< 전도서 2 >

1 나는 내 마음에 이르기를 자, 내가 시험적으로 너를 즐겁게 하리니 너는 낙을 누리라 하였으나 본즉 이것도 헛되도다
Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin’ ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin’ ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
2 내가 웃음을 논하여 이르기를 미친 것이라 하였고 희락을 논하여 이르기를 저가 무엇을 하는가 하였노라
Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
3 내 마음이 궁구하기를 내가 어떻게 하여야 내 마음에 지혜로 다스림을 받으면서 술로 내 육신을 즐겁게 할까 또 어떻게 하여야 어리석음을 취하여서 천하 인생의 종신토록 생활함에 어떤 것이 쾌락인지 알까 하여
Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin’ ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin’ ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ ny zanak’ olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin’ ny lanitra amin’ ny andro vitsy iainany.
4 나의 사업을 크게 하였노라 내가 나를 위하여 집들을 지으며 포도원을 심으며
Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
5 여러 동산과 과원을 만들고 그 가운데 각종 과목을 심었으며
nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
6 수목을 기르는 삼림에 물주기 위하여 못을 팠으며
nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
7 노비는 사기도 하였고 집에서 나게도 하였으며 나보다 먼저 예루살렘에 있던 모든 자보다도 소와 양떼의 소유를 많게 하였으며
nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman’ osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
8 은금과 왕들의 보배와 여러 도의 보배를 쌓고 또 노래하는 남녀와 인생들의 기뻐하는 처와 첩들을 많이 두었노라
Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan’ ny mpanjaka sy izay avy amin’ ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin’ izay mahafinaritra ny zanak’ olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.
9 내가 이같이 창성하여 나보다 먼저 예루살렘에 있던 모든 자보다 지나고 내 지혜도 내게 여전하여
Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
10 무엇이든지 내 마음이 즐거워하는 것을 내가 막지 아니하였으니 이는 나의 모든 수고를 내 마음이 기뻐하였음이라 이것이 나의 모든 수고로 말미암아 얻은 분복이로다
Ary na inona na inona nirin’ ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’ izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin’ ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ ny fisasarako rehetra.
11 그 후에 본즉 내 손으로 한 모든 일과 수고한 모든 수고가 다 헛되어 바람을 잡으려는 것이며 해 아래서 무익한 것이로다
Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ ny masoandro.
12 내가 돌이켜 지혜와 망령됨과 어리석음을 보았나니 왕의 뒤에 오는 자는 무슨 일을 행할꼬 행한지 오랜 일일 뿐이리라
Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon’ ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin’ ny ela ihany.
13 내가 보건대 지혜가 우매보다 뛰어남이 빛이 어두움보다 뛰어남 같도다
Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara’ noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran ny mazava noho ny maizina.
14 지혜자는 눈이 밝고 우매자는 어두움에 다니거니와 이들의 당하는 일이 일반인 줄을 내가 깨닫고
Ny mason’ ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
15 심중에 이르기를 우매자의 당한 것을 나도 당하리니 내가 심중에 이르기를 이것도 헛되도다
Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin’ ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
16 지혜자나 우매자나 영원토록 기억함을 얻지 못하나니 후일에는 다 잊어버린지 오랠 것임이라 오호라, 지혜자의 죽음이 우매자의 죽음과 일반이로다
Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin’ ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
17 이러므로 내가 사는 것을 한하였노니 이는 해 아래서 하는 일이 내게 괴로움이요 다 헛되어 바람을 잡으려는 것임이로다
Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.
18 내가 해 아래서 나의 수고한 모든 수고를 한하였노니 이는 내 뒤를 이을 자에게 끼치게 됨이라
Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ ny masoandro, fa havelako ho an’ ny olona izay handimby ahy izany,
19 그 사람이 지혜자일지, 우매자일지야 누가 알랴마는 내가 해 아래서 내 지혜를 나타내어 수고한 모든 결과를 저가 다 관리하리니 이것도 헛되도다
ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’ izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ ny fahendreko tatỳ ambanin’ ny masoandro. Zava-poana koa izany.
20 이러므로 내가 해 아래서 수고한 모든 수고에 대하여 도리어 마음으로 실망케 하였도다
Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin’ ny fahakiviana ny amin’ ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ ny masoandro.
21 어떤 사람은 그 지혜와 지식과 재주를 써서 수고하였어도 그 얻은 것을 수고하지 아니한 자에게 업으로 끼치리니 이것도 헛된 것이라 큰 해로다
Fa misy olona izay misasatra amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’ izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
22 사람이 해 아래서 수고하는 모든 수고와 마음에 애쓰는 것으로 소득이 무엇이랴
Fa inona no azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra sy amin’ ny fikatsahan’ ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ ny masoandro?
23 일평생에 근심하며 수고하는 것이 슬픔뿐이라 그 마음이 밤에도 쉬지 못하나니 이것도 헛되도다
Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin’ ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
24 사람이 먹고 마시며 수고하는 가운데서 심령으로 낙을 누리게 하는 것보다 나은 것이 없나니 내가 이것도 본즉 하나님의 손에서 나는 것이로다
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ ny tànan’ Andriamanitra
25 먹고 즐거워하는 일에 누가 나보다 승하랴
(fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).
26 하나님이 그 기뻐하시는 자에게는 지혜와 지식과 희락을 주시나 죄인에게는 노고를 주시고 저로 모아 쌓게 하사 하나님을 기뻐하는 자에게 주게 하시나니 이것도 헛되어 바람을 잡으려는 것이로다
Fa ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.

< 전도서 2 >