< 箴言 20 >
1 酒能使人亵慢,浓酒使人喧嚷; 凡因酒错误的,就无智慧。
Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
2 王的威吓如同狮子吼叫; 惹动他怒的,是自害己命。
Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,
Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
4 懒惰人因冬寒不肯耕种, 到收割的时候,他必讨饭而无所得。
Ny malaina tsy mety miasa amin’ ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.
5 人心怀藏谋略,好像深水, 惟明哲人才能汲引出来。
Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
Mipetraka eo amin’ ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
10 两样的法码,两样的升斗, 都为耶和华所憎恶。
Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
11 孩童的动作是清洁,是正直, 都显明他的本性。
Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’ i Jehovah avokoa.
Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
14 买物的说:不好,不好; 及至买去,他便自夸。
Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
15 有金子和许多珍珠, 惟有知识的嘴乃为贵重的珍宝。
Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
16 谁为生人作保,就拿谁的衣服; 谁为外人作保,谁就要承当。
Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny niantohany.
17 以虚谎而得的食物,人觉甘甜; 但后来,他的口必充满尘沙。
Mamin’ ny olona ny hanina azo amin’ ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
19 往来传舌的,泄漏密事; 大张嘴的,不可与他结交。
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’ izay mibedibedy foana.
Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ ny alim-pito ny jirony.
Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.
22 你不要说,我要以恶报恶; 要等候耶和华,他必拯救你。
Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
23 两样的法码为耶和华所憎恶; 诡诈的天平也为不善。
Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
24 人的脚步为耶和华所定; 人岂能明白自己的路呢?
Avy amin’ i Jehovah ny dian’ ny olona, Ary hataon’ izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
25 人冒失说,这是圣物, 许愿之后才查问,就是自陷网罗。
Fandrika amin’ ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masìna ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
Jiron’ i Jehovah ny fanahin’ ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
28 王因仁慈和诚实得以保全他的国位, 也因仁慈立稳。
Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin’ ny famindram-po ny seza fiandrianany.
Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.