< 出埃及記 13 >

1 耶和華曉諭摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 「以色列中凡頭生的,無論是人是牲畜,都是我的,要分別為聖歸我。」
Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
3 摩西對百姓說:「你們要記念從埃及為奴之家出來的這日,因為耶和華用大能的手將你們從這地方領出來。有酵的餅都不可吃。
Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
4 亞筆月間的這日是你們出來的日子。
Izao andro amin’ ny volana Abiba izao no ivoahanareo
5 將來耶和華領你進迦南人、赫人、亞摩利人、希未人、耶布斯人之地,就是他向你的祖宗起誓應許給你那流奶與蜜之地,那時你要在這月間守這禮。
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’ izao volana izao.
6 你要吃無酵餅七日,到第七日要向耶和華守節。
Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’ i Jehovah.
7 這七日之久,要吃無酵餅;在你四境之內不可見有酵的餅,也不可見發酵的物。
Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin’ ny taninao rehetra.
8 當那日,你要告訴你的兒子說:『這是因耶和華在我出埃及的時候為我所行的事。
Dia hambaranao amin’ ny zanakao amin’ izany andro izany hoe: Noho ny nataon’ i Jehovah tamiko tamin’ ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
9 這要在你手上作記號,在你額上作紀念,使耶和華的律法常在你口中,因為耶和華曾用大能的手將你從埃及領出來。
Dia ho famantarana ho anao eo amin’ ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’ i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
10 所以你每年要按着日期守這例。』」
Dia tandremo amin’ ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
11 「將來,耶和華照他向你和你祖宗所起的誓將你領進迦南人之地,把這地賜給你,
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
12 那時你要將一切頭生的,並牲畜中頭生的,歸給耶和華;公的都要屬耶和華。
dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;
13 凡頭生的驢,你要用羊羔代贖;若不代贖,就要打折牠的頸項。凡你兒子中頭生的都要贖出來。
ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny olona eo amin’ ny zanakao dia havotanao.
14 日後,你的兒子問你說:『這是甚麼意思?』你就說:『耶和華用大能的手將我們從埃及為奴之家領出來。
Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;
15 那時法老幾乎不容我們去,耶和華就把埃及地所有頭生的,無論是人是牲畜,都殺了。因此,我把一切頭生的公牲畜獻給耶和華為祭,但將頭生的兒子都贖出來。
ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’ i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ ny olona ka hatramin’ ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an’ i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanako dia soloako.
16 這要在你手上作記號,在你額上作經文,因為耶和華用大能的手將我們從埃及領出來。』」
Ary ho famantarana eo amin’ ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
17 法老容百姓去的時候,非利士地的道路雖近,上帝卻不領他們從那裏走;因為上帝說:「恐怕百姓遇見打仗後悔,就回埃及去。」
Ary rehefa nalefan’ i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’ Andriamanitra tamin’ ny lalana nankany amin’ ny tanin’ ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.
18 所以上帝領百姓繞道而行,走紅海曠野的路。以色列人出埃及地,都帶着兵器上去。
Fa nentin’ Andriamanitra nivily ho amin’ ny lalana mahazo any an-efitra amoron’ ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta.
19 摩西把約瑟的骸骨一同帶去;因為約瑟曾叫以色列人嚴嚴地起誓,對他們說:「上帝必眷顧你們,你們要把我的骸骨從這裏一同帶上去。」
Ary nentin’ i Mosesy niaraka taminy ny taolan’ i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20 他們從疏割起行,在曠野邊的以倘安營。
Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ ny efitra.
21 日間,耶和華在雲柱中領他們的路;夜間,在火柱中光照他們,使他們日夜都可以行走。
Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
22 日間雲柱,夜間火柱,總不離開百姓的面前。
Ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.

< 出埃及記 13 >