< Mpitsara 15 >

1 Ary nony afaka kelikely, tamin’ ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak’ osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin’ ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
過了些日子,到割麥子的時候,參孫帶着一隻山羊羔去看他的妻,說:「我要進內室見我的妻。」他岳父不容他進去,
2 fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an’ ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masìna ianao, aoka izy halainao ho solony.
說:「我估定你是極其恨她,因此我將她給了你的陪伴。她的妹子不是比她還美麗嗎?你可以娶來代替她吧!」
3 Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
參孫說:「這回我加害於非利士人不算有罪。」
4 Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon’ ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan’ ny rambony ilay hatao fanilo.
於是參孫去捉了三百隻狐狸,將狐狸尾巴一對一對地捆上,將火把捆在兩條尾巴中間,
5 Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin’ ny varin’ ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
點着火把,就放狐狸進入非利士人站着的禾稼,將堆集的禾捆和未割的禾稼,並橄欖園盡都燒了。
6 Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton’ ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an’ ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin’ ny afo.
非利士人說:「這事是誰做的呢?」有人說:「是亭拿人的女婿參孫,因為他岳父將他的妻給了他的陪伴。」於是非利士人上去,用火燒了婦人和她的父親。
7 Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
參孫對非利士人說:「你們既然這樣行,我必向你們報仇才肯罷休。」
8 Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak’ ilay harambato mitresaka any Etama.
參孫就大大擊殺他們,連腿帶腰都砍斷了。他便下去,住在以坦磐的穴內。
9 Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin’ ny Joda ka niely tany Lehy.
非利士人上去安營在猶大,布散在利希。
10 Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an’ i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
猶大人說:「你們為何上來攻擊我們呢?」他們說:「我們上來是要捆綁參孫;他向我們怎樣行,我們也要向他怎樣行。」
11 Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin’ ny Joda nankany amin’ ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin’ i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
於是有三千猶大人下到以坦磐的穴內,對參孫說:「非利士人轄制我們,你不知道嗎?你向我們行的是甚麼事呢?」他回答說:「他們向我怎樣行,我也要向他們怎樣行。」
12 Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan’ ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
猶大人對他說:「我們下來是要捆綁你,將你交在非利士人手中。」參孫說:「你們要向我起誓,應承你們自己不害死我。」
13 Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin’ ilay harambato.
他們說:「我們斷不殺你,只要將你捆綁交在非利士人手中。」於是用兩條新繩捆綁參孫,將他從以坦磐帶上去。
14 Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’ i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ ny afo ny mahazaka teny amin’ ny sandriny ary afaka tamin’ ny tànany ny fatorana.
參孫到了利希,非利士人都迎着喧嚷。耶和華的靈大大感動參孫,他臂上的繩就像火燒的麻一樣,他的綁繩都從他手上脫落下來。
15 Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
他見一塊未乾的驢腮骨,就伸手拾起來,用以擊殺一千人。
16 Ary hoy Samsona: Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
參孫說: 我用驢腮骨殺人成堆, 用驢腮骨殺了一千人。
17 Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.
說完這話,就把那腮骨從手裏拋出去了。那地便叫拉末‧利希。
18 Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ ny tanan’ ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ ny tsy mifora!
參孫甚覺口渴,就求告耶和華說:「你既藉僕人的手施行這麼大的拯救,豈可任我渴死、落在未受割禮的人手中呢?」
19 Dia nampitresahin’ Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.
上帝就使利希的窪處裂開,有水從其中湧出來。參孫喝了,精神復原;因此那泉名叫隱‧哈歌利,那泉直到今日還在利希。
20 Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin’ ny andron’ ny Filistina izy.
當非利士人轄制以色列人的時候,參孫作以色列的士師二十年。

< Mpitsara 15 >