< 시편 9 >

1 (다윗의 시. 영장으로 뭇랍벤에 맞춘 노래) 내가 전심으로 여호와께 감사하오며 주의 모든 기사를 전하리이다
Ho an’ ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon’ i Davida. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
2 내가 주를 기뻐하고 즐거워하며 지극히 높으신 주의 이름을 찬송하리니
Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
3 내 원수들이 물러갈 때에 주의 앞에서 넘어져 망함이니이다
Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
4 주께서 나의 의와 송사를 변호하셨으며 보좌에 앉으사 의롭게 심판하셨나이다
Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
5 열방을 책하시고 악인을 멸하시며 저희 이름을 영영히 도말하셨나이다
Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
6 원수가 끊어져 영영히 멸망하셨사오니 주께서 무너뜨린 성읍들을 기억할 수 없나이다
Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
7 여호와께서 영영히 앉으심이여 심판을 위하여 보좌를 예비하셨도다
Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
8 공의로 세계를 심판하심이여 정직으로 만민에게 판단을 행하시리로다
Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ ny fahitsiana Izy.
9 여호와는 또 압제를 당하는 자의 산성이시요 환난 때의 산성이시로다
Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy.
10 여호와여, 주의 이름을 아는 자는 주를 의지하오리니 이는 주를 찾는 자들을 버리지 아니하심이니이다
Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
11 너희는 시온에 거하신 여호와를 찬송하며 그 행사를 백성 중에 선포할지어다
Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany.
12 피 흘림을 심문하시는 이가 저희를 기억하심이여 가난한 자의 부르짖음을 잊지 아니하시도다
Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
13 여호와여, 나를 긍휼히 여기소서 나를 사망의 문에서 일으키시는 주여, 미워하는 자에게 받는 나의 곤고를 보소서
Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana,
14 그리하시면 내가 주의 찬송을 다 전할 것이요 딸 같은 시온의 문에서 주의 구원을 기뻐하리이다
Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao.
15 열방은 자기가 판 웅덩이에 빠짐이여 그 숨긴 그물에 자기 발이 걸렸도다
Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
16 여호와께서 자기를 알게 하사 심판을 행하셨음이여 악인은 그 손으로 행한 일에 스스로 얽혔도다 (힉가욘. (셀라)
Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy.
17 악인이 음부로 돌아감이여 하나님을 잊어버린 모든 열방이 그리하리로다 (Sheol h7585)
Hiverina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’ Andriamanitra. (Sheol h7585)
18 궁핍한 자가 항상 잊어 버림을 보지 아니함이여 가난한 자가 영영히 실망치 아니하리로다
Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ ny mahantra.
19 여호와여, 일어나사 인생으로 승리를 얻지 못하게 하시며 열방으로 주의 목전에 심판을 받게 하소서
Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
20 여호와여, 저희로 두렵게 하시며 열방으로 자기는 인생 뿐인줄 알게 하소서 (셀라)
Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. (Sela)

< 시편 9 >