< Mpitsara 14 >

1 Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina.
參孫下到亭拿,在那裏看見一個女子,是非利士人的女兒。
2 Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin’ ny zanakavavin’ ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
參孫上來稟告他父母說:「我在亭拿看見一個女子,是非利士人的女兒,願你們給我娶來為妻。」
3 Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ ny zana-kavanao, na ato amin’ ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin’ ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
他父母說:「在你弟兄的女兒中,或在本國的民中,豈沒有一個女子,何致你去在未受割禮的非利士人中娶妻呢?」參孫對他父親說:「願你給我娶那女子,因我喜悅她。」
4 Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’ i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin’ ny Filistina Izy; fa tamin’ izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
他的父母卻不知道這事是出於耶和華,因為他找機會攻擊非利士人。那時,非利士人轄制以色列人。
5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin’ ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
參孫跟他父母下亭拿去,到了亭拿的葡萄園,見有一隻少壯獅子向他吼叫。
6 Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak’ osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin’ ny rainy na tamin’ ny reniny izay efa nataony.
耶和華的靈大大感動參孫,他雖然手無器械,卻將獅子撕裂,如同撕裂山羊羔一樣。他行這事並沒有告訴父母。
7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an’ i Samsona izy.
參孫下去與女子說話,就喜悅她;
8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin’ ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin’ ilay fatin’ ny liona.
過了些日子,再下去要娶那女子,轉向道旁要看死獅,見有一群蜂子和蜜在死獅之內,
9 Ary nalain’ i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin’ ny fatin’ ilay liona no nangalany ny tantely.
就用手取蜜,且吃且走;到了父母那裏,給他父母,他們也吃了;只是沒有告訴這蜜是從死獅之內取來的。
10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain’ i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon’ ny zatovo.
他父親下去見女子。參孫在那裏設擺筵宴,因為向來少年人都有這個規矩。
11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
眾人看見參孫,就請了三十個人陪伴他。
12 Ary hoy Samsona tamin’ ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin’ ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.
參孫對他們說:「我給你們出一個謎語,你們在七日筵宴之內,若能猜出意思告訴我,我就給你們三十件裏衣,三十套衣裳;
13 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
你們若不能猜出意思告訴我,你們就給我三十件裏衣,三十套衣裳。」他們說:「請將謎語說給我們聽。」
14 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin’ ny mpihinana no nivoahan’ ny hanina; Ary avy tao amin’ ny mahery no nivoahan’ ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin’ ny hateloana.
參孫對他們說: 吃的從吃者出來; 甜的從強者出來。 他們三日不能猜出謎語的意思。
15 Ary nony tamin’ ny andro fahafito, dia hoy izy tamin’ ny vadin’ i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin’ ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?
到第七天,他們對參孫的妻說:「你誆哄你丈夫,探出謎語的意思告訴我們,免得我們用火燒你和你父家。你們請了我們來,是要奪我們所有的嗎?」
16 Ary ny vadin’ i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?
參孫的妻在丈夫面前啼哭說:「你是恨我,不是愛我,你給我本國的人出謎語,卻沒有將意思告訴我。」參孫回答說:「連我父母我都沒有告訴,豈可告訴你呢?」
17 Dia nitomany teo anatrehany tamin’ ny hafitoana izay nisian’ ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin’ ny andro fahafito dia nolazain’ i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneny.
七日筵宴之內,她在丈夫面前啼哭,到第七天逼着他,他才將謎語的意思告訴他妻,他妻就告訴本國的人。
18 Ary nony tamin’ ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’ i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.
到第七天,日頭未落以前,那城裏的人對參孫說: 有甚麼比蜜還甜呢? 有甚麼比獅子還強呢? 參孫對他們說: 你們若非用我的母牛犢耕地, 就猜不出我謎語的意思來。
19 Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ ireo ka nomeny ho an’ izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Samsona, ka niakatra nankany amin’ ny tranon-drainy izy.
耶和華的靈大大感動參孫,他就下到亞實基倫,擊殺了三十個人,奪了他們的衣裳,將衣裳給了猜出謎語的人。參孫發怒,就上父家去了。
20 Ary ny vadiny dia lasan’ ny namany, izay efa nataony sakaizany.
參孫的妻便歸了參孫的陪伴,就是作過他朋友的。

< Mpitsara 14 >