< 2 до коринтян 10 >

1 Я, Павло, особисто закликаю вас із лагідністю і добротою Христа, – я, той хто «покірний, коли присутній» між вами, «а коли відсутній, то сміливий» стосовно вас.
Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’ i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
2 Прошу вас: коли я прийду, не змушуйте мене вдаватися до сміливості, яку я рішуче розраховую проявити щодо тих, хто вважає, що ми живемо по-тілесному.
Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin’ ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin’ ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
3 Адже, живучи в тілі, воюємо не по-тілесному.
Fa na dia velona amin’ ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
4 І зброя нашої боротьби не тілесна, а сильна Богом для руйнування фортець. Ми руйнуємо задуми
(fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
5 та кожну зарозумілість, яка противиться пізнанню Бога, а також беремо в полон кожну думку на послух Христу.
fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy,
6 І ми готові покарати будь-яку непокору, як тільки ваш послух стане довершеним.
ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
7 Ви дивитеся на зовнішність. Але коли хтось впевнений, що він належить Христу, то нехай візьме до уваги, що ми, як і він, Христові.
Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an’ i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah’ an’ i Kristy azy no mah’ an’ i Kristy anay koa.
8 І навіть якщо я ще більше вихваляюся нашою владою, яку нам дав Господь для вашого збудування, а не для руйнування, то я за це не буду осоромлений.
Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin’ ny fahefanay izay nomen’ i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
9 Хай вам не здається, що я хочу залякати вас [своїми] листами.
mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin’ ny epistily.
10 Адже [дехто] каже: «Його листи вагомі та сильні, але коли приходить особисто, то він слабкий і слова його незначні».
Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
11 Така людина нехай врахує те, що якими ми є на слові в листах, коли відсутні, такими ж є і на ділі, коли присутні.
Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin’ ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
12 Ми не сміємо судити або прирівнювати себе до тих, що самі себе рекомендують. Вони, вимірюючи себе собою та порівнюючи себе із собою, не є розумними.
Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan’ ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin’ ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ ny tenanay.
13 Ми ж не будемо хвалитися безмірно, а лише в межах служіння, яке нам визначив Бог, щоб досягнути й вас.
Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin’ ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr’ Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
14 Бо ми не виходимо за ці межі, ніби не досягнули вас, адже ми досягнули і вас Доброю Звісткою Христа.
Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin’ ny filazantsaran’ i Kristy;
15 Ми не хвалимося надмірно чужою працею, а сподіваємося, що, у міру того, як ваша віра зростатиме, зростатимуть і межі нашого служіння серед вас,
tsy mirehareha tsy amin’ ohatra amin’ izay nisasaran’ ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
16 щоби звіщати Добру Звістку поза вашими [околицями], а не хвалитися зробленим на чужому полі.
ka hitory ny filazantsara amin’ ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin’ izay efa vonona rahateo ao anatin’ ny voafaritra ho an’ ny sasany.
17 «А хто вихваляється, нехай вихваляється в Господі».
Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany
18 Адже схвалений не той, хто сам себе рекомендує, а той, кого рекомендує Господь.
Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain’ ny Tompo.

< 2 до коринтян 10 >