< 列王紀上 17 >
1 基列寄居的提斯比人以利亞對亞哈說:「我指着所事奉永生耶和華-以色列的上帝起誓,這幾年我若不禱告,必不降露,不下雨。」
Ary Elia Tisbita, isan’ ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin’ i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’ izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
Ary ny tenin’ i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
3 「你離開這裏往東去,藏在約旦河東邊的基立溪旁。
Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan’ ny renirano Kerita, izay any atsinanan’ i Jordana.
4 你要喝那溪裏的水,我已吩咐烏鴉在那裏供養你。」
Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
5 於是以利亞照着耶和華的話,去住在約旦河東的基立溪旁。
Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin’ i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan’ ny renirano Kerita any atsinanan’ i Jordana.
Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin’ ny renirano no nisotroany.
Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian’ ny ranonorana tamin’ ny tany.
Ary ny tenin’ i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:
9 「你起身往西頓的撒勒法去,住在那裏;我已吩咐那裏的一個寡婦供養你。」
Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman’ i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
10 以利亞就起身往撒勒法去。到了城門,見有一個寡婦在那裏撿柴,以利亞呼叫她說:「求你用器皿取點水來給我喝。」
Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin’ ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna hianao, itondray rano kely amin’ ny fisotroana aho mba hosotroiko.
11 她去取水的時候,以利亞又呼叫她說:「也求你拿點餅來給我!」
Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
12 她說:「我指着永生耶和華-你的上帝起誓,我沒有餅,罈內只有一把麵,瓶裏只有一點油;我現在找兩根柴,回家要為我和我兒子做餅;我們吃了,死就死吧!」
Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan’ ila ao amin’ ny barika sy diloilo kely foana ao amin’ ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
13 以利亞對她說:「不要懼怕!可以照你所說的去做吧!只要先為我做一個小餅拿來給我,然後為你和你的兒子做餅。
Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
14 因為耶和華-以色列的上帝如此說:罈內的麵必不減少,瓶裏的油必不缺短,直到耶和華使雨降在地上的日子。」
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ ny tavoara mandra-pihavin’ ny andro handatsahan’ i Jehovah ranonorana amin’ ny tany.
15 婦人就照以利亞的話去行。她和她家中的人,並以利亞,吃了許多日子。
Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin’ ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
16 罈內的麵果不減少,瓶裏的油也不缺短,正如耶和華藉以利亞所說的話。
Nefa tsy lany ny koba tao amin’ ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ ny tavoara, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Elia.
17 這事以後,作那家主母的婦人,她兒子病了;病得甚重,以致身無氣息。
Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy.
18 婦人對以利亞說:「神人哪,我與你何干?你竟到我這裏來,使上帝想念我的罪,以致我的兒子死呢?」
Dia hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?
19 以利亞對她說:「把你兒子交給我。」以利亞就從婦人懷中將孩子接過來,抱到他所住的樓中,放在自己的床上,
Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
20 就求告耶和華說:「耶和華-我的上帝啊,我寄居在這寡婦的家裏,你就降禍與她,使她的兒子死了嗎?」
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin’ ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
21 以利亞三次伏在孩子的身上,求告耶和華說:「耶和華-我的上帝啊,求你使這孩子的靈魂仍入他的身體!」
Dia niampatra intelo tamin’ ny zaza izy sady nitaraina tamin’ i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain’ ity zaza ity.
22 耶和華應允以利亞的話,孩子的靈魂仍入他的身體,他就活了。
Ary Jehovah nihaino ny feon’ i Elia, dia nody taminy indray ny ain’ ny zaza, ka dia velona izy.
23 以利亞將孩子從樓上抱下來,進屋子交給他母親,說:「看哪,你的兒子活了!」
Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao.
24 婦人對以利亞說:「現在我知道你是神人,耶和華藉你口所說的話是真的。」
Ary hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’ Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’ i Jehovah aloaky ny vavanao.