< 列王紀下 16 >

1 利瑪利的兒子比加十七年,猶大王約坦的兒子亞哈斯登基。
Tamin’ ny taona fahafito ambin’ ny folo nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, no vao nanjakan’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda.
2 他登基的時候年二十歲,在耶路撒冷作王十六年;不像他祖大衛行耶和華-他上帝眼中看為正的事,
Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon’ i Davida rainy izy;
3 卻效法以色列諸王所行的,又照着耶和華從以色列人面前趕出的外邦人所行可憎的事,使他的兒子經火,
fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
4 並在邱壇上、山岡上、各青翠樹下獻祭燒香。
Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo sy teny amin’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
5 亞蘭王利汛和以色列王利瑪利的兒子比加上來攻打耶路撒冷,圍困亞哈斯,卻不能勝他。
Ary tamin’ izany dia niakatra hanafika an’ i Jerosalema Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely; ary nanao fahirano an’ i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
6 當時亞蘭王利汛收回以拉他歸與亞蘭,將猶大人從以拉他趕出去。亞蘭人就來到以拉他,住在那裏,直到今日。
Tamin’ izany andro izany Rezina, mpanjakan’ i Syria, dia nahalasa an’ i Elota ho isan’ ny fanjakan’ i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
7 亞哈斯差遣使者去見亞述王提革拉‧毗列色,說:「我是你的僕人、你的兒子。現在亞蘭王和以色列王攻擊我,求你來救我脫離他們的手。」
Ary Ahaza naniraka olona ho any amin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ ny mpanjakan’ i Syria sy ny mpanjakan’ ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
8 亞哈斯將耶和華殿裏和王宮府庫裏所有的金銀都送給亞述王為禮物。
Ary nalain’ i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria.
9 亞述王應允了他,就上去攻打大馬士革,將城攻取,殺了利汛,把居民擄到吉珥。
Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’ i Asyria ka niakatra hamely an’ i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
10 亞哈斯王上大馬士革去迎接亞述王提革拉‧毗列色,在大馬士革看見一座壇,就照壇的規模樣式作法畫了圖樣,送到祭司烏利亞那裏。
Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.
11 祭司烏利亞照着亞哈斯王從大馬士革送來的圖樣,在亞哈斯王沒有從大馬士革回來之先,建築一座壇。
Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’ i Oria mpisorona azy mandra-pihavin’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
12 王從大馬士革回來看見壇,就近前來,在壇上獻祭;
Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
13 燒燔祭、素祭、澆奠祭,將平安祭牲的血灑在壇上,
Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran’ ny fanati-pihavanany tamin’ ny alitara.
14 又將耶和華面前的銅壇從耶和華殿和新壇的中間搬到新壇的北邊。
Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
15 亞哈斯王吩咐祭司烏利亞說:「早晨的燔祭、晚上的素祭,王的燔祭、素祭,國內眾民的燔祭、素祭、奠祭都要燒在大壇上。燔祭牲和平安祭牲的血也要灑在這壇上,只是銅壇我要用以求問耶和華。」
Ary Ahaza mpanjaka nandidy an’ i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina izay ho an’ ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an’ ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin’ ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
16 祭司烏利亞就照着亞哈斯王所吩咐的行了。
Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Ahaza mpanjaka.
17 亞哈斯王打掉盆座四面鑲着的心子,把盆從座上挪下來,又將銅海從馱海的銅牛上搬下來,放在鋪石地;
Ary nesorin’ i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin’ ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
18 又因亞述王的緣故,將耶和華殿為安息日所蓋的廊子和王從外入殿的廊子挪移,圍繞耶和華的殿。
Ary ny Fialofana tamin’ ny Sabata, izay natao teo akaikin’ ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an’ ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon’ i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan’ i Asyria.
19 亞哈斯其餘所行的事都寫在猶大列王記上。
Ary ny tantaran’ i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
20 亞哈斯與他列祖同睡,葬在大衛城他列祖的墳地裏。他兒子希西家接續他作王。
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.

< 列王紀下 16 >