< Псалтирь 107 >

1 Аллилуия. Славьте Господа, ибо Он благ, ибо вовек милость Его!
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Так да скажут избавленные Господом, которых избавил Он от руки врага,
Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo,
3 и собрал от стран, от востока и запада, от севера и моря.
Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina.
4 Они блуждали в пустыне по безлюдному пути и не находили населенного города;
Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
5 терпели голод и жажду, душа их истаевала в них.
Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
6 Но воззвали к Господу в скорби своей, и Он избавил их от бедствий их,
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny;
7 и повел их прямым путем, чтобы они шли к населенному городу.
Dia nitondra azy tamin’ ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’ izay tanàna honenana.
8 Да славят Господа за милость Его и за чудные дела Его для сынов человеческих:
Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
9 ибо Он насытил душу жаждущую и душу алчущую исполнил благами.
Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
10 Они сидели во тьме и тени смертной, окованные скорбью и железом;
Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
11 ибо не покорялись словам Божиим и небрегли о воле Всевышнего.
Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
12 Он смирил сердце их работами; они преткнулись, и не было помогающего.
Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;
13 Но воззвали к Господу в скорби своей, и Он спас их от бедствий их;
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
14 вывел их из тьмы и тени смертной, и расторгнул узы их.
Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
15 Да славят Господа за милость Его и за чудные дела Его для сынов человеческих:
Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
16 ибо Он сокрушил врата медные и вереи железные сломил.
Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
17 Безрассудные страдали за беззаконные пути свои и за неправды свои;
Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
18 от всякой пищи отвращалась душа их, и они приближались ко вратам смерти.
Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy.
19 Но воззвали к Господу в скорби своей, и Он спас их от бедствий их;
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
20 послал слово Свое и исцелил их, и избавил их от могил их.
Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany.
21 Да славят Господа за милость Его и за чудные дела Его для сынов человеческих!
Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
22 Да приносят Ему жертву хвалы и да возвещают о делах Его с пением!
Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin’ ny fihobiana.
23 Отправляющиеся на кораблях в море, производящие дела на больших водах,
Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibe
24 видят дела Господа и чудеса Его в пучине:
No mahita ny asan’ i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ ny rano lalina.
25 Он речет, - и восстанет бурный ветер и высоко поднимает волны его:
Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
26 восходят до небес, нисходят до бездны; душа их истаевает в бедствии;
Niakatra hatramin’ ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
27 они кружатся и шатаются, как пьяные, и вся мудрость их исчезает.
Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
28 Но воззвали к Господу в скорби своей, и Он вывел их из бедствия их.
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ ny fahatereny Izy.
29 Он превращает бурю в тишину, и волны умолкают.
Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
30 И веселятся, что они утихли, и Он приводит их к желаемой пристани.
Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy.
31 Да славят Господа за милость Его и за чудные дела Его для сынов человеческих!
Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
32 Да превозносят Его в собрании народном и да славят Его в сонме старейшин!
Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona izy Ka hidera Azy eo amin’ ny fipetrahan’ ny loholona.
33 Он превращает реки в пустыню и источники вод - в сушу,
Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
34 землю плодородную - в солончатую, за нечестие живущих на ней.
Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo.
35 Он превращает пустыню в озеро, и землю иссохшую - в источники вод;
Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
36 и поселяет там алчущих, и они строят город для обитания;
Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
37 засевают поля, насаждают виноградники, которые приносят им обильные плоды.
Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
38 Он благословляет их, и они весьма размножаются, и скота их не умаляет.
Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39 Уменьшились они и упали от угнетения, бедствия и скорби,
Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40 Он изливает бесчестие на князей и оставляет их блуждать в пустыне, где нет путей.
Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
41 Бедного же извлекает из бедствия и умножает род его, как стада овец.
Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
42 Праведники видят сие и радуются, а всякое нечестие заграждает уста свои.
Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
43 Кто мудр, тот заметит сие и уразумеет милость Господа.
Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon’ i Jehovah.

< Псалтирь 107 >