< 出埃及記 18 >

1 摩西的岳父,米甸祭司葉忒羅,聽見上帝為摩西和上帝的百姓以色列所行的一切事,就是耶和華將以色列從埃及領出來的事,
Ary efa ren’ i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan’ i Mosesy, izay rehetra nataon’ Andriamanitra ho an’ i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran’ i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
2 便帶着摩西的妻子西坡拉,就是摩西從前打發回去的,
Dia nentin’ i Jetro, rafozan’ i Mosesy, Zipora, vadin’ i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
3 又帶着西坡拉的兩個兒子,一個名叫革舜,因為摩西說:「我在外邦作了寄居的」;
ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho;
4 一個名叫以利以謝,因為他說:「我父親的上帝幫助了我,救我脫離法老的刀。」
ary Eliezera kosa no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan’ ny sabatr’ i Farao.
5 摩西的岳父葉忒羅帶着摩西的妻子和兩個兒子來到上帝的山,就是摩西在曠野安營的地方。
Dia tonga Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak’ i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra:
6 他對摩西說:「我是你岳父葉忒羅,帶着你的妻子和兩個兒子來到你這裏。」
dia nampilaza tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin’ ny zanany roa lahy koa.
7 摩西迎接他的岳父,向他下拜,與他親嘴,彼此問安,都進了帳棚。
Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
8 摩西將耶和華為以色列的緣故向法老和埃及人所行的一切事,以及路上所遭遇的一切艱難,並耶和華怎樣搭救他們,都述說與他岳父聽。
Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ ny rafozany izay rehetra efa nataon’ i Jehovah tamin’ i Farao sy tamin’ ny Egyptiana noho ny amin’ ny Isiraely, mbamin’ ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen’ i Jehovah azy.
9 葉忒羅因耶和華待以色列的一切好處,就是拯救他們脫離埃及人的手,便甚歡喜。
Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’ i Jehovah tamin’ ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana.
10 葉忒羅說:「耶和華是應當稱頌的;他救了你們脫離埃及人和法老的手,將這百姓從埃及人的手下救出來。
Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy tamin’ ny tànan’ i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin’ ny Egyptiana.
11 我現今在埃及人向這百姓發狂傲的事上得知,耶和華比萬神都大。」
Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’ izay zavatra nentin’ ny Egyptiana nirehareha tamin’ ireny.
12 摩西的岳父葉忒羅把燔祭和平安祭獻給上帝。亞倫和以色列的眾長老都來了,與摩西的岳父在上帝面前吃飯。
Ary Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin’ ny rafozan’ i Mosesy teo anatrehan’ Andriamanitra.
13 第二天,摩西坐着審判百姓,百姓從早到晚都站在摩西的左右。
Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan’ i Mosesy ny olona hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva.
14 摩西的岳父看見他向百姓所做的一切事,就說:「你向百姓做的是甚麼事呢?你為甚麼獨自坐着,眾百姓從早到晚都站在你的左右呢?」
Ary rehefa hitan’ ny rafozan’ i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva?
15 摩西對岳父說:「這是因百姓到我這裏來求問上帝。
Ary hoy Mosesy tamin’ ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin’ Andriamanitra.
16 他們有事的時候就到我這裏來,我便在兩造之間施行審判;我又叫他們知道上帝的律例和法度。」
Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin’ Andriamanitra sy ny lalàny.
17 摩西的岳父說:「你這做的不好。
Ary hoy ny rafozan’ i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
18 你和這些百姓必都疲憊;因為這事太重,你獨自一人辦理不了。
Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
19 現在你要聽我的話。我為你出個主意,願上帝與你同在。你要替百姓到上帝面前,將案件奏告上帝;
Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan’ ny olona amin’ Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin’ Andriamanitra;
20 又要將律例和法度教訓他們,指示他們當行的道,當做的事;
ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
21 並要從百姓中揀選有才能的人,就是敬畏上帝、誠實無妄、恨不義之財的人,派他們作千夫長、百夫長、五十夫長、十夫長,管理百姓,
Ary mizaha eo amin’ ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’ Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
22 叫他們隨時審判百姓,大事都要呈到你這裏,小事他們自己可以審判。這樣,你就輕省些,他們也可以同當此任。
Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
23 你若這樣行,上帝也這樣吩咐你,你就能受得住,這百姓也都平平安安歸回他們的住處。」
Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ ny taniny.
24 於是,摩西聽從他岳父的話,按着他所說的去行。
Dia neken’ i Mosesy ny tenin’ ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
25 摩西從以色列人中揀選了有才能的人,立他們為百姓的首領,作千夫長、百夫長、五十夫長、十夫長。
Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
26 他們隨時審判百姓,有難斷的案件就呈到摩西那裏,但各樣小事他們自己審判。
Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’ i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
27 此後,摩西讓他的岳父去,他就往本地去了。
Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin’ ny taniny izy.

< 出埃及記 18 >