< 列王紀下 25 >

1 西底家背叛巴比倫王。他作王第九年十月初十日,巴比倫王尼布甲尼撒率領全軍來攻擊耶路撒冷,對城安營,四圍築壘攻城。
Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.
2 於是城被圍困,直到西底家王十一年。
Ary nataony fahirano ny tanàna hatramin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia mpanjaka.
3 四月初九日,城裏有大饑荒,甚至百姓都沒有糧食。
Ary tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an’ ny olona tompon-tany.
4 城被攻破,一切兵丁就在夜間從靠近王園兩城中間的門逃跑。迦勒底人正在四圍攻城,王就向亞拉巴逃走。
Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ ny lalana nankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
5 迦勒底的軍隊追趕王,在耶利哥的平原追上他;他的全軍都離開他四散了。
Ary ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
6 迦勒底人就拿住王,帶他到在利比拉的巴比倫王那裏審判他。
Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy.
7 在西底家眼前殺了他的眾子,並且剜了西底家的眼睛,用銅鍊鎖着他,帶到巴比倫去。
Ary ny zanakalahin’ i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason’ i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.
8 巴比倫王尼布甲尼撒十九年五月初七日,巴比倫王的臣僕、護衛長尼布撒拉旦來到耶路撒冷,
Ary tamin’ ny andro fahafito tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahasivy ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, mpanompon’ ny mpanjakan’ i Babylona,
9 用火焚燒耶和華的殿和王宮,又焚燒耶路撒冷的房屋,就是各大戶家的房屋。
ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
10 跟從護衛長迦勒底的全軍就拆毀耶路撒冷四圍的城牆。
Ary ny manda manodidina an’ i Jerosalema dia noravan’ ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben’ ny mpiambina.
11 那時護衛長尼布撒拉旦將城裏所剩下的百姓,並已經投降巴比倫王的人,以及大眾所剩下的人,都擄去了。
Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan’ i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin’ i Neborazadana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo avokoa.
12 但護衛長留下些民中最窮的,使他們修理葡萄園,耕種田地。
Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
13 耶和華殿的銅柱,並耶和華殿的盆座和銅海,迦勒底人都打碎了,將那銅運到巴比倫去了,
Ary ireo andry varahina teo an-tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon’ i Jehovah dia notorotoroin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.
14 又帶去鍋、鏟子、蠟剪、調羹,並所用的一切銅器,
Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
15 火鼎、碗,無論金的銀的,護衛長也都帶去了。
Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa
16 所羅門為耶和華殿所造的兩根銅柱、一個銅海,和幾個盆座,這一切的銅,多得無法可稱。
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon’ i Solomona ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ny varahina tamin’ izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
17 這一根柱子高十八肘,柱上有銅頂,高三肘;銅頂的周圍有網子和石榴,都是銅的。那一根柱子,照此一樣,也有網子。
Valo ambin’ ny folo hakiho ny hahavon’ ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin’ ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin’ ny harato.
18 護衛長拿住大祭司西萊雅、副祭司西番亞,和三個把門的,
Ary ny lehiben’ ny mpiambina nisambotra an’ i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;
19 又從城中拿住一個管理兵丁的官,並在城裏所遇常見王面的五個人和檢點國民軍長的書記,以及城裏遇見的國民六十個人。
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin’ izay mpitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin’ ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;
20 護衛長尼布撒拉旦將這些人帶到在利比拉的巴比倫王那裏。
dia nosamborin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla.
21 巴比倫王就把他們擊殺在哈馬地的利比拉。這樣,猶大人被擄去離開本地。
Dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ ny taniny.
22 至於猶大國剩下的民,就是巴比倫王尼布甲尼撒所剩下的,巴比倫王立了沙番的孫子、亞希甘的兒子基大利作他們的省長。
Fa ny amin’ ny olona izay sisa tany amin’ ny tanin’ ny Joda, izay navelan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
23 眾軍長和屬他們的人聽見巴比倫王立了基大利作省長,於是軍長尼探雅的兒子以實瑪利、加利亞的兒子約哈難、尼陀法人單戶蔑的兒子西萊雅、瑪迦人的兒子雅撒尼亞,和屬他們的人都到米斯巴見基大利。
Ary nony ren’ ny komandin’ ny miaramila rehetra mbamin’ ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin’ i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak’ i Netania, sy Johanana, zanak’ i Karea, sy Seraia, zanak’ i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak’ ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
24 基大利向他們和屬他們的人起誓說:「你們不必懼怕迦勒底臣僕,只管住在這地服事巴比倫王,就可以得福。」
Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin’ ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin’ ny mpanompon’ ny Kaldeana, fa mitomoera amin’ ny tany, ary manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
25 七月間,宗室以利沙瑪的孫子、尼探雅的兒子以實瑪利帶着十個人來,殺了基大利和同他在米斯巴的猶大人與迦勒底人。
Ary tamin’ ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, isan’ ny fianakavian’ ny mpanjaka, mbamin’ ny olona folo lahy koa ka namely an’ i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
26 於是眾民,無論大小,連眾軍長;因為懼怕迦勒底人,都起身往埃及去了。
Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin’ ny komandin’ ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy.
27 猶大王約雅斤被擄後三十七年,巴比倫王以未‧米羅達元年十二月二十七日,使猶大王約雅斤抬頭,提他出監;
Ary tamin’ ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona vao nanjakan’ i Evila-merodaka, mpanjakan’ i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan’ ny Joda.
28 又對他說恩言,使他的位高過與他一同在巴比倫眾王的位,
Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan’ ireo mpanjaka namany tao Babylona.
29 給他脫了囚服。他終身常在巴比倫王面前吃飯。
Ka dia novan’ i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ ny andro niainany rehetra.
30 王賜他所需用的食物,日日賜他一分,終身都是這樣。
Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin’ ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan’ andro isan’ andro tamin’ ny andro rehetra niainany.

< 列王紀下 25 >