< 出埃及記 39 >

1 比撒列用藍色、紫色、朱紅色線做精緻的衣服,在聖所用以供職,又為亞倫做聖衣,是照耶和華所吩咐摩西的。
Ary tamin’ ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ary nanao ny fitafiana masìna ho an’ i Arona izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
2 他用金線和藍色、紫色、朱紅色線,並撚的細麻做以弗得;
Ary nanao ny efoda tamin’ ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
3 把金子錘成薄片,剪出線來,與藍色、紫色、朱紅色線,用巧匠的手工一同繡上。
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin’ ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan’ ny mpanenona mahay.
4 又為以弗得做兩條相連的肩帶,接連在以弗得的兩頭。
Ary nataony nisy soroka roa avy amin’ ny sisiny roa hampikambanana azy.
5 其上巧工織的帶子和以弗得一樣的做法,用以束上,與以弗得接連一塊,是用金線和藍色、紫色、朱紅色線,並撚的細麻做的,是照耶和華所吩咐摩西的。
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
6 又琢出兩塊紅瑪瑙,鑲在金槽上,彷彿刻圖書,按着以色列兒子的名字雕刻;
Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely.
7 將這兩塊寶石安在以弗得的兩條肩帶上,為以色列人做紀念石,是照耶和華所吩咐摩西的。
Ary nataony teo amin’ ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
8 他用巧匠的手工做胸牌,和以弗得一樣的做法,用金線與藍色、紫色、朱紅色線,並撚的細麻做的。
Ary nanao ny saron-tratra tamin’ ny asan’ ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9 胸牌是四方的,疊為兩層;這兩層長一虎口,寬一虎口,
Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
10 上面鑲着寶石四行:第一行是紅寶石、紅璧璽、紅玉;
Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
11 第二行是綠寶石、藍寶石、金鋼石;
ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
12 第三行是紫瑪瑙、白瑪瑙、紫晶;
ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
13 第四行是水蒼玉、紅瑪瑙、碧玉。這都鑲在金槽中。
ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
14 這些寶石都是按着以色列十二個兒子的名字,彷彿刻圖書,刻十二個支派的名字。
Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase ho an’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
15 在胸牌上,用精金擰成如繩子的鍊子。
Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin’ ny saron-tratra izy.
16 又做兩個金槽和兩個金環,安在胸牌的兩頭。
Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
17 把那兩條擰成的金鍊子穿過胸牌兩頭的環子,
Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin’ ny vava vola roa izay amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra.
18 又把鍊子的那兩頭接在兩槽上,安在以弗得前面肩帶上。
Ary ny lanin’ ny tady roa dia nataony teo amin’ ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin’ ny soroky ny efoda anoloana.
19 做兩個金環,安在胸牌的兩頭,在以弗得裏面的邊上,
Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
20 又做兩個金環,安在以弗得前面兩條肩帶的下邊,挨近相接之處,在以弗得巧工織的帶子以上。
Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin’ ny soroka roa amin’ ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ ny fikambanany, eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda.
21 用一條藍細帶子把胸牌的環子和以弗得的環子繫住,使胸牌貼在以弗得巧工織的帶子上,不可與以弗得離縫,是照耶和華所吩咐摩西的。
Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan’ ny saron-tratra tamin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
22 他用織工做以弗得的外袍,顏色全是藍的。
Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan’ ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
23 袍上留一領口,口的周圍織出領邊來,彷彿鎧甲的領口,免得破裂。
Ary ny vozon’ ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
24 在袍子底邊上,用藍色、紫色、朱紅色線,並撚的細麻做石榴,
Ary teo amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin’ ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
25 又用精金做鈴鐺,把鈴鐺釘在袍子周圍底邊上的石榴中間:
ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan’ ny ampongabendanitra tamin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan’ ny ampongabendanitra):
26 一個鈴鐺一個石榴,一個鈴鐺一個石榴,在袍子周圍底邊上用以供職,是照耶和華所吩咐摩西的。
dia famohamandry sy sarin’ ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eo amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
27 他用織成的細麻布為亞倫和他的兒子做內袍,
Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan’ ny mpanenona, ho an’ i Arona sy ny zanany.
28 並用細麻布做冠冕和華美的裹頭巾,用撚的細麻布做褲子,
Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
29 又用藍色、紫色、朱紅色線,並撚的細麻,以繡花的手工做腰帶,是照耶和華所吩咐摩西的。
Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
30 他用精金做聖冠上的牌,在上面按刻圖書之法,刻着「歸耶和華為聖」。
Ary ny takelaka ho eo amin’ ny diadema masìna dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
31 又用一條藍細帶子將牌繫在冠冕上,是照耶和華所吩咐摩西的。
Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin’ ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
32 帳幕,就是會幕,一切的工就這樣做完了。凡耶和華所吩咐摩西的,以色列人都照樣做了。
Ary vita ny asa rehetra tamin’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’ Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
33 他們送到摩西那裏。帳幕和帳幕的一切器具,就是鉤子、板、閂、柱子、帶卯的座,
Dia nentiny teo amin’ i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
34 染紅公羊皮的蓋、海狗皮的頂蓋,和遮掩櫃的幔子,
ary ny firakotra hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
35 法櫃和櫃的槓並施恩座,
ary ny fiaran’ ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
36 桌子和桌子的一切器具並陳設餅,
ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
37 精金的燈臺和擺列的燈盞,與燈臺的一切器具,並點燈的油,
ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
38 金壇、膏油、馨香的香料、會幕的門簾,
ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay,
39 銅壇和壇上的銅網,壇的槓並壇的一切器具,洗濯盆和盆座,
ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
40 院子的帷子和柱子,並帶卯的座,院子的門簾、繩子、橛子,並帳幕和會幕中一切使用的器具,
ary ny fefy lamban’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana,
41 精工做的禮服,和祭司亞倫並他兒子在聖所用以供祭司職分的聖衣。
ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny manao fisoronana.
42 這一切工作都是以色列人照耶和華所吩咐摩西做的。
Araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ ny Zanak’ Isiraely ny asa rehetra.
43 耶和華怎樣吩咐的,他們就怎樣做了。摩西看見一切的工都做成了,就給他們祝福。
Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.

< 出埃及記 39 >