< Salamo 84 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ ny Koraïta. Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô!
可拉后裔的诗,交与伶长。用迦特乐器。 万军之耶和华啊, 你的居所何等可爱!
2 Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.
我羡慕渴想耶和华的院宇; 我的心肠,我的肉体向永生 神呼吁。
3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
万军之耶和华—我的王,我的 神啊, 在你祭坛那里,麻雀为自己找着房屋, 燕子为自己找着抱雏之窝。
4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. (Sela)
如此住在你殿中的便为有福! 他们仍要赞美你。 (细拉)
5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
靠你有力量、心中想往锡安大道的, 这人便为有福!
6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.
他们经过“流泪谷”,叫这谷变为泉源之地; 并有秋雨之福盖满了全谷。
7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
他们行走,力上加力, 各人到锡安朝见 神。
8 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. (Sela)
耶和华—万军之 神啊,求你听我的祷告! 雅各的 神啊,求你留心听! (细拉)
9 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.
神啊,你是我们的盾牌; 求你垂顾观看你受膏者的面!
10 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.
在你的院宇住一日, 胜似在别处住千日; 宁可在我 神殿中看门, 不愿住在恶人的帐棚里。
11 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.
因为耶和华— 神是日头,是盾牌, 要赐下恩惠和荣耀。 他未尝留下一样好处不给那些行动正直的人。
12 Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
万军之耶和华啊, 倚靠你的人便为有福!

< Salamo 84 >