< 撒母耳記上 21 >

1 大衛到了挪伯祭司亞希米勒那裏,亞希米勒戰戰兢兢地出來迎接他,問他說:「你為甚麼獨自來,沒有人跟隨呢?」
Ary Davida tonga tany Noba, tany amin’ i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin’ i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
2 大衛回答祭司亞希米勒說:「王吩咐我一件事說:『我差遣你委託你的這件事,不要使人知道。』故此我已派定少年人在某處等候我。
Dia hoy Davida tamin’ i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’ olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.
3 現在你手下有甚麼?求你給我五個餅或是別樣的食物。」
Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
4 祭司對大衛說:「我手下沒有尋常的餅,只有聖餅;若少年人沒有親近婦人才可以給。」
Ary ny mpisorona namaly an’ i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masìna ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
5 大衛對祭司說:「實在約有三日我們沒有親近婦人;我出來的時候,雖是尋常行路,少年人的器皿還是潔淨的;何況今日不更是潔淨嗎?」
Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin’ ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin’ izaho niainga dia masìna ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masìna aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
6 祭司就拿聖餅給他;因為在那裏沒有別樣餅,只有更換新餅,從耶和華面前撤下來的陳設餅。 (
Ary ny mpisorona nanome azy mofo masìna; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan’ i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin’ ny andro nanesorana azy.
7 當日有掃羅的一個臣子留在耶和華面前。他名叫多益,是以東人,作掃羅的司牧長。)
(Nefa nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ i Saoly teo tamin’ izany andro izany, voahazona teo anatrehan’ i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben’ ny mpiandrin’ i Saoly izy.)
8 大衛問亞希米勒說:「你手下有槍有刀沒有?因為王的事甚急,連刀劍器械我都沒有帶。」
Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan’ ny mpanjaka.
9 祭司說:「你在以拉谷殺非利士人歌利亞的那刀在這裏,裹在布中,放在以弗得後邊,你要就可以拿去;除此以外,再沒有別的。」大衛說:「這刀沒有可比的!求你給我。」
Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’ i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin’ ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon’ ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
10 那日大衛起來,躲避掃羅,逃到迦特王亞吉那裏。
Ary Davida niainga nandositra tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ i Saoly, dia nankany amin’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata.
11 亞吉的臣僕對亞吉說:「這不是 以色列國王大衛嗎?那裏的婦女跳舞唱和,不是指着他說『掃羅殺死千千,大衛殺死萬萬』嗎?」
Ary hoy ny mpanompon’ i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
12 大衛將這話放在心裏,甚懼怕迦特王亞吉,
Ary dia nalatsak’ i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata, indrindra izy.
13 就在眾人面前改變了尋常的舉動,在他們手下假裝瘋癲,在城門的門扇上胡寫亂畫,使唾沫流在鬍子上。
Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin’ ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin’ ny somony ny iviny.
14 亞吉對臣僕說:「你們看,這人是瘋子。為甚麼帶他到我這裏來呢?
Ary hoy Akisy tamin’ ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?
15 我豈缺少瘋子,你們帶這人來在我面前瘋癲嗎?這人豈可進我的家呢?」
Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?

< 撒母耳記上 21 >