< 에스라 4 >

1 유다와 베냐민의 대적이 사로잡혔던 자의 자손이 이스라엘 하나님 여호와를 위하여 전을 건축한다 함을 듣고
Ary nony ren’ ny fahavalon’ ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
2 스룹바벨과 족장들에게 나아와 이르되 `우리로 너희와 함께 건축하게 하라 우리도 너희같이 너희 하나님을 구하노라 앗수르 왕 에살핫돈이 우리를 이리로 오게한 날부터 우리가 하나님께 제사를 드리노라'
dia nanatona an’ i Zerobabela sy ny lohan’ ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an’ Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ ny andron’ i Esara-hadona, mpanjakan’ i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
3 스룹바벨과 예수아와 기타 이스라엘 족장들이 이르되 `우리 하나님의 전을 건축하는데 너희는 우리와 상관이 없느니라 바사 왕 고레스가 우리에게 명하신 대로 우리가 이스라엘 하나님 여호와를 위하여 홀로 건축하리라' 하였더니
Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin’ ny namany lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ ny hanaovana trano ho an’ Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian’ itompokolahy Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, anay.
4 이로부터 그 땅 백성이 유다 백성의 손을 약하게 하여 그 건축을 방해하되
Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
5 바사 왕 고레스의 시대부터 바사 왕 다리오가 즉위할 때까지 의사들에게 뇌물을 주어 그 경영을 저희하였으며
sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin’ ny andro nanjakan’ i Kyrosy tany Persia ka hatramin’ ny nanjakan’ i Dariosy, mpanjakan’ i Persia.
6 또 아하수에로가 즉위할 때에 저희가 글을 올려 유다와 예루살렘 거민을 고소하니라
Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.
7 아닥사스다 때에 비슬람과 미드르닷과 다브엘과 그 동료들이 바사 왕 아닥사스다에게 글을 올렸으니 그 글은 아람 문자와 아람 방언으로 써서 진술하였더라
Ary tamin’ ny andron’ i Artaksersesy no nanoratan’ i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin’ ny namany sisa ho any amin’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia; ary ny soratra tamin’ ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.
8 방백 르훔과 서기관 심새가 아닥사스다왕에게 올려 예루살렘 백성을 고소한 그 글에
Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin’ i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an’ i Jerosalema toy izao:
9 방백 르훔과 서기관 심새와 그 동료 디나 사람과 아바삿 사람과 다블래 사람과 아바새 사람과 아렉 사람과 바벨론 사람과 수산 사람과 데해 사람과 엘람 사람과
Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaïta, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaïta, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
10 기타 백성 곧 존귀한 오스납발이 사마리아 성과 강 서편 다른 땅에 옮겨 둔 자들과 함께 고한다 하였더라
mbamin’ ny firenena sisa izay nentin’ i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin’ ny tany sasany etỳ an-dafin’ ny ony etỳ ......
11 아닥사스다왕에게 올린 그 글의 초본은 이러하니 강 서편에 있는 신복들은
Izao no teny amin’ ny taratasy nampitondrainy ho any amin’ i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin’ ny ony etỳ ......
12 왕에게 고하나이다 왕에게서 올라온 유다 사람들이 우리의 곳 예루살렘에 이르러 이 패역하고 악한 성읍을 건축하는데 이미 그 지대를 수축하고 성곽을 건축하오니
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
13 이제 왕은 아시옵소서 만일 이 성읍을 건축하며 그 성곽을 마치면 저 무리가 다시는 조공과 잡세와 부세를 바치지 아니하리니 필경 왕들에게 손해가 되리이다
Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana izany any aoriana.
14 우리가 이제 궁의 소금을 먹는 고로 왕의 수치 당함을 참아 보지 못하여 보내어 왕에게 고하오니
Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay,
15 왕은 열조의 사기를 살피시면 그 사기에서 이 성읍은 패역한 성읍이라 예로부터 그 중에서 항상 반역하는 일을 행하여 열왕과 각 도에 손해가 된 것을 보시고 아실지라 이 성읍이 훼파됨도 이 까닭이니이다
mba hizahana ny boky tantaran’ ny razanao; dia ho hitanao eo amin’ ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
16 이제 감히 왕에게 고하오니 이 성읍이 중건되어 성곽을 필역하면 이로 말미암아 왕의 강 서편 영지가 없어지리이다 하였더라
Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ intsony ianao.
17 왕이 방백 르훔과 서기관 심새와 사마리아에 거한 저희 동료와 강 서편 다른 땅 백성에게 조서를 내리니 일렀으되 너희는 평안할지어다
Dia nampitondrain’ ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin’ ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin’ ny tanàna sasany an-dafin’ ny ony, nanao hoe: Fiadanana ......
18 너희의 올린 글을 내 앞에서 낭독시키고
Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako;
19 명하여 살펴보니 과연 이 성읍이 예로부터 열왕을 거역하며 그 중에서 항상 패역하고 모반하는 일을 행하였으며
ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin’ ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo.
20 옛적에는 예루살렘을 주재하는 큰 군왕이 있어서 강 서편 모든 땅도 주재하매 조공과 잡세와 부세를 저에게 다 바쳤도다
Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin’ ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
21 이제 너희는 명을 전하여 그 사람들로 역사를 그치게 하여 그 성을 건축지 못하게 하고 내가 다시 조서 내리기를 기다리라
Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko.
22 너희는 삼가서 이 일에 게으르지 말라 어찌하여 화를 더하여 왕들에게 손해가 되게 하랴 하였더라
Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana?
23 아닥사스다 왕의 조서 초본이 르훔과 서기관 심새와 그 동료 앞에서 낭독되매 저희가 예루살렘으로 급히 가서 유다 사람들을 보고 권력으로 억제하여 그 역사를 그치게 하니
Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin’ ny namany ny taratasin’ i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin’ ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny.
24 이에 예루살렘에서 하나님의 전 역사가 그쳐서 바사 왕 다리오 제 이년까지 이르니라
Dia natsahatra tsy natao ny tranon’ Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosy, mpanjakan’ i Persia.

< 에스라 4 >