< 잠언 1 >

1 다윗의 아들 이스라엘 왕 솔로몬의 잠언이라
Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:
2 이는 지혜와 훈계를 알게 하며 명철의 말씀을 깨닫게 하며
Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;
3 지혜롭게, 의롭게, 공평하게, 정직하게, 행할 일에 대하여 훈계를 받게 하며
Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
4 어리석은 자로 슬기롭게 하며 젊은 자에게 지식과 근신함을 주기 위한 것이니
Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.
5 지혜있는 자는 듣고 학식이 더할 것이요 명철한 자는 모략을 얻을 것이라
Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
6 잠언과 비유와 지혜있는 자의 말과 그 오묘한 말을 깨달으리라
Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
7 여호와를 경외하는 것이 지식의 근본이어늘 미련한 자는 지혜와 훈계를 멸시하느니라
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
8 내 아들아 네 아비의 훈계를 들으며 네 어미의 법을 떠나지 말라
Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
9 이는 네 머리의 아름다운 관이요 네 목의 금사슬이니라
Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.
10 내 아들아 악한 자가 너를 꾈지라도 좇지 말라 내 아들아 악한 자가 너를 꾈지라도 좇지 말라
Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky.
11 그들이 네게 말하기를 우리와 함께 가자 우리가 가만히 엎드렸다가 사람의 피를 흘리자 죄없는 자를 까닭없이 숨어 기다리다가
Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
12 음부 같이 그들을 산 채로 삼키며 무덤에 내려가는 자 같게 통으로 삼키자 (Sheol h7585)
Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; (Sheol h7585)
13 우리가 온갖 보화를 얻으며 빼앗은 것으로 우리 집에 채우리니
Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
14 너는 우리와 함께 제비를 뽑고 우리가 함께 전대 하나만 두자 할지라도
Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
15 내 아들아 그들과 함께 길에 다니지 말라 네 발을 금하여 그 길을 밟지 말라
Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany;
16 대저 그 발은 악으로 달려가며 피를 흘리는 데 빠름이니라
Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
17 무릇 새가 그물 치는 것을 보면 헛 일이겠거늘
Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona.
18 그들의 가만히 엎드림은 자기의 피를 흘릴 뿐이요 숨어 기다림은 자기의 생명을 해할 뿐이니
Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
19 무릇 이를 탐하는 자의 길은 다 이러하여 자기의 생명을 잃게 하느니라
Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.
20 지혜가 길거리에서 부르며 광장에서 소리를 높이며
Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
21 훤화하는 길 머리에서 소리를 지르며 성문 어귀와 성중에서 그 소리를 발하여 가로되
Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
22 너희 어리석은 자들은 어리석음을 좋아하며 거만한 자들은 거만을 기뻐하며 미련한 자들은 지식을 미워하니 어느 때까지 하겠느냐
Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
23 나의 책망을 듣고 돌이키라 보라 내가 나의 신을 너희에게 부어주며 나의 말을 너희에게 보이리라
Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24 내가 부를지라도 너희가 듣기 싫어 하였고 내가 손을 펼지라도 돌아보는 자가 없었고
Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
25 도리어 나의 모든 교훈을 멸시하며 나의 책망을 받지 아니하였은즉
Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
26 너희가 재앙을 만날 때에 내가 웃을 것이며 너희에게 두려움이 임할 때에 내가 비웃으리라
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
27 너희의 두려움이 광풍같이 임하겠고 너희의 재앙이 폭풍같이 임하리니
Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
28 그 때에 너희가 나를 부르리라 그래도 내가 대답지 아니하겠고 부지런히 나를 찾으리라 그래도 나를 만나지 못하리니
Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
29 대저 너희가 지식을 미워하며 여호와 경외하기를 즐거워하지 아니하며
Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,
30 나의 교훈을 받지 아니하고 나의 모든 책망을 업신여겼음이라
Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
31 그러므로 자기 행위의 열매를 먹으며 자기 꾀에 배부르리라
Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
32 어리석은 자의 퇴보는 자기를 죽이며 미련한 자의 안일은 자기를 멸망시키려니와
Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
33 오직 나를 듣는 자는 안연히 살며 재앙의 두려움이 없이 평안하리라
Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.

< 잠언 1 >