< 撒母耳記上 20 >

1 大衛從拉瑪的拿約逃跑,來到約拿單那裏,對他說:「我做了甚麼?有甚麼罪孽呢?在你父親面前犯了甚麼罪,他竟尋索我的性命呢?」
Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan’ i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
2 約拿單回答說:「斷然不是!你必不致死。我父做事,無論大小,沒有不叫我知道的。怎麼獨有這事隱瞞我呢?決不如此。」
Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran’ ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon’ ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
3 大衛又起誓說:「你父親準知我在你眼前蒙恩。他心裏說,不如不叫約拿單知道,恐怕他愁煩。我指着永生的耶和華,又敢在你面前起誓,我離死不過一步。」
Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’ i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
4 約拿單對大衛說:「你心裏所求的,我必為你成就。」
Dia hoy Jonatana tamin’ i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.
5 大衛對約拿單說:「明日是初一,我當與王同席,求你容我去藏在田野,直到第三日晚上。
Ary hoy Davida tamin’ i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin’ ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin’ ny afaka ampitso harivariva.
6 你父親若見我不在席上,你就說:『大衛切求我許他回本城伯利恆去,因為他全家在那裏獻年祭。』
Koa raha hitan’ ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin’ izy mianakavy rehetra isan-taona any.
7 你父親若說好,僕人就平安了;他若發怒,你就知道他決意要害我。
Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an’ ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
8 求你施恩與僕人,因你在耶和華面前曾與僕人結盟。我若有罪,不如你自己殺我,何必將我交給你父親呢?」
Koa mamindrà fo amin’ ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken’ i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin’ ny rainao aho?
9 約拿單說:「斷無此事!我若知道我父親決意害你,我豈不告訴你呢?」
Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan’ ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.
10 大衛對約拿單說:「你父親若用厲言回答你,誰來告訴我呢?」
Dia hoy Davida tamin’ i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao?
11 約拿單對大衛說:「你我且往田野去。」二人就往田野去了。
Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.
12 約拿單對大衛說:「願耶和華-以色列的上帝為證。明日約在這時候,或第三日,我探我父親的意思,若向你有好意,我豈不打發人告訴你嗎?
Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an’ i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
13 我父親若有意害你,我不告訴你使你平平安安地走,願耶和華重重地降罰與我。願耶和華與你同在,如同從前與我父親同在一樣。
dia hataon’ i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin’ ny raiko anie Jehovah.
14 你要照耶和華的慈愛恩待我,不但我活着的時候免我死亡,
Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran’ i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?
15 就是我死後,耶和華從地上剪除你仇敵的時候,你也永不可向我家絕了恩惠。」
Ary tsy hesorinao amin’ ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan’ i Jehovah ny fahavalon’ i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin’ ny tany.
16 於是約拿單與大衛家結盟,說:「願耶和華藉大衛的仇敵追討背約的罪。」
Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin’ ny taranak’ i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon’ i Davida.
17 約拿單因愛大衛如同愛自己的性命,就使他再起誓。
Ary Jonatana nampianiana an’ i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.
18 約拿單對他說:「明日是初一,你的座位空設,人必理會你不在那裏。
Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.
19 你等三日,就要速速下去,到你從前遇事所藏的地方,在以色磐石那裏等候。
Koa rehefa mby amin’ ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin’ ilay nierenao tamin’ ny andro nitrangan’ ilay raharaha iny, ka mitoera ao anilan’ ny vato Ezela.
20 我要向磐石旁邊射三箭,如同射箭靶一樣。
Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.
21 我要打發童子,說:『去把箭找來。』我若對童子說:『箭在後頭,把箭拿來』,你就可以回來;我指着永生的耶和華起誓,你必平安無事。
Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin’ ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin’ ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.
22 我若對童子說:『箭在前頭』,你就要去,因為是耶和華打發你去的。
Fa raha hoy kosa aho amin’ ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.
23 至於你我今日所說的話,有耶和華在你我中間為證,直到永遠。」
Ary ny amin’ ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.
24 大衛就去藏在田野。到了初一日,王坐席要吃飯。
Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana
25 王照常坐在靠牆的位上,約拿單侍立,押尼珥坐在掃羅旁邊,大衛的座位空設。
teo amin’ ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin’ ny fipetrahana teo anilan’ ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan’ i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan’ i Davida.
26 然而這日掃羅沒有說甚麼,他想大衛遇事,偶染不潔,他必定是不潔。
Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin’ izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.
27 初二日大衛的座位還空設。掃羅問他兒子約拿單說:「耶西的兒子為何昨日、今日沒有來吃飯呢?」
Ary nony tamin’ ny andro faharoa dia ny ampitson’ ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan’ i Davida, dia hoy Saoly tamin’ i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan’ ny zanak’ i Jese hihinana omaly sy androany?
28 約拿單回答掃羅說:「大衛切求我容他往伯利恆去。
Ary Jonatana namaly an’ i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema
29 他說:『求你容我去,因為我家在城裏有獻祭的事;我長兄吩咐我去。如今我若在你眼前蒙恩,求你容我去見我的弟兄』;所以大衛沒有赴王的席。」
nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain’ ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin’ ny latabatry ny mpanjaka.
30 掃羅向約拿單發怒,對他說:「你這頑梗背逆之婦人所生的,我豈不知道你喜悅耶西的兒子,自取羞辱,以致你母親露體蒙羞嗎?
Dia nirehitra tamin’ i Jonatana ny fahatezeran’ i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak’ i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon’ ny reninao.
31 耶西的兒子若在世間活着,你和你的國位必站立不住。現在你要打發人去,將他捉拿交給我;他是該死的。」
Fa raha mbola velona etỳ ambonin’ ny tany koa iny zanak’ i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
32 約拿單對父親掃羅說:「他為甚麼該死呢?他做了甚麼呢?」
Ary Jonatana namaly an’ i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?
33 掃羅向約拿單掄槍要刺他,約拿單就知道他父親決意要殺大衛。
Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr’ i Jonatana fa nofofoin’ ny rainy hovonoina Davida.
34 於是約拿單氣忿忿地從席上起來,在這初二日沒有吃飯。他因見父親羞辱大衛,就為大衛愁煩。
Dia nitsangana niala teo amin’ ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin’ ny ampitson’ ny tsinam-bolana; fa nalahelo an’ i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.
35 次日早晨,約拿單按着與大衛約會的時候出到田野,有一個童子跟隨。
Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin’ ilay fotoana nataony tamin’ i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.
36 約拿單對童子說:「你跑去,把我所射的箭找來。」童子跑去,約拿單就把箭射在童子前頭。
Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
37 童子到了約拿單落箭之地,約拿單呼叫童子說:「箭不是在你前頭嗎?」
Ary nony efa tonga teo amin’ ilay nipetrahan’ ny zana-tsipìka nalefan’ i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin’ i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?
38 約拿單又呼叫童子說:「速速地去,不要遲延!」童子就拾起箭來,回到主人那裏。
Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin’ i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin’ ny tompony.
39 童子卻不知道這是甚麼意思,只有約拿單和大衛知道。
Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton’ izany.
40 約拿單將弓箭交給童子,吩咐說:「你拿到城裏去。」
Dia nomen’ i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.
41 童子一去,大衛就從磐石的南邊出來,俯伏在地,拜了三拜;二人親嘴,彼此哭泣,大衛哭得更慟。
Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin’ ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an’ i Davida dia mafy loatra.
42 約拿單對大衛說:「我們二人曾指着耶和華的名起誓說:『願耶和華在你我中間,並你我後裔中間為證,直到永遠。』如今你平平安安地去吧!」大衛就起身走了;約拿單也回城裏去了。
Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin’ ny anaran’ i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin’ ny taranako sy ny taranakao mandrakizay. Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.

< 撒母耳記上 20 >