< 传道书 1 >

1 在耶路撒冷作王、大卫的儿子、传道者的言语。
Ny tenin’ i Mpitoriteny, zanak’ i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2 传道者说:虚空的虚空, 虚空的虚空,凡事都是虚空。
Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
3 人一切的劳碌, 就是他在日光之下的劳碌,有什么益处呢?
Inona no soa azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ ny masoandro?
4 一代过去,一代又来, 地却永远长存。
Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
5 日头出来,日头落下, 急归所出之地。
Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin’ ny fitoerana izay niposahany.
6 风往南刮,又向北转, 不住地旋转,而且返回转行原道。
Mianatsimo ny rivotra, dia mihodìna mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
7 江河都往海里流,海却不满; 江河从何处流,仍归还何处。
Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’ izay falehan’ ny renirano ihany no iverenany indray.
8 万事令人厌烦, 人不能说尽。 眼看,看不饱; 耳听,听不足。
Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.
9 已有的事后必再有; 已行的事后必再行。 日光之下并无新事。
Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ ny masoandro.
10 岂有一件事人能指着说这是新的? 哪知,在我们以前的世代早已有了。
Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ ny andro talohantsika ihany izany.
11 已过的世代,无人记念; 将来的世代,后来的人也不记念。
Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan’ izay handimby azy.
12 我传道者在耶路撒冷作过以色列的王。
Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ ny Isiraely tany Jerosalema;
13 我专心用智慧寻求、查究天下所做的一切事,乃知 神叫世人所经练的是极重的劳苦。
ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny lanitra; asa mahareraka omen’ Andriamanitra hisasaran’ ny zanak’ olombelona izany.
14 我见日光之下所做的一切事,都是虚空,都是捕风。
Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.
15 弯曲的,不能变直; 缺少的,不能足数。
Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.
16 我心里议论说:我得了大智慧,胜过我以前在耶路撒冷的众人,而且我心中多经历智慧和知识的事。
Hoy izaho tamin’ ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
17 我又专心察明智慧、狂妄,和愚昧,乃知这也是捕风。
Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,
18 因为多有智慧,就多有愁烦; 加增知识的,就加增忧伤。
satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.

< 传道书 1 >