< 1 хроніки 14 >

1 А Хіра́м, цар тирський, послав до Давида послів, і ке́дрового дерева, каменярі́в та теслярі́в, щоб збудувати йому дім.
Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
2 І пізнав Дави́д, що Госпо́дь міцно поставив його́ царем над Ізраїлем, бо царство його було підне́сене ви́соко ради народу його, Ізраїля.
Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
3 І взяв Давид іще жіно́к в Єрусалимі, — і Давид породив іще сині́в та дочо́к.
Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
4 А оце імена́ наро́джених йому в Єрусалимі: Шаммуа і Шовав, Натан і Соломон,
Ary izao no anaran’ ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
5 і Ївхар, і Елішуя, і Елпелет,
sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
6 і Ноґах, і Нефеґ, і Яфія,
sy Noga sy Nafega sy Jafia
7 і Елішама, і Ел'яда, і Еліфелет.
sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
8 І почули филисти́мляни, що Давид був пома́заний на царя над усім Ізраїлем, — і підняли́ся всі филисти́мляни, щоб шукати Давида. А Давид почув про це, і вийшов проти них.
Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan’ ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’ i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
9 А филисти́мляни прийшли й стали табо́рами в долині Рефаїм.
Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
10 І питався Давид у Бога, говорячи: „Чи вихо́дити на филисти́млян, і чи даси Ти їх в руку мою?“І відказав йому Господь: „Вийди, — і Я дам їх у руку твою“.
Ary Davida nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
11 І зійшли́ вони до Баал-Пераціму, — і Давид побив їх там. І сказав Давид: „Розбив Бог ворогів моїх рукою моєю, як прори́в води!“Тому назвали ім'я́ того місця: Баал-Перацім!
Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’ Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
12 А вони позоста́вили там богів своїх, і Давид наказав, — і вони були спа́лені в огні.
Dia nilaozan’ ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’ i Davida nodorana tamin’ ny afo.
13 А филисти́мляни ще ота́борилися в долині.
Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
14 А Давид іще питався Бога, і Бог йому сказав: „Не пі́деш за ними, а поверни́ від них, і прибу́деш до них з-навпроти бальза́мового ліска́.
Dia nanontany tamin’ Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
15 І станеться, як ти почуєш шелест ніби кроків на верхові́ттях бальза́мових дерев, тоді ви́йдеш на бій, бо то вийшов Бог перед тебе, щоб побити филисти́мський та́бір“.
Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin’ izay hiady; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
16 І зробив Давид так, як наказав йому Бог, і вони побили филисти́мський та́бір від Ґів'ону аж до Ґезеру.
Ary dia nanao araka izay nandidian’ Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan’ ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
17 І не́слося Дави́дове ім'я́ по всіх края́х, а Госпо́дь дав, що всі наро́ди боялись його́.
Ary ny lazan’ i Davida niely teny amin’ ny tany rehetra; ary nataon’ i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’ i Davida.

< 1 хроніки 14 >