< 列王紀上 16 >

1 耶和華的話臨到哈拿尼的兒子耶戶,責備巴沙說:
Ary tonga tamin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, ny tenin’ i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
2 「我既從塵埃中提拔你,立你作我民以色列的君,你竟行耶羅波安所行的道,使我民以色列陷在罪裏,惹我發怒,
Satria nasandratro avy tamin’ ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin’ ny fahotany,
3 我必除盡你和你的家,使你的家像尼八的兒子耶羅波安的家一樣。
dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ Jeroboama, zanak’ i Nebata.
4 凡屬巴沙的人,死在城中的必被狗吃,死在田野的必被空中的鳥吃。」
Koa izay tamingan’ i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina.
5 巴沙其餘的事,凡他所行的和他的勇力,都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Basa sisa mbamin’ izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
6 巴沙與他列祖同睡,葬在得撒。他兒子以拉接續他作王。
Ary Basa lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
7 耶和華的話臨到哈拿尼的兒子先知耶戶,責備巴沙和他的家,因他行耶和華眼中看為惡的一切事,以他手所做的惹耶和華發怒,像耶羅波安的家一樣,又因他殺了耶羅波安的全家。
Ary Jeho mpaminany zanak’ i Hanany, dia nampitondraina ny tenin’ i Jehovah ny amin’ i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin’ ny asan’ ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin’ i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
8 猶大王亞撒二十六年,巴沙的兒子以拉在得撒登基作以色列王共二年。
Tamin’ ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Elaha, zanak’ i Basa, tamin’ ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
9 有管理他一半戰車的臣子心利背叛他。當他在得撒家宰亞雜家裏喝醉的時候,
Ary Zimry mpanompony, komandin’ ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon’ i Arza, lehiben’ ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
10 心利就進去殺了他,篡了他的位。這是猶大王亞撒二十七年的事。
Dia niditra Zimry ka namely an’ i Elaha ho faty tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
11 心利一坐王位就殺了巴沙的全家,連他的親屬、朋友也沒有留下一個男丁。
Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin’ i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ ny havany, na tamin’ ny sakaizany.
12 心利這樣滅絕巴沙的全家,正如耶和華藉先知耶戶責備巴沙的話。
Toy izany no nandringanan’ i Zimry ny mpianakavin’ i Basa rehetra, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jehovah mpaminany ny amin’ i Basa,
13 這是因巴沙和他兒子以拉的一切罪,就是他們使以色列人陷在罪裏的那罪,以虛無的神惹耶和華-以色列上帝的怒氣。
noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’ i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
14 以拉其餘的事,凡他所行的,都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Elaha sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
15 猶大王亞撒二十七年,心利在得撒作王七日。那時民正安營圍攻非利士的基比頓。
Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an’ i Gibetona, izay an’ ny Filistina.
16 民在營中聽說心利背叛,又殺了王,故此以色列眾人當日在營中立元帥暗利作以色列王。
Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an’ i Omry, komandin’ ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan’ ny Isiraely.
17 暗利率領以色列眾人,從基比頓上去,圍困得撒。
Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an’ i Tirza.
18 心利見城破失,就進了王宮的衛所,放火焚燒宮殿,自焚而死。
Ary nony hitan’ i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin’ ny trano avo amin’ ny lapa izy, ary nodorany tamin’ ny afo ny lapa, ka may tao izy, dia maty
19 這是因他犯罪,行耶和華眼中看為惡的事,行耶羅波安所行的,犯他使以色列人陷在罪裏的那罪。
noho ny fahotana izay nataony tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah, tamin’ ny nandehanany tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
20 心利其餘的事和他背叛的情形都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Zimry sisa mbamin’ ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
21 那時,以色列民分為兩半:一半隨從基納的兒子提比尼,要立他作王;一半隨從暗利。
Ary tamin’ izany dia nizara roa ny lehilahy amin’ ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak’ i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an’ i Omry.
22 但隨從暗利的民勝過隨從基納的兒子提比尼的民。提比尼死了,暗利就作了王。
Fa ny olona izay nomba an’ i Omry naharesy ny olona izay nomba an’ i Tibny, zanak’ i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
23 猶大王亞撒三十一年,暗利登基作以色列王共十二年;在得撒作王六年。
Tamin’ ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Omry; ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona tamin’ ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
24 暗利用二他連得銀子向撒瑪買了撒馬利亞山,在山上造城,就按着山的原主撒瑪的名,給所造的城起名叫撒馬利亞。
Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’ i Samera ny havoan’ i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon’ ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran’ i Samera, tompon’ ny havoana, ny anaran’ ny tanàna.
25 暗利行耶和華眼中看為惡的事,比他以前的列王作惡更甚。
Fa Omry nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
26 因他行了尼八的兒子耶羅波安所行的,犯他使以色列人陷在罪裏的那罪,以虛無的神惹耶和華-以色列上帝的怒氣。
fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra nalehan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tamin’ ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
27 暗利其餘的事和他所顯出的勇力都寫在以色列諸王記上。
Ary ny tantaran’ i Omry sisa mbamin’ izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
28 暗利與他列祖同睡,葬在撒馬利亞。他兒子亞哈接續他作王。
Ary Omry lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
29 猶大王亞撒三十八年,暗利的兒子亞哈登基作了以色列王。暗利的兒子亞哈在撒馬利亞作以色列王二十二年。
Ary Ahaba, zanak’ i Omry, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
30 暗利的兒子亞哈行耶和華眼中看為惡的事,比他以前的列王更甚,
Ary Ahaba, zanak’ i Omry, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
31 犯了尼八的兒子耶羅波安所犯的罪;他還以為輕,又娶了西頓王謁巴力的女兒耶洗別為妻,去事奉敬拜巴力,
Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
32 在撒馬利亞建造巴力的廟,在廟裏為巴力築壇。
Ary nanao alitara ho an’ i Bala tao amin’ ny tranon’ i Bala izay nataony tao Samaria izy.
33 亞哈又做亞舍拉,他所行的惹耶和華-以色列上帝的怒氣,比他以前的以色列諸王更甚。
Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
34 亞哈在位的時候,有伯特利人希伊勒重修耶利哥城;立根基的時候,喪了長子亞比蘭;安門的時候,喪了幼子西割,正如耶和華藉嫩的兒子約書亞所說的話。
Tamin’ ny andron’ i Ahaba no nanorenan’ i Hiela Betelita an’ i Jeriko; ny ain’ i Abìrama lahimatoany no sazin’ ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ i Segoba faralahiny no sazin’ ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Josoa, zanak’ i Nona.

< 列王紀上 16 >