< 以西結書 10 >

1 我觀看,見基路伯頭上的穹蒼之中,顯出藍寶石的形狀,彷彿寶座的形像。
Ary hitako fa, indro, teo ambonin’ ny eloelo izay teo ambonin’ ny lohan’ ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny.
2 主對那穿細麻衣的人說:「你進去,在旋轉的輪內基路伯以下,從基路伯中間將火炭取滿兩手,撒在城上。」 我就見他進去。
Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midìra eo anelanelan’ ny kodia, dia eo ambanin’ ny kerobima, ary fenoy vain’ afo avy eo anelanelan’ ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin’ ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
3 那人進去的時候,基路伯站在殿的右邊,雲彩充滿了內院。
Ary ny kerobima nitsangana teo amin’ ny ankavanan’ ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.
4 耶和華的榮耀從基路伯那裏上升,停在門檻以上;殿內滿了雲彩,院宇也被耶和華榮耀的光輝充滿。
Dia niakatra niala teo amin’ ny kerobima ny voninahitr’ i Jehovah ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ ny voninahitr’ i Jehovah.
5 基路伯翅膀的響聲聽到外院,好像全能上帝說話的聲音。
Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin’ ny kianja ivelany, toy ny feon’ Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
6 他吩咐那穿細麻衣的人說:「要從旋轉的輪內基路伯中間取火。」那人就進去站在一個輪子旁邊。
Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan’ ny kodia, eo anelanelan’ ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan’ ny kodia.
7 有一個基路伯從基路伯中伸手到基路伯中間的火那裏,取些放在那穿細麻衣的人兩手中,那人就拿出去了。
Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan’ ny kerobima, tamin’ ny afo Izay teo anelanelan’ ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin’ ny tànan-droan’ ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
8 在基路伯翅膀之下,顯出有人手的樣式。
Ary nisy nitarehin-tànan’ olona niseho teo ambanin’ ny elatry ny kerobima.
9 我又觀看,見基路伯旁邊有四個輪子。這基路伯旁有一個輪子,那基路伯旁有一個輪子,每基路伯都是如此;輪子的顏色彷彿水蒼玉。
Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan’ ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan’ ny isan-kerobima; ary ny tarehin’ ny kodia dia toy ny volon’ ny vato krysolita.
10 至於四輪的形狀,都是一個樣式,彷彿輪中套輪。
Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin’ ny kodia.
11 輪行走的時候,向四方都能直行,並不掉轉。頭向何方,他們也隨向何方,行走的時候並不掉轉。
Raha nandeha izy, dia nandeha tamin’ ny hitsin’ ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin’ ny hitsin’ izay natrehin’ ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
12 他們全身,連背帶手和翅膀,並輪周圍都滿了眼睛。這四個基路伯的輪子都是如此。
Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin’ ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.
13 至於這些輪子,我耳中聽見說是旋轉的。
Ny amin’ ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia!
14 基路伯各有四臉:第一是基路伯的臉,第二是人的臉,第三是獅子的臉,第四是鷹的臉。
Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin’ ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin’ ny faharoa dia nitarehin’ olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
15 基路伯升上去了;這是我在迦巴魯河邊所見的活物。
Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan’ aina hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany.
16 基路伯行走,輪也在旁邊行走。基路伯展開翅膀,離地上升,輪也不轉離他們旁邊。
Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin’ ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
17 那些站住,這些也站住;那些上升,這些也一同上升,因為活物的靈在輪中。
Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin’ ny zava-manan’ aina no tao aminy.
18 耶和華的榮耀從殿的門檻那裏出去,停在基路伯以上。
Dia niala avy teo ambonin’ ny tokonambaravaran’ ny trano ny voninahitr’ i Jehovah ka nijanona teo ambonin’ ny kerobima.
19 基路伯出去的時候,就展開翅膀,在我眼前離地上升。輪也在他們的旁邊,都停在耶和華殿的東門口。在他們以上有以色列上帝的榮耀。
Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin’ ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan’ ny vavahady atsinanana amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
20 這是我在迦巴魯河邊所見、以色列上帝榮耀以下的活物,我就知道他們是基路伯。
Izany dia ilay zava-manan’ aina hitako teo ambanin’ Andriamanitry ny Isiraely teo amoron’ ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
21 各有四個臉面,四個翅膀,翅膀以下有人手的樣式。
Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan’ olona teo ambanin’ ny elany.
22 至於他們臉的模樣,並身體的形像,是我從前在迦巴魯河邊所看見的。他們俱各直往前行。
Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin’ ilay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin’ ny tavany no nalehany.

< 以西結書 10 >