< 出埃及記 22 >

1 「人若偷牛或羊,無論是宰了,是賣了,他就要以五牛賠一牛,四羊賠一羊。
Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon’ ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon’ ny ondry na osy iray.
2 人若遇見賊挖窟窿,把賊打了,以至於死,就不能為他有流血的罪。
Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-drà amin’ izany;
3 若太陽已經出來,就為他有流血的罪。賊若被拿,總要賠還。若他一無所有,就要被賣,頂他所偷的物。
fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-drà ihany amin’ izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony.
4 若他所偷的,或牛,或驢,或羊,仍在他手下存活,他就要加倍賠還。
Raha hita marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy.
5 「人若在田間或在葡萄園裏放牲畜,任憑牲畜上別人的田裏去吃,就必拿自己田間上好的和葡萄園上好的賠還。
Raha misy olona mampitondraka amin’ ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin’ olona izany biby izany, dia amin’ ny tsara indrindra ao amin’ ny sahany, ary amin’ ny tsara indrindra ao amin’ ny tanim-boalobony, no hanonerany.
6 「若點火焚燒荊棘,以致將別人堆積的禾捆,站着的禾稼,或是田園,都燒盡了,那點火的必要賠還。
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
7 「人若將銀錢或家具交付鄰舍看守,這物從那人的家被偷去,若把賊找到了,賊要加倍賠還;
Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin’ ny sasany ao amin’ ny tranon’ ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.
8 若找不到賊,那家主必就近審判官,要看看他拿了原主的物件沒有。
Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia ho entina eo anatrehan’ Andriamanitra ny tompon’ ny trano mba hizahana na naninjitra ny tànany ka naka ny fananan’ ny namany izy, na tsia.
9 「兩個人的案件,無論是為甚麼過犯,或是為牛,為驢,為羊,為衣裳,或是為甚麼失掉之物,有一人說:『這是我的』,兩造就要將案件稟告審判官,審判官定誰有罪,誰就要加倍賠還。
Ny amin’ ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay ataon’ olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan’ Andriamanitra ny tenin’ izy roa tonta, koa izay helohih’ Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an’ ny namany.
10 「人若將驢,或牛,或羊,或別的牲畜,交付鄰舍看守,牲畜或死,或受傷,或被趕去,無人看見,
Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita,
11 那看守的人要憑着耶和華起誓,手裏未曾拿鄰舍的物,本主就要罷休,看守的人不必賠還。
dia fianianana amin’ i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan’ ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken’ ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
12 牲畜若從看守的那裏被偷去,他就要賠還本主;
Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an’ ny tompon-javatra izy.
13 若被野獸撕碎,看守的要帶來當作證據,所撕的不必賠還。
Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy.
14 「人若向鄰舍借甚麼,所借的或受傷,或死,本主沒有同在一處,借的人總要賠還;
Ary raha misy olona mindran-javatra amin’ ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.
15 若本主同在一處,他就不必賠還;若是雇的,也不必賠還,本是為雇價來的。」
Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan’ ny hofany izany.
16 「人若引誘沒有受聘的處女,與她行淫,他總要交出聘禮,娶她為妻。
Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
17 若女子的父親決不肯將女子給他,他就要按處女的聘禮,交出錢來。
Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy hampakarina.
18 「行邪術的女人,不可容她存活。
Aza velomina ny vehivavy manana ody.
19 「凡與獸淫合的,總要把他治死。
Izay rehetra mandry amin’ ny biby dia hatao maty tokoa.
20 「祭祀別神,不單單祭祀耶和華的,那人必要滅絕。
Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’ i Jehovah ihany, dia ho voaozona.
21 「不可虧負寄居的,也不可欺壓他,因為你們在埃及地也作過寄居的。
Ary aza manao izay sarotra amin’ ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.
22 不可苦待寡婦和孤兒;
Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
23 若是苦待他們一點,他們向我一哀求,我總要聽他們的哀聲,
Fa raha mampahory azy na amin’ inona na amin’ inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
24 並要發烈怒,用刀殺你們,使你們的妻子為寡婦,兒女為孤兒。
ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
25 「我民中有貧窮人與你同住,你若借錢給他,不可如放債的向他取利。
Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
26 你即或拿鄰舍的衣服作當頭,必在日落以先歸還他;
Raha maka ny lamban’ ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
27 因他只有這一件當蓋頭,是他蓋身的衣服,若是沒有,他拿甚麼睡覺呢?他哀求我,我就應允,因為我是有恩惠的。
Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin’ ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
28 「不可毀謗上帝;也不可毀謗你百姓的官長。
Aza miteny ratsy an’ Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
29 「你要從你莊稼中的穀和酒醡中滴出來的酒拿來獻上,不可遲延。 「你要將頭生的兒子歸給我。
Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin’ ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.
30 你牛羊頭生的,也要這樣;七天當跟着母,第八天要歸給我。
Izao no hataonao amin’ ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao; hafitoana no hitoerany ao amin’ ny reniny; ary amin’ ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
31 「你們要在我面前為聖潔的人。因此,田間被野獸撕裂牲畜的肉,你們不可吃,要丟給狗吃。」
Ary ho olona masìna ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an’ ny amboa izany.

< 出埃及記 22 >