< 箴言 30 >

1 雅基的兒子亞古珥的言語就是真言。 這人對以鐵和烏甲說:
Ny teny mavesa-danja nataon’ i Agora, zanak’ i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin’ Itiela, eny, tamin’ Itiela sy Okala:
2 我比眾人更蠢笨, 也沒有人的聰明。
Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’ olombelona aho.
3 我沒有學好智慧, 也不認識至聖者。
Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masìna.
4 誰升天又降下來? 誰聚風在掌握中? 誰包水在衣服裏? 誰立定地的四極? 他名叫甚麼? 他兒子名叫甚麼? 你知道嗎?
Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ ny zanany? Fa toa fantatrao!
5 上帝的言語句句都是煉淨的; 投靠他的,他便作他們的盾牌。
Ny tenin’ Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’ izay mialoka aminy Izy.
6 他的言語,你不可加添, 恐怕他責備你,你就顯為說謊言的。
Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
7 我求你兩件事, 在我未死之先,不要不賜給我:
Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
8 求你使虛假和謊言遠離我; 使我也不貧窮也不富足; 賜給我需用的飲食,
Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin’ izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
9 恐怕我飽足不認你,說: 耶和華是誰呢? 又恐怕我貧窮就偷竊, 以致褻瀆我上帝的名。
Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.
10 你不要向主人讒謗僕人, 恐怕他咒詛你,你便算為有罪。
Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
11 有一宗人,咒詛父親, 不給母親祝福。
Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
12 有一宗人,自以為清潔, 卻沒有洗去自己的污穢。
Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ ny fahalotoany.
13 有一宗人,眼目何其高傲, 眼皮也是高舉。
Misy taranaka, endrey ny fiandrandran’ ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
14 有一宗人,牙如劍,齒如刀, 要吞滅地上的困苦人和世間的窮乏人。
Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ ny olona.
15 螞蟥有兩個女兒, 常說:給呀,給呀! 有三樣不知足的, 連不說「夠的」共有四樣:
Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
16 就是陰間和石胎, 浸水不足的地,並火。 (Sheol h7585)
Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay. (Sheol h7585)
17 戲笑父親、藐視而不聽從母親的, 他的眼睛必為谷中的烏鴉啄出來,為鷹雛所吃。
Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ ny zana-boromahery.
18 我所測不透的奇妙有三樣, 連我所不知道的共有四樣:
Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
19 就是鷹在空中飛的道; 蛇在磐石上爬的道; 船在海中行的道; 男與女交合的道。
Ny nalehan’ ny voromahery teny amin’ ny habakabaka, Ny nalehan’ ny bibilava teny amin’ ny vatolampy, Ny nalehan’ ny sambo teny amin’ ny ranomasina, Ary ny nalehan’ ny lehilahy tamin’ ny tovovavy.
20 淫婦的道也是這樣: 她吃了,把嘴一擦就說: 我沒有行惡。
Tahaka izany koa no fanaon’ ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
21 使地震動的有三樣, 連地擔不起的共有四樣:
Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
22 就是僕人作王; 愚頑人吃飽;
Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
23 醜惡的女子出嫁; 婢女接續主母。
Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.
24 地上有四樣小物,卻甚聰明:
Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ ny etỳ ambonin’ ny tany, Nefa hendry sady mahay:
25 螞蟻是無力之類, 卻在夏天預備糧食。
Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin’ ny fahavaratra izy;
26 沙番是軟弱之類, 卻在磐石中造房。
Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ ny harambato izy;
27 蝗蟲沒有君王, 卻分隊而出。
Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
28 守宮用爪抓牆, 卻住在王宮。
Ny antsiantsy dia mandady amin’ ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon’ ny mpanjaka izy.
29 步行威武的有三樣, 連行走威武的共有四樣:
Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
30 就是獅子-乃百獸中最為猛烈、無所躲避的,
Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ ny biby Ka tsy mihemotra na amin’ inona na amin’ inona,
31 獵狗,公山羊,和無人能敵的君王。
Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.
32 你若行事愚頑,自高自傲, 或是懷了惡念,就當用手摀口。
Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
33 搖牛奶必成奶油; 扭鼻子必出血。 照樣,激動怒氣必起爭端。
Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.

< 箴言 30 >