< Salamo 49 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao:
В конец, сыном Кореовым, псалом. Услышите сия, вси языцы, внушите, вси живущии по вселенней,
2 Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
земнороднии же и сынове человечестии, вкупе богат и убог.
3 Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ ny foko dia fahalalana.
Уста моя возглаголют премудрость, и поучение сердца моего разум.
4 Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
Приклоню в притчу ухо мое, отверзу во псалтири ганание мое.
5 Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy,
Вскую боюся в день лют? Беззаконие пяты моея обыдет мя.
6 Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ ny haben’ ny fananany?
Надеющиися на силу свою и о множестве богатства своего хвалящиися:
7 Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony,
брат не избавит, избавит ли человек? Не даст Богу измены за ся,
8 (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
и цену избавления души своея: и утрудися в век,
9 Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka.
и жив будет до конца, не узрит пагубы.
10 Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa.
Егда увидит премудрыя умирающыя, вкупе безумен и несмыслен погибнут, и оставят чуждим богатство свое.
11 Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.
И гроби их жилища их во век, селения их в род и род, нарекоша имена своя на землях.
12 Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
И человек в чести сый не разуме, приложися скотом несмысленным и уподобися им.
13 Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. (Sela)
Сей путь их соблазн им, и по сих во устех своих благоволят.
14 Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany. (Sheol h7585)
Яко овцы во аде положени суть, смерть упасет я: и обладают ими правии заутра, и помощь их обетшает во аде: от славы своея изриновени быша. (Sheol h7585)
15 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. (Sela) (Sheol h7585)
Обаче Бог избавит душу мою из руки адовы, егда приемлет мя. (Sheol h7585)
16 Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
Не убойся, егда разбогатеет человек, или егда умножится слава дому его:
17 Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
яко внегда умрети ему, не возмет вся, ниже снидет с ним слава его.
18 Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona ― Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao ―
Яко душа его в животе его благословится, исповестся тебе, егда благосотвориши ему.
19 Dia hankany amin’ ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
Внидет даже до рода отец своих, даже до века не узрит света.
20 Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
И человек в чести сый не разуме, приложися скотом несмысленным и уподобися им.

< Salamo 49 >