< 에스라 5 >

1 선지자들 곧 선지자 학개와 잇도의 손자 스가랴가 이스라엘 하나님의 이름을 받들어 유다와 예루살렘에 거하는 유다 사람들에게 예언하였더니
Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido, naminany tamin’ ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
2 이에 스알디엘의 아들 스룹바벨과 요사닥의 아들 예수아가 일어나 예루살렘 하나님의 전 건축하기를 시작하매 하나님의 선지자들이 함께 하여 돕더니
Dia nitsangana Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’ Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
3 그 때에 강 서편 총독 닷드내와 스달보스내와 그 동료가 다 나아와 저희에게 이르되 '누가 너희를 명하여 이 전을 건축하고 이 성곽을 마치게 하였느냐?' 하기로
Ary tamin’ izany andro izany ihany koa dia nankany amin’ ireo Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin’ ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
4 우리가 이 건축하는 자의 이름을 고하였으나
Ary izao koa no nataonay taminy Iza avy no anaran’ izay lehilahy manao io trano io?
5 하나님이 유다 장로들을 돌아보셨으므로 저희가 능히 역사를 폐하게 못하고 이 일을 다리오에게 고하고 그 답조가 오기를 기다렸더라
Nefa ny mason’ Andriamaniny nitsinjo ny loholon’ ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan’ ny teny ho any amin’ i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin’ izany raharaha izany.
6 강 서편 총독 닷드내와 스달보스내와 그 동료 강 서편 아바삭 사람이 다리오 왕에게 올린 글의 초본이 이러하니라
Ny tenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ho any amin’ i Dariosy mpanjaka;
7 그 글에 일렀으되 다리오 왕은 만안하옵소서
eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an’ i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
8 왕께 아시게 하나이다 우리가 유다도에 가서 지극히 크신 하나님의 전에 나아가 보온즉 전을 큰 돌로 세우며 벽에 나무를 얹고 부지런히 하므로 역사가 그 손에서 형통하옵기로
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ ny tany Joda izahay ho any an-tranon’ Andriamanitra lehibe, izay atao amin’ ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin’ ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
9 우리가 그 장로들에게 물어 보기를 누가 너희를 명하여 이 전을 건축하고 이 성곽을 마치게 하였느냐 하고
Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io?
10 우리가 또 그 두목의 이름을 적어 왕에게 고하고자 하여 그 이름을 물은즉
Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran’ ny olona izay lohany;
11 저희가 우리에게 대답하여 이르기를 우리는 천지의 하나님의 종이라 오랜 옛적에 건축되었던 전을 우리가 다시 건축하노라 이는 본래 이스라엘의 큰 왕이 완전히 건축한 것이더니
ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’ Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’ ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
12 우리 열조가 하늘에 계신 하나님을 격노케 하였으므로 하나님이 저희를 갈대아 사람 바벨론 왕 느부갓네살의 손에 붙이시매 저가 이 전을 헐며 이 백성을 사로잡아 바벨론으로 옮겼더니
Fa noho ny nampahatezeran’ ny razanay an’ Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan’ i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
13 바벨론 왕 고레스 원년에 고레스 왕이 조서를 내려 하나님의 이 전을 건축하게 하고
Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon’ Andriamanitra io.
14 또 느부갓네살의 예루살렘 하나님의 전 속에서 금, 은 기명을 옮겨다가 바벨론 신당에 두었던 것을 고레스 왕이 그 신당에서 취하여 그 세운 총독 세스바살이라 이름한 자에게 내어주고
Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’ Andriamanitra, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin’ ny tempoly any Babylona, dia nalain’ i Kyrosy mpanjaka tao amin’ ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin’ ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
15 일러 가로되 너는 이 기명들을 가지고 가서 예루살렘 전에 두고 하나님의 전을 그 본처에 건축하라 하매
ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin’ ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon’ Andriamanitra hatsangana eo amin’ ilay efa niorenany ihany.
16 이에 이 세스바살이 이르러 예루살렘 하나님의 전 지대를 놓았고 그 때로부터 지금까지 건축하여 오나 오히려 필역하지 못하였다 하였사오니
Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin’ izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
17 이제 왕이 선히 여기시거든 바벨론에서 왕의 국고에 조사하사 과연 고레스 왕이 조서를 내려 하나님의 이 전을 예루살렘에 건축하라 하셨는지 보시고 왕은 이 일에 대하여 왕의 기쁘신 뜻을 우리에게 보이소서 하였더라
Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan’ ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon’ i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon’ Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon’ ny mpanjaka hambarany aminay ny amin’ izany zavatra izany.

< 에스라 5 >