< 但以理書 6 >

1 大流士隨心所願,立一百二十個總督,治理通國。
Sitrak’ i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
2 又在他們以上立總長三人(但以理在其中),使總督在他們三人面前回覆事務,免得王受虧損。
Koa tamin’ ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin’ ireo, mba hilazan’ ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
3 因這但以理有美好的靈性,所以顯然超乎其餘的總長和總督,王又想立他治理通國。
Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ ny fanjakana rehetra.
4 那時,總長和總督尋找但以理誤國的把柄,為要參他;只是找不着他的錯誤過失,因他忠心辦事,毫無錯誤過失。
Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an’ i Daniela ny amin’ ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
5 那些人便說:「我們要找參這但以理的把柄,除非在他上帝的律法中就尋不着。」
Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ ny lalan’ Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
6 於是,總長和總督紛紛聚集來見王,說:「願大流士王萬歲!
Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
7 國中的總長、欽差、總督、謀士,和巡撫彼此商議,要立一條堅定的禁令,三十日內,不拘何人,若在王以外,或向神或向人求甚麼,就必扔在獅子坑中。
Ny komandy lehibe rehetra amin’ ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ ny telo-polo andro, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
8 王啊,現在求你立這禁令,加蓋玉璽,使禁令決不更改;照米底亞和波斯人的例是不可更改的。」
Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
9 於是大流士王立這禁令,加蓋玉璽。
Ary noho izany dia nasian’ i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
10 但以理知道這禁令蓋了玉璽,就到自己家裏(他樓上的窗戶開向耶路撒冷),一日三次,雙膝跪在他上帝面前,禱告感謝,與素常一樣。
Nony fantatr’ i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin’ ny tranony ambony nanandrify an’ i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan’ andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’ Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ ny taloha izany.
11 那些人就紛紛聚集,見但以理在他上帝面前祈禱懇求。
Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an’ i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan’ Andriamaniny.
12 他們便進到王前,提王的禁令,說:「王啊,三十日內不拘何人,若在王以外,或向神或向人求甚麼,必被扔在獅子坑中。王不是在這禁令上蓋了玉璽嗎?」王回答說:「實有這事,照米底亞和波斯人的例是不可更改的。」
Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka noho ny amin’ ilay lalàn’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, ato anatin’ ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
13 他們對王說:「王啊,那被擄之猶大人中的但以理不理你,也不遵你蓋了玉璽的禁令,他竟一日三次祈禱。」
Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan’ ny babo avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan’ andro izy.
14 王聽見這話,就甚愁煩,一心要救但以理,籌劃解救他,直到日落的時候。
Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an’ i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
15 那些人就紛紛聚集來見王,說:「王啊,當知道米底亞人和波斯人有例,凡王所立的禁令和律例都不可更改。」
Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
16 王下令,人就把但以理帶來,扔在獅子坑中。王對但以理說:「你所常事奉的上帝,他必救你。」
Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
17 有人搬石頭放在坑口,王用自己的璽和大臣的印,封閉那坑,使懲辦但以理的事毫無更改。
Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ ny fanombohan-kaseny sy tamin’ ny fanombohan-kasen’ ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin’ i Daniela.
18 王回宮,終夜禁食,無人拿樂器到他面前,並且睡不着覺。
Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.
19 次日黎明,王就起來,急忙往獅子坑那裏去。
Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin’ ny lavaky ny liona.
20 臨近坑邊,哀聲呼叫但以理,對但以理說:「永生上帝的僕人但以理啊,你所常事奉的上帝能救你脫離獅子嗎?」
Ary nony tonga teo amin’ ny lavaka izy, dia niantso an’ i Daniela tamin’ ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon’ Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin’ ny liona va?
21 但以理對王說:「願王萬歲!
Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
22 我的上帝差遣使者,封住獅子的口,叫獅子不傷我;因我在上帝面前無辜,我在王面前也沒有行過虧損的事。」
Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
23 王就甚喜樂,吩咐人將但以理從坑裏繫上來。於是但以理從坑裏被繫上來,身上毫無傷損,因為信靠他的上帝。
Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an’ Andriamaniny.
24 王下令,人就把那些控告但以理的人,連他們的妻子兒女都帶來,扔在獅子坑中。他們還沒有到坑底,獅子就抓住他們,咬碎他們的骨頭。
Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an’ i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin’ ny vodin’ ny lavaka akory aza izy.
25 那時,大流士王傳旨,曉諭住在全地各方、各國、各族的人說:「願你們大享平安!
Tamin’ izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin’ ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
26 現在我降旨曉諭我所統轄的全國人民,要在但以理的上帝面前,戰兢恐懼。 因為他是永遠長存的活上帝, 他的國永不敗壞; 他的權柄永存無極!
Manao lalàna aho mba hangovitan’ ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Daniela eran’ ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ ny farany.
27 他護庇人,搭救人, 在天上地下施行神蹟奇事, 救了但以理脫離獅子的口。」
Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an’ i Daniela ho afaka tamin’ ny herin’ ny liona.
28 如此,這但以理,當大流士王在位的時候和波斯王塞魯士在位的時候,大享亨通。
Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ ny nanjakan’ i Dariosa sy tamin’ ny nanjakan’ i Kyrosy Persiana.

< 但以理書 6 >