< 列王紀下 15 >

1 以色列王耶羅波安二十七年,猶大王亞瑪謝的兒子亞撒利雅登基,
Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Azaria, zanak’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda.
2 他登基的時候年十六歲,在耶路撒冷作王五十二年。他母親名叫耶可利雅,是耶路撒冷人。
Enina ambin’ ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
3 亞撒利雅行耶和華眼中看為正的事,效法他父親亞瑪謝一切所行的;
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy;
4 只是邱壇還沒有廢去,百姓仍在那裏獻祭燒香。
kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 耶和華降災與王,使他長大痲瘋,直到死日,他就住在別的宮裏。他的兒子約坦管理家事,治理國民。
Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin’ ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
6 亞撒利雅其餘的事,凡他所行的都寫在猶大列王記上。
Ary ny tantaran’ i Azaria sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
7 亞撒利雅與他列祖同睡,葬在大衛城他列祖的墳地裏。他兒子約坦接續他作王。
Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
8 猶大王亞撒利雅三十八年,耶羅波安的兒子撒迦利雅在撒馬利亞作以色列王六個月。
Tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zakaria, zanak’ i Jeroboama, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
9 他行耶和華眼中看為惡的事,效法他列祖所行的,不離開尼八的兒子耶羅波安使以色列人陷在罪裏的那罪。
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny razany izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
10 雅比的兒子沙龍背叛他,在百姓面前擊殺他,篡了他的位。
Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan’ ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
11 撒迦利雅其餘的事都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
12 這是從前耶和華應許耶戶說:「你的子孫必坐以色列的國位直到四代。」這話果然應驗了。
Izany no ilay tenin’ i Jehovah nolazainy tamin’ i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
13 猶大王烏西雅三十九年,雅比的兒子沙龍登基在撒馬利亞作王一個月。
Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, dia vao nanjaka tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
14 迦底的兒子米拿現從得撒上撒馬利亞,殺了雅比的兒子沙龍,篡了他的位。
Fa Menahema, zanak’ i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an’ i Saloma, zanak’ i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
15 沙龍其餘的事和他背叛的情形都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Saloma sisa mbamin’ ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
16 那時米拿現從得撒起攻打提斐薩和其四境,擊殺城中一切的人,剖開其中所有的孕婦,都因他們沒有給他開城。
Tamin’ izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an’ i Tifsa mbamin’ izay rehetra tao hatramin’ ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
17 猶大王亞撒利雅三十九年,迦底的兒子米拿現登基,在撒馬利亞作以色列王十年。
Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Menahema, zanak’ i Gady, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
18 他行耶和華眼中看為惡的事,終身不離開尼八的兒子耶羅波安使以色列人陷在罪裏的那罪。
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tamin’ ny androny rehetra dia tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
19 亞述王普勒來攻擊以色列國,米拿現給他一千他連得銀子,請普勒幫助他堅定國位。
Ary Pola, mpanjakan’ i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an’ i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan’ i Menahema.
20 米拿現向以色列一切大富戶索要銀子,使他們各出五十舍客勒,就給了亞述王。於是亞述王回去,不在國中停留。
Ary nampandoavin’ i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan’ i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan’ i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin’ ny tany.
21 米拿現其餘的事,凡他所行的都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Menahema sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
22 米拿現與他列祖同睡。他兒子比加轄接續他作王。
Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
23 猶大王亞撒利雅五十年,米拿現的兒子比加轄在撒馬利亞登基作以色列王二年。
Tamin’ ny taona fahadimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Pekahia, zanak’ i Menahema, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
24 他行耶和華眼中看為惡的事,不離開尼八的兒子耶羅波安使以色列人陷在罪裏的那罪。
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
25 比加轄的將軍、利瑪利的兒子比加背叛他,在撒馬利亞王宮裏的衛所殺了他。亞珥歌伯和亞利耶並基列的五十人幫助比加;比加擊殺他,篡了他的位。
Ary Peka, zanak’ i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an’ i Pekahia mbamin’ i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin’ ny trano-avo amin’ ny lapa, ary teo amin’ Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin’ ny taranak’ i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
26 比加轄其餘的事,凡他所行的都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Pekahia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
27 猶大王亞撒利雅五十二年,利瑪利的兒子比加在撒馬利亞登基作以色列王二十年。
Tamin’ ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
28 他行耶和華眼中看為惡的事,不離開尼八的兒子耶羅波安使以色列人陷在罪裏的那罪。
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
29 以色列王比加年間,亞述王提革拉‧毗列色來奪了以雲、亞伯‧伯‧瑪迦、亞挪、基低斯、夏瑣、基列、加利利,和拿弗他利全地,將這些地方的居民都擄到亞述去了。
Tamin’ ny andron’ i Peka, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, ka nahafaka an’ Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
30 烏西雅的兒子約坦二十年,以拉的兒子何細亞背叛利瑪利的兒子比加,擊殺他,篡了他的位。
Ary Hosea, zanak’ i Elaha, nikomy tamin’ i Peta, Zanak’ i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia.
31 比加其餘的事,凡他所行的都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Peka sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
32 以色列王利瑪利的兒子比加第二年,猶大王烏西雅的兒子約坦登基。
Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda.
33 他登基的時候年二十五歲,在耶路撒冷作王十六年。他母親名叫耶路沙,是撒督的女兒。
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.
34 約坦行耶和華眼中看為正的事,效法他父親烏西雅一切所行的;
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon’ i Ozia rainy no nataony.
35 只是邱壇還沒有廢去,百姓仍在那裏獻祭燒香。約坦建立耶和華殿的上門。
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah.
36 約坦其餘的事,凡他所行的都寫在猶大列王記上。
Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
37 在那些日子,耶和華才使亞蘭王利汛和利瑪利的兒子比加去攻擊猶大。
Tamin’ izany andro Izany no vao nampandehanan’ i Jehovah an’ i Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, hanafika an’ i Joda.
38 約坦與他列祖同睡,葬在他祖大衛城他列祖的墳地裏。他兒子亞哈斯接續他作王。
Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.

< 列王紀下 15 >