< 傳道書 6 >

1 我見日光之下有一宗禍患重壓在人身上,
Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, ary mitambesatra amin’ ny olona izany:
2 就是人蒙上帝賜他資財、豐富、尊榮,以致他心裏所願的一樣都不缺,只是上帝使他不能吃用,反有外人來吃用。這是虛空,也是禍患。
dia olona izay omen’ Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen’ Andriamanitra fahefana hihinana amin’ izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
3 人若生一百個兒子,活許多歲數,以致他的年日甚多,心裏卻不得滿享福樂,又不得埋葬;據我說,那不到期而落的胎比他倒好。
Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
4 因為虛虛而來,暗暗而去,名字被黑暗遮蔽,
Fa toa zava-poana no nihavian’ io, ary mandeha ao amin’ ny maizina izy, sady ho voasaron’ ny aizina ny anarany,
5 並且沒有見過天日,也毫無知覺;這胎,比那人倒享安息。
ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.
6 那人雖然活千年,再活千年,卻不享福,眾人豈不都歸一個地方去嗎?
Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin’ ny fitoerana iray ihany va no alehan’ izy rehetra?
7 人的勞碌都為口腹,心裏卻不知足。
Ny fisasarana rehetra ataon’ ny olona dia ho an’ ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
8 這樣看來,智慧人比愚昧人有甚麼長處呢?窮人在眾人面前知道如何行,有甚麼長處呢?
Fa inona no soa azon’ ny hendry noho ny adala? Inona no azon’ ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason’ ny velona?
9 眼睛所看的比心裏妄想的倒好。這也是虛空,也是捕風。
Ny fahitan’ ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin’ ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
10 先前所有的,早已起了名,並知道何為人,他也不能與那比自己力大的相爭。
Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin’ izay mahery noho izy.
11 加增虛浮的事既多,這與人有甚麼益處呢?
Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon’ ny olona?
12 人一生虛度的日子,就如影兒經過,誰知道甚麼與他有益呢?誰能告訴他身後在日光之下有甚麼事呢?
Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ ny aloka? Fa iza no hahalaza amin’ ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin’ ny masoandro?

< 傳道書 6 >