hamely anao,
23 所來的就是巴比倫人、迦勒底的眾人、比割人、書亞人、哥亞人,同着他們的還有亞述眾人,乃是作省長、副省長、作軍長有名聲的,都騎着馬,是可愛的少年人。
dia ireny zanakalahin’ i Babylona mbamin’ ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andriandahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak’ andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.
24 他們必帶兵器、戰車、輜重車,率領大眾來攻擊你。他們要拿大小盾牌,頂盔擺陣,在你四圍攻擊你。我要將審判的事交給他們,他們必按着自己的條例審判你。
Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin’ ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
25 我必以忌恨攻擊你;他們必以忿怒辦你。他們必割去你的鼻子和耳朵;你遺留的人必倒在刀下。他們必擄去你的兒女;你所遺留的必被火焚燒。
Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin’ ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin’ ny afo.
26 他們必剝去你的衣服,奪取你華美的寶器。
Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
27 這樣,我必使你的淫行和你從埃及地染來的淫亂止息了,使你不再仰望亞述,也不再追念埃及。
Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin’ ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
28 主耶和華如此說:我必將你交在你所恨惡的人手中,就是你心與他生疏的人手中。
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan’ izay halanao ianao, dia eo an-tanan’ izay efa niombotan’ ny fanahinao;
29 他們必以恨惡辦你,奪取你一切勞碌得來的,留下你赤身露體。你淫亂的下體,連你的淫行,帶你的淫亂,都被顯露。
ary hamely anao amin’ ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan’ ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
30 人必向你行這些事;因為你隨從外邦人行邪淫,被他們的偶像玷污了。
Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin’ ny sampiny.
31 你走了你姊姊所走的路,所以我必將她的杯交在你手中。」
Tamin’ ny nalehan’ ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
32 主耶和華如此說: 你必喝你姊姊所喝的杯; 那杯又深又廣,盛得甚多, 使你被人嗤笑譏刺。
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
33 你必酩酊大醉,滿有愁苦, 喝乾你姊姊撒馬利亞的杯, 就是令人驚駭淒涼的杯。
Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak’ i Samaria rahavavinao.
34 你必喝這杯,以致喝盡。 杯破又齦杯片, 撕裂自己的乳; 因為這事我曾說過。 這是主耶和華說的。
Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
35 主耶和華如此說:「因你忘記我,將我丟在背後,所以你要擔當你淫行和淫亂的報應。」
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
36 耶和華又對我說:「人子啊,你要審問阿荷拉與阿荷利巴嗎?當指出她們所行可憎的事。
Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
37 她們行淫,手中有殺人的血,又與偶像行淫,並使她們為我所生的兒女經火燒給偶像。
fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an’ ireny mba ho levona.
38 此外,她們還有向我所行的,就是同日玷污我的聖所,干犯我的安息日。
Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masìna izy tamin’ izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
39 她們殺了兒女獻與偶像,當天又入我的聖所,將聖所褻瀆了。她們在我殿中所行的乃是如此。
Ary nony efa novonoiny ho an’ ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin’ iny andro iny ihany ny fitoerako masìna ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin’ ny tranoko.
40 「況且你們二婦打發使者去請遠方人。使者到他們那裏,他們就來了。你們為他們沐浴己身,粉飾眼目,佩戴妝飾,
Ary koa, naniraka ho any amin’ ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.
41 坐在華美的床上,前面擺設桌案,將我的香料膏油擺在其上。
ary nipetrahanao tamin’ ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
42 在那裏有群眾安逸歡樂的聲音,並有粗俗的人和酒徒從曠野同來,把鐲子戴在二婦的手上,把華冠戴在她們的頭上。
Ary teo aminy nisy ny feon’ ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian’ ireo haba teny an-tànan’ izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
43 「我論這行淫衰老的婦人說:現在人還要與她行淫,她也要與人行淫。
Dia hoy Izaho ny amin’ ilay efa tontan’ ny fijangajangana ela: Amin’ izao dia mbola hisy hijangajanga amin’ io ihany va?
44 人與阿荷拉,並阿荷利巴二淫婦苟合,好像與妓女苟合。
Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin’ ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin’ i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
45 必有義人,照審判淫婦和流人血的婦人之例,審判她們;因為她們是淫婦,手中有殺人的血。」
Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
46 主耶和華如此說:「我必使多人來攻擊她們,使她們拋來拋去,被人搶奪。
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena sy ho babo izy.
47 這些人必用石頭打死她們,用刀劍殺害她們,又殺戮她們的兒女,用火焚燒她們的房屋。
Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin’ ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin’ ny afo koa ny tranony.
48 這樣,我必使淫行從境內止息,好叫一切婦人都受警戒,不效法你們的淫行。
Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin’ ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.
49 人必照着你們的淫行報應你們;你們要擔當拜偶像的罪,就知道我是主耶和華。」
Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.

< 以西結書 23 >