< 列王紀下 24 >

1 約雅敬年間,巴比倫王尼布甲尼撒上到 猶大;約雅敬服事他三年,然後背叛他。
Tamin’ ny andro nanjakan’ i Joiakima no niakaran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
2 耶和華使迦勒底軍、亞蘭軍、摩押軍,和亞捫人的軍來攻擊約雅敬,毀滅猶大,正如耶和華藉他僕人眾先知所說的。
Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana sy ny miaramilan’ i Moaba ary ny miaramilan’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
3 這禍臨到猶大人,誠然是耶和華所命的,要將他們從自己面前趕出,是因瑪拿西所犯的一切罪;
Dia araka ny tenin’ i Jehovah ihany no nahatongavan’ izany tamin’ ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’ i Manase tahaka izay rehetra nataony
4 又因他流無辜人的血,充滿了耶路撒冷;耶和華決不肯赦免。
sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’ i Jehovah hamela ny helony.
5 約雅敬其餘的事,凡他所行的都寫在猶大列王記上。
Ary ny tantaran’ i Joiakima sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
6 約雅敬與他列祖同睡。他兒子約雅斤接續他作王。
Ary Joiakima lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7 埃及王不再從他國中出來;因為巴比倫王將埃及王所管之地,從埃及小河直到幼發拉底河都奪去了。
Ary ny mpanjakan’ i Egypta tsy nivoaka avy tany amin’ ny taniny intsony; fa lasan’ ny mpanjakan’ i Babylona izay rehetra an’ ny mpanjakan’ i Egypta hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta ka hatramin’ ny ony Eofrata.
8 約雅斤登基的時候年十八歲,在耶路撒冷作王三個月。他母親名叫尼護施她,是耶路撒冷人以利拿單的女兒。
Valo ambin’ ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin’ i Elnatana, avy any Jerosalema.
9 約雅斤行耶和華眼中看為惡的事,效法他父親一切所行的。
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
10 那時,巴比倫王尼布甲尼撒的軍兵上到耶路撒冷,圍困城。
Tamin’ izany andro izany no niakaran’ ny mpanompon’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, hamely an’ i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
11 當他軍兵圍困城的時候,巴比倫王尼布甲尼撒就親自來了。
Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan’ i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
12 猶大王約雅斤和他母親、臣僕、首領、太監一同出城,投降巴比倫王;巴比倫王便拿住他。那時是巴比倫王第八年。
Ary Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, nivoaka nankany amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny tandapany; ary nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy tamin’ ny taona fahavalo nanjakany.
13 巴比倫王將耶和華殿和王宮裏的寶物都拿去了,將以色列王所羅門所造耶和華殿裏的金器都毀壞了,正如耶和華所說的;
Ary navoakan’ i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, araka izay nolazain’ i Jehovah.
14 又將耶路撒冷的眾民和眾首領,並所有大能的勇士,共一萬人,連一切木匠、鐵匠都擄了去;除了國中極貧窮的人以外,沒有剩下的;
Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
15 並將約雅斤和王母、后妃、太監,與國中的大官,都從耶路撒冷擄到巴比倫去了;
Ary nitondra an’ i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin’ ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.
16 又將一切勇士七千人和木匠、鐵匠一千人,都是能上陣的勇士,全擄到巴比倫去了。
Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
17 巴比倫王立 約雅斤的叔叔瑪探雅代替他作王,給瑪探雅改名叫西底家。
Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanjaka hisolo an’ i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
18 西底家登基的時候年二十一歲,在耶路撒冷作王十一年。他母親名叫哈慕她,是立拿人耶利米的女兒。
Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.
19 西底家行耶和華眼中看為惡的事,是照約雅敬一切所行的。
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Joiakima.
20 因此耶和華的怒氣在耶路撒冷和猶大發作,以致將人民從自己面前趕出。
Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.

< 列王紀下 24 >